Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Trinite Herinandro 09-14 Jolay 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady VI manaraka ny Trinite
Herinandro 09-14 Jolay 2018
“Andriamanitra manamarina ny mpanota”
*

Fitarihan-kevitra ”Andriamanitra manamarina ny mpanota”, fa ny tsy marina tsy mba manana anjara amin’Andriamanitra ary tsy mba handova ny fanjakany na oviana na oviana. Fa hoy ny Tompo:”Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa” Apok.21:6-8. Fa voasoratra hoe:.”Fa ny mason’ny Tompo mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; Fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy – Sal.34:12-16” 1 Pet.3:12. Toetra vadin-koditra amin’ny mpanota tokoa ny tsy fahamarinana, raha hoy ny mpanao Salamo: ”Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory” Sal.36:4. Ary dia nanantitra izany ny Apostoly Paoly manao hoe: ”Efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal.14.1-3)” Rom.3:9b-12. Kanefa Andriamanitra dia Fitiavana (1 Jao.4:16) ka manarona ny fahotana (Oha:10:12) ary tsy sasatry ny mamela heloka (Isa.55:7). Koa ”tao amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” Rom.5:20b. Fa Kristy dia ”natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25. Mbola mitaona ny mpanota handray ny fanavotany Izy, fa ”izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no
nomeny voninahitra koa” Rom.8:30. Efa nomeny hery ireo ho tonga zanak’Andriamanitra mandresy ny ota (1 Jao.3:9) sy ho ”fanaka omemboninahitra” (2 Tim.2:20). Hoy Izy: “Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako” Apok.3:21.

Alatsinainy 09 : Izay manaja an’Andriamanitra no hamarinin’Andriamanitra.
“Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany” Eks.20:3.
Vakiteny 1 : Lio.16: 9-13. Vakiteny 2 : Eks.20:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Eks.20:3. Teny manampy:
– “Fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka” 1 Sam.2:30d.
-“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary
ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna hianareo.[Mamôna = harena]” Mat.6:24.

Talata 10: Ny finoana arahina asa no hanamarinana ny mpanota.
– “Ary mba toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” Jak.2:17.
Vakiteny 1: Heb.11:1-6. Vakiteny 2: Jak.2:8-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jak.2:15-17. Teny manampy:
– “Ny marina amin’ny finoana no ho velona” Rom.1:17b.
– “Aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.

Alarobia 11 : Izay mihazona ny marina no hamarinina.
“Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny” Mat.5:37a.
Vakiteny 1 : 2 Sam.22:21-29. Vakiteny 2 : Mat.5:27-37. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.5:37. Teny manampy:
– “Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. Tamin’ny foko rehetra no –
nitadiavako Anao;…. Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao” Sal.119:11.
– “Ary noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ny farany no
hovonjena” Mat.24:12-13.

Alakamisy 12: Amin’ny finoana no handraisana ny fanamarinan’Andriamanitra.
“Ny marina amin’ny finoana no ho velona” Rom.1:17b.
Vakiteny 1: Sal.119:9-16. Vakiteny 2: Rom.1:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.1:17. Teny manampy:
– “Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny
alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” Rom.5:1.
– “Finoana no nanateran’i Abela ho an’Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina,
satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony: ary amin’izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany”
Heb.11:4.

Zoma 13: Ny famelan-keloka, fanamarinan’Andriamanitra ny mpanota.
”Matokia, anaka; voavela ny helokao” Mat.9:2b.
Vakiteny 1: Lio.1:67-78. Vakiteny 2: Mat.9:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:2. Teny manampy:
– “Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray” Lio.18:14a.
– “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny
tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9.

Sabotsy 14: Andriamanitra manamarina ny mpanota izay tia Azy.
”Voavela ny helony be satria be fitiavana izy” Lio.7:47a.
Vakiteny 1: Sal.91:9-16. Vakiteny 2: Lio.7:36-50. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.7:47. Teny manampy:
– “ Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra” Oha.10:12.
– “Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho
fahatsiarovana azy” Mat.26:13.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *