FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady V manaraka ny Trinite
Herinandro 02-07 Jolay 2018
“Andriamanitra manangona ny olony ”
*
Fitarihan-kevitra : Nahoana no hoe ”Andriamanitra manangona ny olony”, ary tsy izay efa olony ihany fa ny olona rehetra koa? Satria tsy tiany hisy ho very tsy hahalala ny famonjeny izy (Jao.3:16), dia izy tafasaraka mandrakizay amin’Andriamanitra. Ho amin’izany dia efa naniraka ny Zanany Lahitokana tokoa Izy, dia Jesosy Kristy izay nanambara ny tenany manao hoe: ”Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10. Fa zava-dehibe amin’ny fon’Andriamanitra ny fiverenan’ny olony Aminy, dia araka ny fanoharana izay nataon’i Jesosy manao hoe: ”Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” Lio.15:4-6. Nanterin’i Jesosy ity fitiavany ny ondriny ity tamin’ny alalan’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy manao hoe: ”Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika” Jao.17:11b. Inona no adidintsika? Ny iray, dia ny hiverenan’ny olona rehetra amin’Andriamanitra Mpahary azy. Hoy Jesosy: ”Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” Jao.10:16. Ny faharoa dia ny hiverenan’ny olom-boafidin’Andriamanitra amin’ny fitiavany voalohany (Apo:2:4-5), raha hoy ny Tompo ny aminy: ”Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo” Isa.1:2. Ny fahatelo, dia ny hiangonan’ny olon’Andria-manitra mba ho Tena iray ao aminy, eo ambanin’ny fahefan’i Kristy Lohan’ny Fiangonana, ka ho foana ny fitsitokotokoana vokatry ny hambom-po sy ny sitrapo maha-olona (1 Kor.1:10-13). Ary satria manantomotra ny faran’ny zavatra rehetra (1 Pet.4:7), dia mbola maniraka ny mpanompony Izy hamory ny olona ka hiverina sy hihavana amin’Andriamanitra ka hitory hoe: ”Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17.
Alatsinainy 02: Andriamanitra mamerina ny olony.
“Hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy” Jer.16:15b.
Vakiteny 1: Asa.3:12-20. Vakiteny 2: Jer.16:14-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.16:14-15. Teny manampy:
– “Fa hojeren’ny masoko izy mba hanasoavako azy ka hampodiko ho amin’ity tany ity; ary haoriko izy, ka tsy horavako; ary hamboleko izy, fa tsy hongotako” Jer.24:6.
– “Fa nambarako voalohany tamin’izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin’ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ny Jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana” iAsa.26:20.
Talata 03 : Andriamanitra maniraka ny Zanany hamory ny ondriny.
”Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Vakiteny 1 : Isa.49:1-6. Vakiteny 2 : Lio.19:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Lio.19:9-10. Teny manampy:
– “Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo. Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko” Ezek.34:16a.
– “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jao.10:27.
Alarobia 04: Andriamanitra maniraka mpanompo hamory ny olony.
“Mitsangàna, ka mijoroa… hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava” Asa.26:16,18a.
Vakiteny 1: Mat.9:32-38. Vakiteny 2: Asa.26:1-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.26:16-18. Teny manampy:
– “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an’ny zananilahy. Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady” Mat.22:2-3a.
– “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Mat.28:19a.
Alakamisy 05 : Andriamanitra manangana ny fiangonana hamoriany ny olony.
“Hianao no Petera [Petera = Vato], ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy” Mat.16:18a.
Vakiteny 1 : Apok.2:24-29. Vakiteny 2 : Mat.16:13-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.16:19. Teny manampy:
– “Ary izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana” Asa.2:42
– “Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro” Heb.10:25.
Zoma 06: Andriamanitra miala nenina mamory ny olony.
”Ry Jerosalema, ry Jerosalema, … impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao” Lio.13:34.
Vakiteny 1 : Zef.3:18-20. Vakiteny 2 : Lio.13:31-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Lio.13:34-35. Teny manampy:
– “Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany” Mika.4:1.
– “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28.
Asabotsy 07: Andriamanitra miantso ny olona hiverina Aminy.
“Miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho” Isa.44:22b.
Vakiten y1: Lio.15:11-24. Vakiteny 2: Isa.44:13-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.44:22. Teny manampy:
– “Koa miverena ho amin’izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’Isiraely ô” Isa.31:6.
– “Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ny loza” Joe.2:13.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet