Fiombonam-bavaka Alahady IV manaraka ny Epifania Herinandro 05-10 Febroary 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady IV manaraka ny Epifania
Herinandro 05-10 Febroary 2018
“Andriamanitra miantoka ny olony”
*
Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra miantoka ny olony” dia satria be ny fitiavany azy. Fa hoy ny fanambarana nomeny an’i Jeremia mpaminany manao hoe: ”Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao” Jer.31:3. Dia hoy ny Apostoly Jaona manazava izany: « Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika » 1 Jao.4:10. Ary noho izany, dia voasoratra hoe: « fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » Rom 5: 8. Asampanavotana lehibe tsy tratry ny saina tokoa no nataon’i Jesosy ho antsika mpanota, dia araka ny nanambaran’ny Apostoly Paoly izany manao hoe: ”Ary hianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana” Kol.2:13-14. Asa fanamarinana antsika eo imason’Andriamanitra izany izay nataon’i Jesosy raha nanaiky hiantoka ny amintsika eo anatrehan’ny Ray tamin’ny fividianany antsika tamin’ny rany sarobidy Izy (1 Pet.1:18-19). Fa amin’izany, dia ”Iza no hiampanga ny olomboafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy.Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:33-34. Miantoka ny olony tokoa Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, Izay miahy azy ireo hatramin’ny farany, ka hijoroany manao hoe: ”Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra Ahy (Isa.8:17,18)” Heb.2:13. Ho azy ireo, dia hoy Izy:”Momba anao hamonjy anao Aho” Jer.1:8.

Alatsinainy 05: Andriamanitra miantoka ny olony ka manamarina azy.
“Efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1.
Vakiteny 1: Mat.28: 16-20. Vakiteny 2: Isa.43:1-3 Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.43:1. Teny manampy:
– “Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’Ilay Anjely. Dia namaly Jehovah ka nilaza tamin’izay nitsangana teo
anoloany hoe: Esory aminy ny fitafiana maloto. Ary hoy koa Izy taminy: Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo
fihaingoana hianao.” Zak.3:3-4.
– “Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra
koa” Rom.8:30.

Talata 06: Andriamanitra miantoka ny olony ho amin’ny fiainana.
“Ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay” 2 Tim.1:10b.
Vakiteny 1: Mat.4:23-25. Vakiteny 2: 2 Tim.1:7-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Tim.1 :10b. Teny manampy:
– “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino
ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako hianao, ary ny mandanao dia eo
anatrehako mandrakariva” Isa.49:15-16.
– “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16.

Alarobia 07: Jesosy no miantoka ny olony.
« Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra » Mat.14 :27.
Vakiteny 1 : Isa.41 :8-14. Vakiteny 2 : Mat.14 :24-33. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.14 :26-27. Teny manampy:
– “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra
noho ny ota tsy mba nilainao; Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin’ny horonam-boky no nanoratana ahy. Ny hanao ny sitraponao,
Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko” Sal.40:6-8.
– “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy
ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tanako” Jao.10:27-28.

Alakamisy 08: Ny ran’i Kristy no miantoka ny fanavotana antsika.
“Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika” Efes.1:7a.
Vakiteny 1: Mar.15:33-39. Vakiteny 2: Efes.1:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.1:7. Teny manampy:
– “Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa. Ary saiky diovina
amin’ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:21-22.
– “Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina; ary Izy no avotra noho ny
fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:1.

Zoma 09: Andriamanitra miantoka ny fandresen’ny olony.
“Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33b.
Vakiteny 1: 1 Jao.5:1-4. Vakiteny 2: Jao.16: 25-33. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.16:33. Teny manampy:
– “Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina” Eks.14:14.
– “Araka ny voasoratra hoe: Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; Toy ny ondry hovonoina no fijery anay (Sal.44.
22). Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika” Rom.8:36-37.

Asabotsy 10: Andriamanitra miantoka ny olony mandrakizay.
« Niditra indray mandeha ho any amin’ny fitoerana masina ka nahazo fanavotana mandrakizay » Heb.9 :12b.
Vakiteny 1 : Lev.5 :11-13. Vakiteny 2 : Heb.9 :11-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Heb.9 :12. Teny manampy:
– “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao” Jer.31:3.!
– “Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray
zato heny ka handova fiainana mandrakizay” Mat.19:29.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *