Fiombonam-bavaka Alahady VIII manaraka ny Trinite
Herinandro 23-28 Jolay 2018
“Ny mpivavaka marina”
*
Fitarihan-kevitra : Tsy vitsy, na tokana, ny hevitry ny hoe ”mpivavaka marina”. Amin’ny teny tsotra, ny mpivavaka marina dia ny olona izay mivavaka amin’ny fo mahitsy sy marina. Dia toy izany koa izay mivavaka amin”ny ”fo madio”, na koa ny ”fo voadio” satria fo mibebaka ka hamarinin’Andria-manitra, tahaka ilay mpamory hetra niteha-tratra nanao hoe: ”Andriamanitra ô, mamindra fo amiko mpanota” Lio.18:13. Ny ”fo marina ” eo imason’Andriamanitra dia ny fon’ny mpanota voavela heloka sady mamela heloka, ka tsy misy elanelana intsony amin’ny fifandraisany Aminy. Hoy Jesosy: ”Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra” Mat.5:8. Koa ny fivavahana amin’ny fo madio dia tsy hisalasalana fa mivantana amin’Andramanitra, ary henoiny tokoa, ka hamarininy sy mahatonga fitahiana ho an’izay manao azy, araka ny teniny manao hoe: ”Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio hianareo ka ho tia an’i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, dia halatsako eo amin’ny taninareo ny ranonorana amin’ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao; ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina hianao ka ho voky” Deo.11:13-15. Toy izany no endriky ny vavaka marina izay nahatonga ny mpianatr’i Jesosy hiangavy Azy manao hoe: ”Tompo ô, mampianara anay hivavaka” Lio.11:1a. Raha zohina araka ny Baiboly, Tenin’ny fahamarinan’Andriamanitra (Jao.17:17) ny atao hoe ”mpivavaka marina”, dia ny olona izay ”tsy misy fitaka na fihatsaram-belatsihy”. Fa izay manao izany dia nanarin’i Jesosy manao hoe: ”Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo” Jao.8:44; ka tsy misy anjara toerana ho azy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fa ”Inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala?” 2 Kor.6:14b-15a. Ara-pilazantsara, ny atao hoe ”mpivavaka marina” dia izay mivavaka amin’ny finoana (Mat.21:22), dia ny fiorenana amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fitokisana Azy. Hoy Jesosy: ”Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” Jao.15:7.
Alatsinainy 23 : Andriamanitra miandany amin’ny mpivavaka marina.
“Momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho” Jer.15:20d.
Vakiteny 1 : Rom.8:31-37. Vakiteny 2 : Jer.15:19-21.Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jer.15:20. Teny manampy:
– “Izao no lazain’i Jehovah: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao” Isa.49:8.
– “Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy – Sal.34:12-16” 1 Pet.3:12.
Talata 24: Ny mpivavaka marina mandresy ny sandoka.
“Anaka, hianareo dia avy amin’Andriamanitra, ary efa naharesy ireny” 1 Jao.4:4a.
Vakiteny 1 : Mat.7:15-21. Vakiteny 2 : 1 Jao.4:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Jao.4:4. Teny manampy:
– “(Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy);fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay…. hanaiky an’i Kristy” 2 Kor.10:4-5.
– “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika”1 Jao.5:4.
Alarobia 25: Ny mpivavaka marina takian’Andriamanitra.
“Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” Jao.4:24
Vakiteny 1: Isa.55:6-7. Vakiteny 2: Jao.4:16-24. Toriteny 1(safidy). Toriteny2: Jao.4:23-24. Teny manampy:
– “Ary hitady Ahy hianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra”Jer.29:13.
– “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat.5:6.
Alakamisy 26: Andriamanitra mananatra ny mpivavaka tsy marina.
“Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy” Mar.7:6.
Vakiteny 1 : Jak.1:19-25. Vakiteny 2 : Mar.7:5-15. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : Mar.7:6-7. Teny manampy:
– “ Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; fa hianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra” Mat.23:13.
– “Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin’ny tany?… Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy” Asa.5:3-5.
Zoma 27: Ny mpivavaka mibebaka no henoin’Andriamanitra.
“Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana” Sal.51:2.
Vakiteny 1: 1 Jao.1:5-10. Vakiteny 2: Sal.51:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Sal.51:2. Teny manampy:
– “Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny” 2 Tan.7:14.
– “Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony” Lio.15:18-19.
Sabotsy 28: Ny mpivavaka amin’ny finoana no valian’Andriamanitra.
“Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao” Mat.8:13.
Vakiteny 1: Rom.4: 13-22. Vakiteny 2: Mat.8: 1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.8:13. Teny manampy:
– “Ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; …, dia havela ny helony” Jak.5:15.
– “Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo” Mat.21:22.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet