Fiombonam-bavaka Alahady IX manaraka ny Trinite Herinandro 30 Jolay – 04 Aogositra 2018

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady IX manaraka ny Trinite
Herinandro 30 Jolay – 04 Aogositra 2018
“ Ny mpino mahatoky”
*

Fitarihan-kevitra : Ny mpino mahatoky dia olona ankasitrahan’Andriamanitra. Olon’ny ”finoana izy” araka ny tenin’ny Tompo manao hoe: « Ny oloko marina* dia ho velon’ny finoana; » Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4)” Heb.10:38. Araka izany, dia mandeha amin’ny finoana tokoa izy, fa tsy amin’ny fahitana (2 Kor.5:7). Izany dia araka ny nitenenan’i Jesosy tamin’i Tomasy manao hoe: ”Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino” Jao.20:29. Ny olon’Andriamanitra dia nataony hiivelona amin’ny finoana, satria antoky ny famonjena azy izany, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ilay vehivavy narary tonga nanendry ny lamba nitafian’i Jesosy manao hoe: ”ny finoanao no namonjyj anao” Mar.5:34. Fanomezana voninahitra an’Andriamanitra ny finoana, ka ankasitrahany sy valiany ny vavaka atao amin’ny finoana : ”Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Heb.11:6. Tsy amin’ny fotoana voafetra, na amin”ny antony manokana ihany no handehanana amin’ny finoana, fa amin’ny androm-piainana manontolo sy amin’ny antony rehetra. Koa ny ”fanekena ny finoana” (Rom.16:26) dia manomboka amin’ny fotoana izay inoana, fa notendren’Andriamanitra kosa mba haharitra ambara-pahatapitry ny fofonain’ny mpino eto an-tany, ka andraisan’ny Tompo azy any amin’ny fanjakanymandrakizay. Hoy Izy: ”Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana” Apok.2:10.

Alatsinainy 30: Mahatoky ka manome voninahitra an’Andriamanitra.
“Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra” 1 Tan.29:13.
Vakiteny 1: Sal.115:1-11. Vakiteny 2: 1 Tan.29:10-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Tan.29:13. Teny manampy:
– “Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady
miresaka ny herinao, Mba hampahafantarina ny zanak’olombelona … sy ny haben’ny voninahitry ny fanjakanao” Sal.145:10-12.
– “Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ny loholona sy ny zava-manan’aina efatra, dia
niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy
ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery … anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amena” Apok.7:11-12.

Talata 31 : Mahatoky amin’ny fiahiana ny namana.
“Fa hianareo, ry rahalahy, aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” 2 Tes.3:13.
Vakiteny 1 : Lio.12:35-44. Vakiteny 2 : 2 Tes.3:13-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 2 Tes.3:13. Teny manampy:
– “Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva
amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; araka ny voasoratra hoe: Namafy izy, eny, nanome ho an’ny malahelo;
Ny fahamarinany maharitra mandrakizay (Sal.112.9)” 2 Kor.9:8
– “Ary izy namaly ka nanao hoe: Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao
rehetra ary ny sainao rehetra (Deo.6:5); ary, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev.19:18). Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny
navalinao; ataovy izany, dia ho velona hianao” Lio.10:27-28.

Alarobia 01: Mahatoky amin’ny fanompoana.
“Ary izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be” Lio.16:10a.
Vakiteny 1: Heb.3:1-6. Vakiteny 2: Lio.16:10-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.16:10. Teny manampy:
– “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina
amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany” Mat.24:45-46.
– “ Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria
fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” 1 Kor.15:58.

Alakamisy 02: Mahatoky amin’izay inoany.
“Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna hianareo” Lio.16:13b.
Vakiteny 1: Jos.24:11-15. Vakiteny 2: Lio.16:13-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.16:13b. Teny manampy:
– “Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay. Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha
hahafoy an’i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa” Jos.24:15b-16.
– “Voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao” Mat.4:10.

Zoma 03: Mahatoky ka mihazona ny finoana.
“Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” Mat.24:13. .
Vakiteny 1: Apok.12:1-11. Vakiteny 2: Mat.24:1-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.24:12-13. Teny manampy:
– “Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny
fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho” 2 Tim.4:6-7.
– “Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo raha hahazoanareo izay
lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra” Heb.10:35-36.

Sabotsy 04: Izay mahatoky no omen’Andriamanitra voninahitra.
“Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko ny satroboninahitra fiainana” Apok.2:10b.
Vakiteny 1: 2 Tim.4:1-8. Vakiteny 2: Apok.2:8-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.2:10. Teny manampy:
– “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be” Mat.25:21a.
– “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry. Ary noho izany dia
mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny”Apok.7:14b-15a.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *