Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Paska Herinandro 23-28 Avrily 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY

Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Paska

Herinandro 23-28 Avrily 2018

“Kristy, fanantenan’ny mino”

*

Fitarihan-kevitra : Vanin’andro mahavery hevitra sy mahavalalanina ny maro ny ankehitriny noho ny ady, korontana, fahasahiranana sy fitsapan-toetra samihafa.  Ny olon’Andriamanitra izay manantena Azy kosa dia afaka miteny manao hoe: ”Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo’” 2 Kor.4:8. Tsy voasakana tsy hanantena an’Andriamanitra tokoa izay mino Azy, fa amin’ny maha-zanaky ny finoana azy dia hanao tahaka an’i Abrahama rainy araka ny voasoratra hoe: ”Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Gen.15:5)” Rom.4:14. Fa noho izany dia hoy indrindra ny mpaminany Habakoka: ”Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,  Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy” Hab.3:17-18 Hoy koa Isaia mpaminany: ”Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka” Isa.40:31. Hoy Jesosy mamehy izany: ”Ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo” Lio.21:26-28. Manantenà ny Tompo fa ”Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare” Isa.59:1. Amin’izany dia hoy Izy: ”Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15. Manantenà ny famonjeny !

Alatsinainy 23: Kristy, fanantenan’ny mino. “Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho” Fit.Jer.3:24.

Vakiteny 1: Mat.1:18-23. Vakiteny 2: Fit.Jer.3:18-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fit.Jer.3:24. Teny manampy:

– “Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra” Sal.73:26.

– “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana Araka ny teninao; Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, Izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao” Lio.2:29-32.

Talata 24: Ny mino mifaly amin’ny fanantenana ny fisehoan’i Jesosy. « Izany no iravoravoanareo…dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy » 1 Pet.1:6,7.

Vakiteny 1: Jao.16:16-22. Vakiteny 2: 1 Pet.1:3-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.1:6-7. Teny manampy:

– “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy”Jao.14:21

-”Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa“ 1 Jao.3:2b.

Alarobia 25: Ny olon’Andriamanitra, olon’ny fanantenana. « Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao » Sal.71:14.

Vakiteny 1: Zak.9:9-12. Vakiteny 2: Sal.71:4-14. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Sal.71:14. Teny manampy:

– “Kristy ao anatinareo, fanantenana ny voninahitra” Kol.1:27

– “Tamin’ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra” Rom.5:2.

Alakamisy 26: Ny fanantenana an’i Kristy mahatonga famonjena. ”Fa ny fanantenana no namonjena antsika” Rom.8:24a,

Vakiteny 1: Mat.11:1-6. Vakiteny 2: Rom.8: 18-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:24. Teny manampy:

– “Ny amin’ny nanoloran’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin’ny hazo fijaliana. Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely”  Lio.24:20-21.

– “Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra hianareo” Kol.3:4.

Zoma 27: Manantenà ny fiverenan’i Jesosy. ”Ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3b.

Vakiteny 1: 2 Tes.2:13-17. Vakiteny 2: Jao.14:1-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:3. Teny manampy:

– “Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” Asa.1:11.

– “Ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” 1 Tes.4:17..

Sabotsy 28: Hazòny ny fanantenana. « Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany » Heb.10:23.

Vakiteny 1: Kol.1:19-23. Vakiteny 2: Heb.10:19-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.10:23. Teny manampy:

–  ”Ry Isiraely ô, manantenà an’i Jehovah hatramin’izao ka ho mandrakizay” Sal.131:3.

– « Ary hiandry an’i Jehovah aho …, ka hanantena Azy ihany aho » Isa.8:17.

– “Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ny faharetana” Rom.8:25.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao  amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara »          © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *