Herinandro 02-07 Avrily 2018 “ Paska, fisandratan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ”

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Paska I sy II
Herinandro 02-07 Avrily 2018
“ Paska, fisandratan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ”

Fitarihan-kevitra: “Paska, fisandratan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. Planin’Andriamanitra no
nanirahan’ny Ray an’i Jesosy Kristy Zanany ho ety an-tany, dia araka ny nanondroan’i Jaona mpanao batisa
Azy manao hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!”
Jao.1:29. Nitondra teo amin’ny tenany ny fahafatesan’izao tontolo izao tokoa Jesosy, dia ny fahafatesana noho
ny ota (1 Kor;15:56), ka nanolotra ny ainy ho avotra hisolo voina antsika mpanota. Noho ny fankatoavany ny
Rainy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy dia nanaiky niaritra ny fanaintainan’ny fampijaliana nangidy
sy mafy indrindra izay natao taminy Izy, araka ny tonom-bavaka nataony tao Getsemane manao hoe: “Aba,
Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa
ny Anao” Mar.14:36. Fa voasoratra hoe: “Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny
zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, eny, tsy
niloa-bava Izy” Isa.53:7. Tsy foana anefa ny fiaretany, fa tanteraka araka ny voasoratra hoe: “Raha niakatra
ho any amin’ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ny olona (Sal.
68:18)” Efes.4:8. Ny fanomezana izay omeny ho antsika dia ny tena aman-drany ho vidin’ny fanavotana
antsika ho afaka amin’ny ozon’ny ota; dia araka ny epistily nosoratan’i Petera Apostoly manao hoe: “fa
fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny
fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny rà soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry
tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina” 1 Pet.1:18-19. Nasandratra teo amin’ny hazo fijaliana tokoa
Jesosy mba hahatanteraka ny planin’Andriamanitra manao hoe: “Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny
menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay
rehetra mino Azy » Jao.3:14-15. Koa amin’izany, “izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay”
Jao.3:36.

Alatsinainy 02: Paska, fisandratan’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra.
“Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra” Isa.52:13.
Vakiteny 1: Jao.17:1-5. Vakiteny 2: Isa.52:13-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.52:13. Teny manampy:
– “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao” Sal.110:1.
– “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny
anarana rehetra,mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ
an-tany, na ny any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray” Fil.2:9-11

Talata 03: Ny teny fikasam-panandratana.
“Hovonjeko ho afaka amin’ny fahafatesana Izy” Hos.13:14b.
Vakiteny 1: Lio.24:17-24. Vakiteny 2: Hos.13:14. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Hos.13:14. Teny manampy:
– “Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita” Sal.49:15.
– “Izao no lazain’i Jehovah amin’ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoerantongotrao” Sal.110:1

Alarobia 04: Efa nitsangana Jesosy.
“Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy” Mat.28:6a.
Vakiteny 1: 1 Tes.4:13-18. Vakiteny 2: Mat.28:1-8. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Mat.28:6. Teny manampy:
– “Fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy” Mar.10:34.
– “Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ny lavaka hianao”
Sal.16:10.
Alakamisy 05: Kristy no Tompon’ny fahefana rehetra.
“Dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy” Efes.1:22a.
Vakiteny 1: Mat.28:18-20. Vakiteny 2: Efes.1:15-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.1:22-23. Teny manampy:
– “Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany”
Mat.28:18.
– “Mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any
ambanin’ny tany” Fil.2:10.
Zoma 06: Ny fitsanganan’i Jesosy, fanantenam-pahasoavana.
“Antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy” 1 Pet.1:13b.
Vakiteny 1: Jao.1:14-18. Vakiteny 2: 1 Pet.1:17-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.1:13. Teny manampy:
– “Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany. Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy
ao amin’Andriamanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra hianareo” Kol.3:2-4.
– “Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.3 Ary izay rehetra manana
izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy” 1 Jao.3:2-3
Sabotsy 07: Ny lohalika handohalika eo anatrehan’i Jesosy.
“Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony, ka niankohoka teo anatrehany” Mat.28:9b.
Vakiteny 1: Fil.2:5-11. Vakiteny 2: Mat.28:9-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.28:9. Teny manampy:
– “Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa
nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora” Mat.2:11.
Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary
saotra” Apok.5:12
  • Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-
    madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *