Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Trinite Herinandro 18-23 Jona 2018 « Ny famindrampo mahagaga »

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady III manaraka ny Trinite
Herinandro 18-23 Jona 2018
« Ny famindrampo mahagaga »
*

Fitarihan-kevitra : Ny hoe ”mahagaga” dia milaza zavatra izay tsy haintsika olombelona, ary tsy takatry ny saintsika ho saintsainina na heverina akory aza. Toetra manondro sy manambara an’Andriamanitra indrindra izany, Izay mampisy ny tsy misy, toy ny nitenenany fahizay manao hoe: ”Misia Mazava, dia nisy ny mazava” Gen.1:3, ary koa manafoana izay misy, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35. Izany ”fahefana mahagaga” izany no ambaran’ny Filazantsara fa ”izay zavatra tsy hain’ny olona, dia hain’Andriamanitra” Lio.18:27, ary ”hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra” Mat.19:26. Fa amin’izany dia hoy ny Tompo amintsika: ”Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo” Isa.55:8-9. Toetr’Andriamanitra tokoa ny manao zavatra mahagaga, dia araka ny anarana izay nanononan’ny Soratra Masina Azy manao hoe: ”Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina [na: mpanolo-tsaina mahagaga], Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana.” Isa.9:5. Araka izany, dia ”fahagagana” avokoa ny asan’Andriamanitra, maro tsy tambo isaina izy ireny, araka ny tenin’ny mpanao Salamo manao hoe: ”Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany” Sal.104:24. Fa ny mahagaga indrindra amin’izany dia ny fahari-pony sy ny famindrampony amintsika mpanota ka tsy hahafoizany antsika ho very fa mba ho voavonjy, amin’ny famelany ny helotsika. Fa amin’izany dia voasoratra hoe: ”mitahiry famindram-po ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana” Eks.34:7. Ny famelan-keloka? ”Avy tamin’i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika” Sal.118:23. Araka izany, ny famindrampn’Andriamanitra dia mitaona antsika hibebaka sy hihavana amn’Andriamanitra. Ho an’izay manaiky izany, dia hoy Jesosy: ”Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2b, ”Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.

Alatsinainy 18: Ny famindram-pon’Andriamanitra mahagaga.
« Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo » Mik.7:18b.
Vakiteny 1 : Sal.103:1-11. Vakiteny 2 : Mik.7:18-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mik.7:18. Teny manampy:
– “Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana” Hos.6:6.
– “Andriamanitry ny famelan-keloka hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy”
Neh.9:17d.

Talata 19 : Ny famindrampon’Andriamanitra mahavelona.
« Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny famindrampo,… dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy » Efes.2:4,5.
Vakiteny 1 : 1 Jao.5:10-12. Vakiteny 2 : Efes.2:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Efes.2:4-5. Teny manampy:
– “Raha tsy nosisan’i Jehovah. Tompon’ny maro, olona vitsivitsy isika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma Ary nitovy tamin’i Gomora”
Isa.1:9.
– “Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy
fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy” Ezek.33:11.

Alarobia 20 : Ny famindrampon’Andriamanitra mamela heloka.
« Matokia, anaka, voavela ny helokao” Mat.9:2b.
Vakiteny 1: Isa.44:21-28. Vakiteny 2: Mat.9:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:1-2. Teny manampy:
– “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa
hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7.
– “Dia hoy Jesosy: Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” Jao.8:11.

Alakamisy 21 : Ny famindrampon’Andriamanitra, asan’ny fitiavany ny mpanota.
“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao” Jer.31:3b.
Vakiteny 1 : Jao.8:1-11. Vakiteny 2 : Jer.31:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jer.31:3. Teny manampy:
– “Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy” Mar.10:21.
– “Ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany” Jao.13:1b.
– “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » Rom.5:8.

Zoma 22 : Ny famindrampon’Andriamanitra mampahery ny olony.
“Ampy ho anao ny fahasoavako, fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena” 2 Kor.12:9a.
Vakiteny 1: Jer.1:4-10. Vakiteny 2: 2 Kor.12:7-10. Toriteny1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.2:9. Teny manampy:
– “Fa hianao kosa, ry Isiraely mpanompoko, sy Jakoba, izay nofidiko, .. hianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany
ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko hianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako” Isa.41:8-9.
– “Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka
ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao” Lio.2:31-32.

Asabotsy 23 : Ny famindrampon’Andriamanitra miantso fibebahana.
« Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? » Rom.2:4b.
Vakiteny 1 : 2 Pet.3:1-10. Vakiteny 2 : Rom.2:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Rom.2:4. Teny manampy:
– “Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17b.
– “Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo
izao hibebaka” Asa.17:30.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazaæntsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *