Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Paska Herinandro 16-21 Avrily 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady II manaraka ny Paska
Herinandro 16-21 Avrily 2018
“Jesosy no Mpiandry Tsara”
*

Fitarihan-kevitra : Ny hoe ”Jesosy no Mpiandry Tsara” dia mamaritra indrindra ny fahatanterahany amin’ny maha-Mpiandry ondry mahatoky sy mahafatra-po Azy. Ary miaraka amin’izay no anavahana koa ireo mpiandry ondry tsy mahafatrapo. Hoy ny tenin’ny Tompo mananatra azy ireny: ”Ary tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry? Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo. Tsy manatanjaka ny malemy hianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy. Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin’ny bibidia rehetra” Ezek.34:1-5. Jesosy rahateo dia nanao fanoharana sady nanambara ny Aminy manao hoe: ”Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina. Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:7-11. Isika mpanota no ataon’Andriamanitra ho ondriny. Ho antsika no nahafoizan’i Jesosy ny ainy ka nitenenany manao hoe: ”Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota” Mat.9:13. Efa nanolotra ny ainy tokoa Izy ho avotra ho an’ny mpanota rehetra tsy an-kanavaka. Koa raiso ny fanavotany, ary meteza ho hitany sy hovonjeny, fa ”Efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy very” Lio.19:10.

Alatsinainy 16: Jesosy no Mpiandry Tsara.
“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13.
Vakiteny 1: Isa.53:4-7. Vakiteny 2 : Jao.15:9-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:13. Teny manampy:
– “ Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny
rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.”
Sal.40:7-8.
– “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8.

Talata 17: Ny Mpiandry Tsara mamonjy ny ondriny.
« Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry » Jao10 :11.
Vakiteny 1 : Isa.40 :9-11. Vakiteny 2 : Jao.10.11-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.10.11. Teny manampy:
– “Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin’ny saha
niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy. Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na
hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah” Jer.23:3-4.
– “Dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo » Mar.6:34a.

Alarobia 18: Ny Mpiandry Tsara miahy ny ondriny.
« Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy » Ezek.34 :11.
Vakiteny 1 : Jao.21 :15-17. Vakiteny 2 : Ezek.34 :11-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Ezek.34 :11. Teny manampy:
– “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka
mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy” Lio15:4-5.
– “Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny” Sal.100:3.

Alakamisy 19: Ny Mpiandry Tsara miaritra hamonjy ny ondry.
“Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo » 1 Pet.2 :24b.
Vakiteny 1 : Rom.9 :18-26. Vakiteny 2 : 1 Pet.2 :21-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Pet.2 :24. Teny manampy
– “Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala
tamin’ny tanin’ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?” Isa.53:8.
– “Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho
amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy” 1 Pet.3:18.

Zoma 20: Ny Mpiandry Tsara manao fanekem-panavotana ho an’ny ondriny.
“Jesosy Tompontsika, mitondra ny ran’ny fanekena mandrakizay” Heb.13:20b.
Vakiteny 1: Isa.49:8-13. Vakiteny 2: Heb.13:20-21.Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.13:20. Teny manampy :
– « Ny aminao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao no efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano” Zak.9:11
– « Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena vaovao, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka” Mat.26:28.

Sabotsy 21: Aoka hitandrina ny amin’ny mpiandry ondry sandoka.
« Mitandrema fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka. » Mat.7 :15.
Vakiteny 1 : Deo.13 :1-5. Vakiteny 2 : Mat.7 :15-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.7 :15-16a. Teny manampy
– “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao
anatiny dia amboadia mitoha izy” Mat.7:15.
– “Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy zavatra lehibe tsy akory,
raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana” 2 Kor.11:14-15.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hi fimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *