Fiombonam-bavaka Alahadin’ny Trinite Herinandro 28 Met – 02 Jona 2018 “ Andriamanitra miahy ny mpanota ”

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahadin’ny Trinite
Herinandro 28 Met – 02 Jona 2018
“ Andriamanitra miahy ny mpanota ”
*

Fitarihan-kevitra: Ny votoatin-keivtry ny hoe ”Andriamanitra miahy ny mpanota”, dia Izy mitsinjo ny ainy tsy ho faty, ary ny fanahiny tsy ho very. Fa ny ota no efitra mampisaraka ny mpanota amin’Andriamanitra (Isa.59:2), ary izy manota no mampahatezitra ny tavan”Andriamanitra aminy ka hitsarany azy (Sal.34:16). Tra-pahalemena tanteraka tokoa ny mpanota, ka tsy afaka mandresy ny ota, araka ny voasoratra hoe: ”izay maharesy ny olona dia mahandevo azy” 2 Pet.2:19b. Izany noa nahatonga an’i Paoly hibaboka hanao hoe: ” Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko”, ”Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Rom.7:18-19. Koa ny hoe ”Andriamanitra miahy ny mpanota” dia maneho ny famindram-pony lehibe amintsika, dia Izy manao asam-pavotana maimaimpoana hahavonjy antsika, ”Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8.Koa satria ny ota no efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra, dia hoy ny baiko feno toky omeny: ”Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Fa efa niteny tamin’ny Isiraely olony Izy ka nanao hoe: ”Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany], sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tànan’i Jehovah izy ho valin’ny fahotana rehetra nataony. Isa;40:1-2. Ho amin’izany dia efa tonga tokoa Jesosy hanavotra ny mpanota, ka niteny nanao hoe:”Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat;9:12. Nataony ho sakaizany tokoa ny mpanota hamonjena azy, ka hoy Izy: ”Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13. ”Minoa an’i Jesosy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao” Asa.16:31.
Alatsinainy 28: Andriamanitra miahy ny mpanota.
“Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo” Ezek.18:32a.
Vakiteny 1: Jao.10:1-10. Vakiteny 2: Ezek.18:30-32. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.18:32. Teny manampy:
– “Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio19:10.
– “Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin’ny fotoan’andro hamonjy ny ratsy fanahy” Rom.5:6.
Talata 29: Famindrampo no hamonjen’Andriamanitra ny mpanota.
“Ny famindrampo no namonjena » Tit.3:5b.
Vakiteny 1: Hos.6:1-16. Vakiteny 2: Tit.3:3-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Tit.3:5. Teny manampy:
– “Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho” Sal.23:6.
– “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha” Efes.2:8-9.
Alarobia 30: Andriamanitra miahy ny olona rehetra.
“Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Mat.28:19a.
Vakiteny 1: Isa.40:1-11. Vakiteny 2: Mat.28:16-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.28:19. Teny manampy:
– “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”Jao.3:16.
– “Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa” Rom.1:16.

 

Alakamisy 31: Andriamanitra miahy ny olony amin’ny alalan’ny teniny.
“Fa efa teraka indray hianareo,…tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra” 1 Pet.1:23.
Vakiteny 1: Sal.119:33-40. Vakiteny 2: 1 Pet.1:13-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.1:23. Teny manampy:
– “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao” Sal.119:105.
– “Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy” Efes.5:17;

 

Zoma 01: Andriamanitra miahy ny mpanota ka mivavaka ho azy.
“Raiko ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony” Lio.23:34a.
Vakiteny 1: Rom.8:26-34. Vakiteny 2: Lio.23:26-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.23:34a. Teny manampy:
– “Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” Rom.8:26.
– “ Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona. Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy” Heb.2:17-18.

 

Asabotsy 02: Andriamanitra miahy ny olona ka mitaona azy hibebaka.
“Ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka” Asa.17:30.
Vakiteny 1: Mat.4:12-17. Vakiteny 2: Asa.17:22-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.17:30-31. Teny manampy:
– “ Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ny ratsy’ Joba 36:10.
– “ Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.

 

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *