FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahadin’ny Sampan-drofia
Herinandro 26-31 Marsa 2018
“Kristy, fanavotana ho antsika”
*
Fitarihan-kevitra: “Kristy, fanavotana ho antsika” dia fanafahana sy vonjy aina ho antsika. Ny votoatin-kevitry ny hoe “fanavotana” dia ny famerenana amin’ny tompony ny zavatra, na olona, izay mety ho lasan’ny olon-kafa izay tsy tompony. Izany dia amin’ny alalan’ny fividianana na fanomezana antoka izay sahaza, na ampy, hahatanteraka io famerenana io. Lavo tamin’ny ota tokoa ny razantsika olombelona, dia izy tsy naharesy tosika ny filany ara-nofo raha nihinana ny hazo izay nandraran’Andriamanitra azy tao Edena (Gen;3:3), ary isika taranany naterany koa dia nandova ny toetrany mpanota ka resin’ny ota, ary dia “namidy ho andevon’ny ota” Rom.7:14, satria ”izay maharesy ny olona dia manandevo azy” 2 Pet.2:19. Fa voasoratra hoe: “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy” Gen.3:6, izany hoe, tsy nahatohitra ny fakam-panahy. Ny hevi-dehibe tsoahina amin’ny anton’ny ilantsika olombelona fanavotana, dia satria tsy haintsika ary tsy vitantsika ny manao fanavotana ho an’ny tenantsika. Tondroina amin’izany ireo ezaka mety ataon’ny sasany amin’ny alalan’ny fanarahana fady sy ny fanaovana sorona samihafa izay tsy mahafaka ota, araka ny voasoratra hoe: “Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Koa nony niditra tamin’izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: « Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy; Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga – Ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy – Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô – Sal 40:6-8 » Heb.10:4-7. Ny sitrapon’Andriamanitra, dia Kristy maty ho fanavotana antsika (1 Kor.1:30), fa “Izy no ananantsika fanavotana amin’ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany” Efes.1:7. Hoy ny Soratra Masina: “Fa voavono Kristy, Paska ho antsika” 1 Kor.5:7b.
Alatsinainy 26: Kristy, fanavotana ho antsika.
“Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao” Zak.9:9d.
Vakiteny 1: Mat.21:1-11. Vakiteny 2: Zak.9:9-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Zak.9:9. Teny manampy:
– “Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra [Na: mitondra] ny fahotan’izao tontolo izao!” Jao.1:29.
– “Ary hianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra; ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana, ary noreseny ka nobaboiny [nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany] ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy” Kol.2:13-15.
Talata 27: Ny fanavotan’i Kristy, fitiavan’Andriamanitra ny mpanota.
“Natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro” Isa.53:12d.
Vakiteny 1: Fil.2:3-11. Vakiteny 2: Isa.53:10-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.53:12. Teny manampy:
– “Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana” Jao.1:14.
– “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”Jao.3:16.
Alarobia 28: Jesosy Kristy nanolotra ny ainy ho fiainana ho an’izao tontolo izao.
“Fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be” Jao.12:24b.
Vakiteny 1: 2 Kor.4:7-11. Vakiteny 2: Jao.12:20-33. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:24. Teny manampy:
– “Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka* sady ho maro andro, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tànany” Isa.53:10.
– “Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:2.
Alakamisy Masina 29: Miomàna fa akaiky ny fanavotana.
“Raha tsy hosasako hianao, dia tsy manana anjara amiko” Jao.13:8b.
Vakiteny 1 Eks.12:3-14. Vakiteny 2: Jao.13:1-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.13:8. Teny manampy:
– “Ary dia niray saina isan’andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an’Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ny vahoaka rehetra” Asa.2:46-47a.
– “Dia nahare feo tahaka ny an’ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. Ka efa niomana ny vadiny” Apok.19 :6-7.
Zoma Masina 30: Ny alim-panavotana.
“Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” Lio.22:42.
Vakiteny 1: Isa.50:6-9. Vakiteny 2: Lio.22:47-56. Toriteny: Lio.22:39-42. Teny manampy:
– “Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany” Jao.4:34.
– “Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (Sal.31:5); ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy” Lio.23:46.
Sabotsy Mangina 31 : fiatrehana ny fiavian’ny paska fanavotana.
Loha-hevitra banjinina: Jesosy Kristy manao fanavotana mandrakizay.
“Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina” Heb.10:14.
Vakiteny 1: Rom.3:21-26. Vakiteny 2: Heb.10:11-18.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet