FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady III alohan’ny Paska
Herinandro 05-10 Marsa 2018
“Andriamanitra miahy ny olony”
*
Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra miahy ny olony” dia midika fa Izy dia mitsinjo ny ainy, manao izay ahavelona azy, miaro azy amin’ny loza sy ny ratsy izay mariravira azy, manafaka azy eo am-pelatanan’ny fahafatesana, ary manangana azy ho velona mandrakizay. Ho amin’izany no anomezany azy tokim-panavotana ka nitenenany taminy manao hoe: “Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1. Ary mba hanamafisana orina izay tokim-panavotana azy izany, dia manao fanekena aminy Izy ka manao hoe: “Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” Isa.54:10. Miahy ny olony tokoa Andriamanitra, fa tsy vahiny amin’ny fahoriany fa mihaino sy mamaly ny fitarainany.Hoy Izy tamin’i Mosesy: “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tanan’ny Egyptiana” Eks.3:7-8. Dia mbola nasehony izany fon’ny ray antra ny zanany izany ka nanirahany an’ Jesosy Ilay “Sakaizan’ny ory Izy, ary Mpiahy ny mpitondra-tena”. Fa raha “mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, ka nifanehatra tamin’ny famoahana ny fatin’ilay zanakalahy tokan’ny reniny mpitondratena izay naonena azy ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany”. Ary nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona, dia niteny nanao hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena”. Dia niarina ny maty sady niteny, ary dia natolony tamin-dreniny. Ary raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra hoe: “Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto
amintsika; ary Andriamanitra efa nitsinjo ny olony” (Lio.7:12-16). Ankehitriny koa dia tsy mbola miova ny fitiavan’Andriamanitra miahy antsika ary vonona ny hihaino sy hamaly ny fitarainantsika ka hanome izay reheta ilaintsika mba hahavelona antsika sy hahazoantsika manompo Azy. Hoy Jesosy: “Mangataha, dia homena hianareo” Mat.7:7.
Alatsinainy 05: Andriamanitra miahy ny olony.
“Hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ny olona, mba hanangana ny tany indray” Isa.49:8b.
Vakiteny 1: Mat.11 :1-6. Vakiteny 2: Isa.49 :8-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.49 :8. Teny manampy:
– “Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny, dia hohavaozina indray ny
tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ny taranaka lasa ela” Isa.61 :1-4.
– “Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, Ary nanangana tandropamonjena
ho antsika Amin’ny taranak’i Davida mpanompony Izy” Lio.1 :68-69.
Talata 05: Andriamanitra miahy ny lalan’ny olony.
“ Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany” Jer.10 :23.
Vakiteny 1: Jak.4 : 11-17. Vakiteny 2: Jer.10 : 19-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.10 :23. Teny manampy:
– “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka” Sal.37 :5.
– “Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”
Jao.14 :6.
Alarobia 06: Andriamanitra mitsinjo ny ain’ny olony.
“Rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo hianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo” Eks.16 :12b.
Vakiteny 1: Isa.43 :1-3a. Vakiteny 2: Eks.16 :11-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Eks.16 :11-12. Teny manampy:
– “Hotahina ny haronao sy ny vilia fanaova-mofonao” Deo.28 :5.
– “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo”
Mat.6 :25.
Alakamisy 07: Jesosy no Mpiahy ny olony.
“Izaho no Mpiandry Tsara, ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny olony” Jao.10:11.
Vakiteny 1: Ezek.34 :11-16. Vakiteny 2: Jao.10 : 11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.10 :11. Teny manampy:
– “Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an’i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin’ny maty, mitondra ny
ran’ny fanekena mandrakizay, Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay
ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena” Heb.13:20.
Zoma 08: Jesosy miahy ny olony amin’ny adiny.
“Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16 :33b.
Vakiteny 1: Mpit.6 :6-14. Vakiteny 2: Jao.16 :29-33. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.16 :32-33. Teny manampy:
– “Ary hoy Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ny tanan’ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ny tanan’io Filistina io.
Dia hoy Saoly tamin’i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah” 1 Sam.17 :36-37.
– “Tsy varidimiventy ihany va no vidin’ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha
tsy avelan’ny Rainareo. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa” Mat.10 :29-30.
Sabotsy 09: Jesosy manome aina ny olony.
“Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay” Jao.6 :54a.
Vakiteny 1: Ezek.37 : 1-10. Vakiteny 2: Jao.6 :52-65. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6 :52-54. Teny manampy:
– “Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe : Ity no tenako izay omena ho anareo;
izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy” Lio.22 :19.
– “Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na
dia ho faty aza” Apok.12 :11.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hi fimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet