FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Pentekosta I & II
Herinandro 21-26 Mey 2018
“ Ny Fanahy Masina tonga amintsika ”
*
Fitarihan-kevitra: ”Ny Fanahy Masina tonga amintsika”, fofonain’Andriamanitra nahary izao rehetra izao (Gen.1:1-3), Mpampihavana antsika mpanota amin’Andriamanitra (Rom.8:26), Mpampianatra antsika ny fahamarinana (Jao.16:13), Mpampionona amin’ny fahoriantsika (Jao.14:18), Herin’Andriamanitra atafiny ny mino (Asa.1:8), Fahatanterahan’ny olon’Andriamanitra (1 Tes.5:23). Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianany: ”Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo” Lio.24:49a, dia ny fanomezana ny Fanahy Masina. Inona no fototra iorenan’ny asany? Dia ny fanambarana ny Filazantsaran’ny famonjen’Andriamanitra ao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, dia ny fampahafantatra an’i Jesosy Anarana Tokana izay nomen’ny Ray ho famonjena izao tontolo izao (Asa.4:12). Fa hoy Jesosy tamin’ny mpianany: ”Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” Asa.1:8. Ny amin’izany, dia efa niteny Jesosy nanao hoe: ”Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany” Jao.15:26-27. Zava-dehibe tokoa ny asan’ny vavolombelona: ny iray, dia ny mampahafantatrra izay hitany ary mampita ny teny izay ireny; ka hoy Jaona Apostoly manao hoe: ”Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny Fiainana,…., no ambaranay aminareo” 1 Jao.2-3a. Ny antony faharoa maha zava-dehibe ny vavolombelona, dia ny fanamarinana izay hitany sy izay ambarany. Tsy inona no hitany fa ny voninahitr’i Jesosy, dia ny fiandrianany (2 Pet.1:16), ary ny ambarany dia ny fahatanterahan’ny Filazantsara izay ”herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” Rom.1:16. Fa hoy Jesosy: ”ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo (Deo.19:15)”. Koa ”Raiso ny Fanahy Masina” Jao.20:22, ary ”Aoka hofenoina ny Fanahy” Efes.5:18b.
PENTEKOSTA I Alatsinainy 21: Ny Fanahy Masina tonga amin’ny olona. [Nota: Omaly alahady no nankalazana ny Pentekosta I]
“Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho” Joe.3:1a.
Vakiteny 1: Jao.16:5-15. Vakiteny 2: Joe.3:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Joe.3:1. Teny manampy:
– “Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka
azy” Ezek.36:27.
– “Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny
fahamarinana”, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria
mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo”Jao.14:16-17a.
PENTEKOSTA II. Talata 22: Ny Fanahy Masina manorina ny faneken’Andriamanitra amin’ny olona.
“Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33b.
Vakiteny 1: 2 Kor.3:1-8. Vakiteny 2: Jer.31:31-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:33. Teny manampy:
– “Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia
tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho
mandrakizay, hoy Jehovah” Isa.59:21.
– “Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy” Jao.15:5b.
Alarobia 23: Tanteraka ny teny fikasana.
“Hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina” Asa.2:38b.
Vakiteny 1: Lio.24:36-49. Vakiteny 2: Asa.2:32-41. Toriteny 1 (safidy ). Toriteny 2: Asa.2:38. Teny manampy:
– “Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary
ambinina amin’izay ampandehanako azy” Isa.55:11.
– “Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37.
Alakamisy 24: Ny Fanahy Masina mampiray amin’Andriamanitra.
“Tomoera Amiko ary Izaho aminareo” Jao.15:4a.
Vakiteny 1: 2 Kor.5:16-20. Vakiteny 2: Jao.15:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:4. Teny manampy:
– “Hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo” Jao.14:17b.
– “ Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy” 1 Kor.6:17.
Zoma 25: Ny Fanahy Masina mampiray ao amin’Andriamanitra.
“Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny” 1 Jao.4:13.
Vakiteny 1: Eks.29:38-46. Vakiteny 2: 1 Jao.4:9-15. Toriteny 1 safidy). Toriteny 2: 1 Jao.4:13. Teny manampy:
– “ Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ny vehivavy sy Maria, renin’i Jesosy, ary ny rahalahiny”Asa.1:14.
– “Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika
rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray” 1 Kor.12:13.
Sabotsy 26: Ny Fanahy Masina manorina ny finoana an’Andriamanitra.
“Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy” Jao.12:44.
Vakiteny 1: Asa.10:34-45. Vakiteny 2: Jao.12:44-50. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.12:44-45. Teny manampy:
– “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy
amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy”Jao.15:26.
– “Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia
Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny
Fanahy Masina hianao” Asa.9:17.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet