Fiombonam-bavaka Alahady V alohan’ny Paska Herinandro 19-26 Febroary 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady V alohan’ny Paska
Herinandro 19-26 Febroary 2018
“Andriamanitra no Mpamonjy”
*

Fitarihan-kevitra: Ny teny hoe ”Andriamanitra no Mpamonjy” dia manambara fa tsy misy andriamanitra hafa, na fomba hafa mety hahavonjy ny olona, na handraisany famonjena. Hoy ny Tompo eto: ”Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy”, “Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho” Isa.45:20b,21b. Io famonjena antsika olombelona mpanota io no anton’ny nanirahan’ny Ray an’i Jesosy Kristy Zanany ka itenenan’ny Soratra Masina hoe: “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:12. Fa efa niteny tokoa ny Ray raha naneho sy nanamarina ny amin’i Jesosy manao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5. Ary dia nanantitra izany teny fanambarana izany indrindra Jesosy ka nanao hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6. Sambatra izay mifanena Aminy ka ampahiratiny ny masom-panahiny hahafantatra Azy, fa afaka hiloa-bava toy ireo mponina tao Samaria izay niteny tamin’ilay vehivavy namany avy niresaka tamin’ny Tompo manao hoe: “Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” Jao.4:42. Dia toa an’i Tomasy mpianatry ny Tompo koa izay nanao hoe: “Tompoko sy Andriamanitro” Jao.20:28. Fa izay mahalala sy manaiky an’Andriamanitra ho Tompony sy Mpamonjiny, raha tojo fioriana, dia tsy hiahanahana fa hivavaka tahaka ny mpanao Salamo hanao hoe: “Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany” Sal.121:1-2. Mivavaka isika mba ho tonga amin’ny fahalalana marina ny Tompo ka na dia manoloana ny fahavalo aza, dia hatoky Azy ka hiteny tahaka an’ Davida hanao hoe: ”Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” Sal.118:6.

Alatsinainy 17: Andriamanitra no Mpamonjy.
“Mijere Ahy, dia ho voavonjy hianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa” Isa.45:22.
Vakiteny 1: Lio.2 :1-14. Vakiteny 2: Isa.45 :20-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.45 :22. Teny manampy:
– “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy” 2 Sam.22 :2.
– “Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny” Jer.17 :7.
– “Ny anarany hataonao hoe Jesosy [= Jehovah no Mpamonjy]; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” Mat.1 :21.

Talata 18 : Jesosy no Mpamonjy izao tontolo izao.
“Fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” Jao.4 :42b.
Vakiteny 1: 2 Pet.1 :10-18. Vakiteny 2: Jao.4 :39-42. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.4 :42. Teny manampy:
– “Marina fa ao amin’i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely” Jer.3:23b.
– “Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny
olona rehetra; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anie ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo” Lio.2:10-11.

Alarobia 19 : Jesosy mamonjy ka manafaka heloka sy manasitrana.
“Matokia, anaka, voavela ny helokao, Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao” Mat.9 :2b;6b.
Vakiteny 1: Heb.7:20-25. Vakiteny 2: Mat.9 :1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9 :2-6. Teny manampy:
– “Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan’ny Zanak’Isiraely; Fa nivilivily tamin’ny
nalehany izy ary nanadino an’i Jehovah Andriamaniny. Miverena hianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo”
Jer.3:21-22.
– “Indro, efa sitrana hianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo” Jao.5:14.

Alakamisy 20 : Jesosy mamonjy amin’ny asan’ny devoly.
“Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony” Mar.9 :25b.
Vakiteny 1: Isa.61 :1-3. Vakiteny 2: Mar.9 :17-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.9 :25. Teny manampy:
– “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8 :36.
– “Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?”1 Jao.5 :5.

Zoma 21 : Jesosy mamonjy ny olony amin’ny andro fizahan-toetra.
“Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy”Apok.3:10b.
Vakiteny 1: Heb.2 :10-18. Vakiteny 2: Apok.3 :7-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.3 :10. Teny manampy:
– “Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha
mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray
Masin’ny Isiraely, Mpamonjy anao” Isa.43:2-3a.
– “Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa hianao no amiko; ny
tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy” Sal.23:4.
– “Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra” 2 Tim.4:18.

Sabotsy 22 :Jesosy manome famonjena mandrakizay.
”Mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3 :16b.
Vakiteny 1: Apok.22 :1-5. Vakiteny 2: Jao.3 :5-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.3 :16. Teny manampy:
– “Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’i Jehovah Amin’ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay
mandrakizay hianareo” Isa.45:17.
– “Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy, fa
notononin’Andriamanitra hoe Mpisoronabe « araka ny fanaon’i Melkizedeka » Heb.5:9-10.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *