Fiombonam-bavaka Alahady I manaraka ny Paska Herinandro 09-14 Avrily 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady I manaraka ny Paska
Herinandro 09-14 Avrily 2018
“Efa nitsangana tokoa Jesosy”
*

Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Efa nitsangana tokoa Jesosy” dia fanamarinana sy fananterana ny fitsanganany marina ka tokony hanekena sy hinoana izany. Fa ny toetry ny ”Adama ela” no mahatonga ny tsy finoana ny fanambaran’ny tenin’Andriamanitra, dia ny olona mbola voafatotry ny fisainana ara-nofo, ka tsy afaka manaiky afa-tsy izay hitan’ny masony ihany, toa an’i Tomasy izay namaly ny Apostoly namany izay nanambara hoe: ”Efa nahita ny Tompo izahay”, ”Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy mba hino aho” Jao.20:25. Koa izany no nananaran’i Jesosy azy manao hoe: ”Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” Jao.20:29. Fa ”finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana” 2 Kor.5:7, araka ny voasoratra hoe: « ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab.2:3,4). Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy” Heb.10:38-39. Fa ”ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” Heb.11:1. Ary dia mahery indrindra ny asan’ny finoana, satria ankasitrahan’Andriamanitra izy sy hanamarinany ny olona izay manana finoana sy mandeha araka izany, dia toa an’i Abrahama izay voalaza fa ”tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” Rom.4:20-21. Fa ny finoana no anomezantsika voninahitra an’Andriamanitra ka hanomezany voninahitra antsika koa (1 Sam.2:30), ”Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Heb.11:6. Ho azy ireo dia mihatra ny teny nataon’ i Jesosy tamin’i Marta manao hoe: ”Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40. Ny voninahitr’Andriamanitra dia Jesosy ””natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25..

Alatsinainy 09: Efa nitsangana tokoa Jesosy, minoa Azy.
“Efa maty Aho, nefa, indro,velona mandrakizay mandrakizay” Apok.1:18a.
Vakiteny 1: Mar.16:1-8. Vakiteny 2: Apok.1:12-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny: Apok.1:17-18. Teny manampy:
-“Hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra hianareo? Ary nahoana no miahanahana ny fonareo? Izahao ny tanako sy ny tongotro fa
Izaho no Izy: tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao” Lio.24: 38-39.
-“Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny
Soratra Masina; ary niseho tamin’i Kefasy izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny
rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ny ankamaroan’ireny dia mbola velona mandraka ankehitriny, …” 1 Kor.15:3b-6.

Talata 10: Ny vavolombelona dia manambara fa velona ny Tompo.
“Raha izaho kosa, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy” Joba 19:25a.
Vakiteny 1: 1 Kor.15:1-8. Vakiteny 2: Joba 19:25-27. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Joba 19:25. Teny manampy:
– “Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany” Jao.15:27.
– “Fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana
mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay” 1 Jao.1:2.

Alarobia 11: Jesosy velona mandrakizay.
“Fa izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba tratry ny lo” Asa.13:37.
Vakiteny 1: Jao.11:17-26. Vakiteny 2: Asa.13:26-37. Toriteny 1. Toriteny 2: Asa.13:36-37. Teny manampy:
– “Fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy laitr’izany hohazonina Izy”
Asa.2:24.
– “Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita”
Apok.1:18.

Alakamisy 12: Jesosy no fananganana amin’ny maty.
“Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19b.
Vakiteny 1: 1 Kor.15:12-23. Vakiteny 2: Jao.14:15-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:18-19. Teny manampy:
– “ Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay
rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay” Jao.11:25-26.
– “Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna” Mar.5:41.

Zoma 13: Ny mino an’i Jesosy tsy ho faty mandrakizay.
“Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” Jao.11:25b.
Vakiteny 1: Asa.13:26-37. Vakiteny 2: Jao.11:17-26. Toriteny 1. Toriteny 2: Jao.11:25. Teny manampy:
– “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay,
ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” Jao.5:24.
– “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” Apok.2:10b.

Sabotsy 14: Matokia ny fahaveloman’i Jesosy.
“Nahoana no miahanahana ny fonareo?” Lio.24:38b.
Vakiteny 1: Apok.12:7-11. Vakiteny 2: Lio.24:36-43. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.24:36-38. Teny manampy:
– “Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy
noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy” Mar.16:14.
– “Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo
amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao” Asa.3:16.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hi fimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *