”Andriamanitra manamarina ny mpanota” mba tsy hahavery azy, satria ny tsy marina tsy mba manana anjara amin’Andriamanitra ary tsy mba handova ny fanjakany na oviana na oviana. Fa hoy ny Tompo:”Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa” Apok.21:6-8. Fa voasoratra hoe:.”Fa ny mason’ny Tompo mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany; Fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy – Sal.34:12-16” 1 Pet.3:12.
Toetra vadin-koditra amin’ny mpanota tokoa ny tsy fahamarinana, raha hoy ny mpanao Salamo: ”Faharatsiana no saintsaininy eo am-pandriany; mitsangana eo amin’ny lalana tsy mety izy; ny ratsy tsy mba laviny akory” Sal.36:4. Ary dia nanantitra izany ny Apostoly Paoly manao hoe: ”Efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa; araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza; Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an’Andriamanitra. Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal.14.1-3)” Rom.3:9b-12.
Kanefa Andriamanitra dia Fitiavana (1 Jao.4:16) ka manarona ny fahotana rehetra (Oha:10:12) ary tsy sasatry ny mamela heloka (Isa.55:7). Koa ”tao amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra” Rom.5:20b. Fa Kristy dia ”natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25. Mbola mitaona ny mpanota handray ny fanavotany Izy, fa ”izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” Rom.8:30. Efa nomeny hery ireo ho tonga zanak’Andriamanitra mandresy ny ota (1 Jao.3:9) sy ho ”fanaka omem-boninahitra” (2 Tim.2:20).
Hoy Izy: “Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako” Apok.3:21.
© D.Bruno Rabarihoela, HiFI- GESC
Miarahaba anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy.
Marina ny voalazanao saingy mila ampiana kely. Manamarina ny mpanota Andriamanitra fa mila mibebaka aloha ilay olona nanota, dia avy eo atao batisa, ary tsy maintsy mandray an’i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany izy izay vao hamarinin’Andriamanitra. Izany hoe : nohon’ny fandraisany an’i Jesosy kristy ho ao anatiny no hanamarinan’Andriamanitra ilay mpanota. Tahaka ilay jiolahy be teo anilan’i Jesosy teo ambony hazo fijaliana, vao nino fotsiny izy fa i Jesosy no ilay zanak’Andriamanitra dia efa noraisin’i Jesosy ny fangatahany hoe : « mba tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny seza fiandriananao ianao », teo dia efa novalian’i Jesosy ny fangatahany ka hoy Izy : « Anio no hihaonanao amiko any am-paradisa ». Koa iny sehon-javatra teo kalvary iny izany no tokony hosainin’ny olon-drehetra mihitsy hoe : mila mino an’i Jesosy Kristy ny olona iray raha te ho voavonjy.
Samy ho tahian’i Jesosy daholo isika rehetra !
Miarahaba tompoko.
Misaotra indrindra tompoko amin’ny fampianarana masina izay zarainao fa ilaina tokoa ny manana fampianarana izay mampiorina amin’ny tenin’Andriamanitra ary manambara ny hafatr’Andriamanitra amin’ny olony.
Ho tahian’i Jesosy Kristy Tompotsika hatrany tompoko.