FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady XI manaraka ny Trinite
Herinandro 13-18 Aogositra 2018
“Andriamanitra tia fahamarinana”
*
Fitarihan-kevitra : Andriamanitra tia fahamarinana ary tsy misy fitaka ao Aminy, eny, ”Andriamanitra tsy mandainga” Tit.1:2. Fa voasoratra hoe: ”Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19. Tsy tia lainga tokoa Izy ka dia hoy ny mpanao Salamo:”Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany* Sal.11:7, fa ”Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. Ny tavan’i Jehovah tezitra amin’ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy” Sal.34:15-16. Tian’Andriamanitra koa isika olony hitovy toetra aminy, dia ny olona izay noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:10) ka nitenenany manao hoe: “Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko” Isa.43:10, dia olona marina, ka tsy mamitaka ary tsy tia fitaka tahaka Azy, izay didiany hoe: ”Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy” Mat.5:37. Hoy Jesosy raha nananatra ireo Jiosy nanamarinan-tena ho ”taranak’i Abrahama”, manao hoe: ”Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga.]” Jao.8:47. Ary amin’izany dia hoy Izy: ”Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat 5:6. Ny fahamarinantsika? Dia ny mino an’i Jesosy avotra noho ny fahotantsika, fa ”natao ho isan’ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady manao fifonana ho an’ny mpanota” Isa.53:12b. Hoy ny Apostoly Jaona : “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” 3 Jao.4. Fa ”ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay” Isa.32:17b.
Alatsinainy 13 : Andriamanitra mankasitraka ny manao ny marina.
“Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah” 2 Sam.22:21a.
Vakiteny 1: Mat.25:34-46. Vakiteny 2: 2 Sam.22:21-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 2 Sam.22:20-21. Teny fanampy:
– “Ary izao no tantaran’i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa” Gen.6:9.
– “Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny [ampio hoe: “na vady”], na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay” Mat.19:29.
Talata 14: Andriamanitra manamarina ny mpanota mibebaka.
“Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9.
Vakiteny 1: Lio.19:1-10. Vakiteny 2: 1 Jao.1: 8; 2:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 1 Jao.1:9. Teny fanampy:
– “Ary amin’izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy” Lio.7:47a.
– “Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra dorana tsy mahafaly Anao. Ny fanatitra ho an’Andria-manitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:16-17.
Alarobia 15: Jesosy mananatra ny fanao tsy marina.
“Izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao” Mat.23:3.
Vakiteny 1: Asa.5:1-11. Vakiteny 2: Mat.23:1-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mat.23:1-3. Teny fanampy:
– “Raha hianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?” Gal.2:14.
– “Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga” Apok.22:14-15.
Alakamisy 16: Ny mpino vavolombelon’ny fahamarinana.
“Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amikohatramin’ny voalohany” Jao.15:27.
Vakiteny 1: Isa.43 :1-13. Vakiteny 2: Jao.15:17-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.15:26-27. Teny fanampy:
– “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra” Asa.2:32.
– “Fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay” 1 Jao.1:2.
Zoma 17: Ny fitahiana azon’ny marina.
“Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy” Sal.92:12.
Vakiteny 1: Deo.28:1-14. Vakiteny 2: Sal.92:12-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Sal.92:12. Teny fanampy:
– “Iza no lehilahy matahotra an’i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. Ny fanahiny hitoetra amin’ny soa; ary ny taranany handova ny tany” Sal.25:12-13.
– “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina” Jao.7:38.
Sabotsy 18: Jesosy no fahamarinana.
“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6.
Vakiteny 1: Rom.4:16-25. Vakiteny 2: Jao.14:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jao.14:5-6. Teny fanampy:
– “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an’i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ny tany. …. ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika” Jer.23:5-6.
– “Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal.118:22). Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena” Asa.4:11-12.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet