Fiombonam-bavaka Alahady II alohan’ny Paska Herinandro 19-24 Marsa 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady II alohan’ny Paska
Herinandro 19-24 Marsa 2018
“ Miomàna handray ny fanavotana ”
*
Fitarihankevitra: Zava-dehibe sady tampony amintsika olombelona ny mandray ny fanavotana, dia ny antoky ny fanafahana tanteraka antsika amin’ny ziogan’ny ota sy ny fahafatesana ary ny devoly izay mpamitaka sy mpanameloka antsika. Koa dia fandresena feno sy mitoetra mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika araka ny voasoratra hoe: “Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, Ary ny fahefan’ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan’Andriamanitsika andro aman’alina. Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza” Apok.12:10-11. Manambara sy manazava izany ny Apostoly Paoly ka manao hoe: “Ary hianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana, ary noreseny ka nobaboiny [nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany] ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy.” Kol.2:13-15. Fa vokatry ny fiaretan’i Jesosy Kristy dia nomen’ny Ray Azy ny anarana ambonin’ny anarana rehetra, “ mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray” Fil.2:10-11. Izany dia fahefana feno handreseny izay rehetra manohitra an’Andriamanitra sy ny sitrapony, dia ny ota sy ny filan’ny nofon’ny Adama ela tsy mbola maty ary ny fanangolen’ny devoly fahavalon’Andriamanitra sady fahavalon’ny finoantsika (Efes.6:11), ka handreseny lahatra ny mpanota hiverina sy hihavana amin’Andriamanitra. Fa fanekem-panavotana no ataony amintsika raha hoy Izy: “Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33b
Alatsinainy 19: Miomàna handray ny fanavotana.
“Manakaiky ny fanavotana anareo” Lio.21:28b.
Vakiteny 1: Apok.3:14-22. Vakiteny 2: Lio.21:20-28. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.21:28. Teny manampy:
– “Ary nony niditra tamin’izany ora izany izy, dia nisaotra an’Andriamanitra ka nilaza Azy tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana
tao Jerosalema » Lio.2:38.
– “Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-
tanàna”Apok.22:14.
  Talata 20: Jesosy tonga hitondra fanavotana ho an’izao tontolo izao.
“Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:2.
Vakiteny 1: Lio.1:68-75. Vakiteny 2: 1 Jao.2: 1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2: 1-2. Teny manampy:
– “Izaho Jehovah efa niantso Anao tamin’ny fahamarinana sy nitantana ny tananao, Ary hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho
fanekena ho an’ny olona, Ho fanazavana ny jentilisa” Isa.42:6.
– “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16.
Alarobia 21: Ny olon’Andriamanitra mahafantatra ny Mpanavotra azy.
“Kanefa raha izaho kosa dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy” Joba 19:25a.
Vakiteny 1: Jao.10:22-30. Vakiteny 2: Joba 19 :21-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Joba 19 :25. Teny manampy:
– “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho” Jao.10:14.
– “Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako” 2 Tim.1:12.
Alakamisy 22: Aoka ho hita vonona ny handray ny fanavotana.
“Koa amin’izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora” Mat.25:1-13.
Vakiteny 1: 2 Tim.3 :10-17. Vakiteny 2: Mat.25:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.25:13. Teny manampy:
– “Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra
amin’ny fampakaram-bady. Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra
amin’ny fampakaram-bady? Dia sina izy” Mat.22:8-14.
– “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny
tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy” Lio.12:37.
Zoma 23: Andriamanitra miala nenina hanavotra ny olony.
– “Ary amin’izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony” Isa.11:11.
Vakiteny 1: Asa.17:22-31. Vakiteny 2: Isa.11:3-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.11:11-12. Teny manampy:
– “Dia hoy Jehovah: hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina
monja ary maty indray alina koa; ka moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va. izay misy olona tsy omby roa
alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?” Jona 4:10-11.
– “Fa Jehovah hamindra fo amin’i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin’ny taniny” Isa.14:1.
Sabotsy 24: Ny fo mibebaka no mandray ny fanavotan’Andriamanitra.
“Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.
Vakiteny 1: Lio.15:11-24. Vakiteny 2: Mat.4 :12-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.4:17. Teny manampy:
– “Fa ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka no irakatenao fahatezerana ho anao amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny
fitsarana marin’Andriamanitra” Rom.2:5.
– “Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo,
dia ho efa nibebaka ela tamin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny” Mat.11:21.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-
madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *