Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Paska Herinandro 14-19 Mey 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Paska
Herinandro 14-19 Mey 2018
“ Andriamanitra manome fo vaovao ”
*

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manome fo vaovao. Satria isika zanak”olombelona dia teraka sy nobeazina tanatin’ny ota. Fa voasoratra hoe: ”Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany” Gen.8:21b. Ary noho izany dia tsy nahalala an’Andriamanitra. Hoy Jesosy ny amin’ny fon’ny olona: ”Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy [gr. blasfemia; izahao Mat.9:3], ny avonavona, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy” Mar.7:21-23. Ny hoe ”Andriamanitra manome fo vaovao” dia midika ho fiterahana indray, na fahateraham-baovao, dia araka ny voalazan’ny epistily nosoratan’i Paoly Apostoly ho an’ny Korintiana manao hoe: ”Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” 2 Kor.5:17. Ny fo vaovao dia lazaina koa ho ny fo voadio, fo afa-pahotana, izay nahatonga ny vavaka fibebahana nataon’i Davida manao hoe: ”Sasao mado aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana” Sal.51:2. Fa hoy Jesosy: ”Sambatra izay madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra” Mat.5:8. Ny fo vaovao dia omen’Andriamanitra ny olona vita batisa. Fa izay vita batisa no mandray ny Fanahy Masina (Asa.2:39), izay niteraka indray ny olona ho tonga zanak’Andriamanitra (Jao.1:12). Ary dia ny Fanahy Masina no manorina ny finoana ho famonjena amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra (Rom.10:17) sy mampitoetra ny tenin’Andriamanitra rahateo ao aminy. Fa hoy ny Tompo: ”Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33. Ary dia hoy ny tononkira: ”Mba homeo ahy fo madio kokoa,… Ka omeo fo mino, Fo mahay manompo, Fo mahay mihafy, Fo miravoravo, Na dia voa mafy, Fo toy ny Anao” Fihirana FFPM 623:1,4.

Alatsinainy 14: Ny fo vaovao, fanomezan’Andriamanitra.
“Homeko fo vaovao hianareo” Ezek.36:26a.
Vakiteny 1: 2 Kor.5:14-17. Vakiteny 2: Ezek.36:25-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.36:26. Teny manampy:
– “Indro, an’i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy. Kanefa ny
razanao no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny
amin’izao anio izao. Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony hianareo” Deo.10:14-16.
– “Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy” 1 Tim.1:
5.

Talata 15: Ny fo vaovao, fo mibebaka.
« Amoròny fo madio aho, Andriamanitra ô » Sal.51:10a.
Vakiteny 1: Lio.15:11-24. Vakiteny 2: Sal.51:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.51:10. Teny manampy:
– “Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah, ka hiara-maminany aminy hianao, dia ho voaova ho olom-baovao”, “Ary raha vao
nihodina niala tamin’i Samoela izy, dia nomen’Andriamanitra fo vaovao” 1 Sam.10 :6,9.
– “ Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin’ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an’ny
malahelo; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. Ary hoy Jesosy taminy:
Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa” Lio.19:8-9.

Alarobia 16: Ny fo vaovao, fo hanjakan’i Kristy.
“Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo” 1 Pet.3:15a.
Vakiteny 1: Jao.14:22-27. Vakiteny 2: 1 Pet.3:15-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.3:15a. Teny manampy:
– “Ary izy nanana rahavavyatao hoe Maria,izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny” Lio.10:39.
– “Ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra
Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo” Jao.14:17.

Alakamisy 17 : Ny fo vaovao, fo matoky an’Andriamanitra.
“Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo” Lio.12:7b.
Vakiteny 1: Isa.26:1-9. Vakiteny 2: Lio.12:4-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.12:6-7. Teny manampy:
– “Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra” Sal.73:26.
– “Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo, Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy” Lio.1:46-47.

Zoma 18: Ny fo vaovao, fo tia ny tenin’Andriamanitra.
”Ato am-poko no iraketako ny teninao” Sal.119:11a.
Vakiteny 1: Jao.14:15-21. Vakiteny 2: Sal.119:9-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny: Sal.119:11. Teny manampy:
– “Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra iray loha no ilaina;
fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy” Lio.10:41-42.
– “Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana” Asa.2:42.

Sabotsy 19: Ny fo voadio no afaka mandray ny Fanahy Masina.
“Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta;…fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao”
Mat.9:17.
Vakiteny 1: Ezek.36:27. Vakiteny 2: Mat.9:14-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:17. Teny manampy:
– “Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika
volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana” Mal.3:4.
– “Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo
famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” Asa.2:38.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *