Fiombonam-bavaka Alahady II alohan’ny Paska Herinandro 12-17 Marsa 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady II alohan’ny Paska
Herinandro 12-17 Marsa 2018
“Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony”
*

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony. Izany dia fanekena amin’izay manaiky Azy ho Tompony izay ankatoaviny feno sy tanteraka, ka tsy misy hafa. Izany dia araka ny teniny manao hoe: “Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany [andron’ny fahababoana tany Asyria], hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33. Firaisana antoka, fifaningorana aina, fombàna sy fiandaniana amin’ny olona izay nanaovany fanekena no ataon’Andriamanitra, satria efa nifidy azy sy nanavotra azy ary nandray azy ho an’ny tenany tokoa Izy, dia araka ny voasoratra hoe: “Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1. Avy amin’izany koa anefa no hitahian’Andriamanitra azy indrindra, dia araka ny teny fikasana sady fanorenana ny fanekeny izay nomeny ny Isiraely olony manao hoe: “Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:1-2. Antoka lehibe no nataon’Andriamanitra amin’ny olona izay nanaovany fanekena, ary izany dia mbola nampitoeriny sy naoriny indrindra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay nanavotra olona tamin’ny rany, ary nanangana azy ireny ho mpiray antoka aminy amin’ny fanjakany sy ny asany. Fa voasoratra hoe: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, « fanjaka-mpisorona, firenena masina » (Eks.19:6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran’ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga; dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos.2.25)” 1 Pet.2:9-10.

Alatsinainy 12: Andriamanitra manao fanekena amin’ny olony.
“Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao” Gen.12:2.
Vakiteny 1: Isa.53 :10-12. Vakiteny 2: Gen.12 :1-3. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gen.12 :2. Teny manampy:
– “Ary Andriamanitra nitso-drano an’i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany” Gen.9:1.
– “Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay
tsy fantatr’olona afa-tsy izay mandray azy ihany” Apok.2 :17.

Talata 13: Andriamanitra manorina ny fanekeny amin’ny olony.
“Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny” Apok.21:3b.
Vakiteny 1: 2 Kor.6 :14-18. Vakiteny 2: Apok.21 :1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.21 :3. Teny manampy:
– “Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara mandimby, ho
fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho” Gen.17 :7.
– “Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko” Jer.31 :1.

Alarobia 14: Andriamanitra mitahy ny olona izay nanaovany fanekena.
“Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany” Lio.1 :49.
Vakiteny 1: Jer.33 :1-9. Vakiteny 2: Lio.1: 46-55. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.1 :49. Teny manampy:
– “Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ny hiravoravoany amin’ny famonjenao! Ny nirin’ny fony dia
nomenao azy, ary ny nangatahin’ny molony tsy mba nolavinao… Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra
amin’ny tavanao izy” Sal.21 :1-6.
– “Isaorana anie Andriamanitra… Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra” Efes.1 :3.

Alakamisy 15: Ny faneken’Andriamanitra tsy ho foana.
“Tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako” Isa.54 :10e.
Vakiteny 1: Gen.17 :1-7. Vakiteny 2: Isa.54 :7-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.54 :10. Teny manampy:
– “Tany lavitra any no nisehoan’i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no
nampaharetako famindram-po ho anao” Jer.31 :3.
– “Niahy an’Isiraely mpanompony Izy fa nahatsiaro ny famindrampony” Lio.1 :54.

Zoma 16: Ny ran’i Jesosy no miantoka fanekena mandrakizay.
“Hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro” Mar.14 :24.
Vakiteny 1: Heb.9 :15-22. Vakiteny 2: Mar.14 :17-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.14 :23-24. Teny manampy:
– “Ary nalain’i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ny fanekena izay nataon’i Jehovah taminareo ny
amin’izany teny rehetra izany” Eks.24 :8.
– “Manao ahoana kosa ary no hamafin’ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’izay nanitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka
nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina” Heb.10 :29a.

Asabotsy 17: Hazòny ny fanekena.
“Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny” Mat.5 :37a.
Vakiteny 1: Sal.25 :1-11. Vakiteny 2: Mat.5 :33-37. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.5:36-37. Teny manampy:
– “Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay
zavatra ekeny” Rom.14 :22.
– “Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’izay fianianana
hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho « Eny », ary ny fandànareo ho « Tsia », fandrao hiharan’ny fitsarana hianareo” Jak.5 :12.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *