Fiombonam-bavaka Alahady XVII manaraka ny Trinite Herinandro 24-29 Septambra 2018 “Andriamanitra manafaka”

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY
Fiombonam-bavaka Alahady XVII manaraka ny Trinite
Herinandro 24-29 Septambra 2018
“Andriamanitra manafaka”
*

Fitarihan-kevitra: Maro ny zioga mety mamatotra antsika olombelona. Ao ny fiainam-panahy tsy lavorary (ohatra, ny fo tsy mahalala mibebaka, ny mitebiteby lava tsy mety mino), ny toe-po (mankahala sy mialona ny namana, tia mamaly ratsy ny ratsy), ny fahazaran-dratsy (mandainga sy mangalatra, manompo fieremana, tia fisotroana zava-mahery sy ny fifohana zava-dratsy), ny fanaranam-po (fandaniam-bola amin’ny sitrapo tsy mahasoa), sns.. Eo rahateo.ny fanagejana sy tsindry hazo lena ary famoretana sy fampihorohoroana mety mianjady amintsika. Fa ny fototr’izany rehetra izany dia ny fiasan’ny ota, dia ny tsy finoana an’Andriamanitra sy ny fandavana ny sitrapony. Mora resin’ny ota tokoa isika raha ny maha olona fotsiny, ka ”izay maharesy ny olona no mahandevo azy” hoy Petera Apostoly (2 Pet.2:19), dia ny ota mampanompo ny olona, ary tsy hainy toerina akory aza. Hoy indrindra ny Apostoly Paoly manambara ny amin’izany: ”Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko” Rom.7:19-20, ”Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity?” Rom.7:24. Isaorana Andriamanitra Izay manome fahafahana tolobotsotra antsika. Tanteraka izany ao amin’i Jesosy Kristy Zanany, fa: ”Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36. Ny fototry ny fahafahana omeny dia ny fahamarinan’Andriamanitra, fa hoy Jesosy : ”Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” Jao.8:32. Fahafahana feno no omeny, raha hoy Izy: ”Indro, havoiko ny zavatra rehetra” Apok.21:5a. Fa amin’izany, dia ”Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny Filazantsara » Mat.11:5b. Koa “raha misy olona ao amn’i Kristy, dia olom-baovao izy” 2 Kor.5:17ª.
Alatsinainy 24: Andriamanitra manafaka ny malahelo.
“Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka” 1 Sam.2:8a.
Vakiteny 1 : Lio.15:1-7. Vakiteny 2 : 1 Sam.2:1-10. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2 : 1 Sam.2:8. Teny manampy:
– “Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina” Mat.5:4.
– “Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho” Lio.1:48.

Talata 25 : Andriamanitra tia manafaka ny olona.
“Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” Gal.5:1a.
Vakiteny 1 : Isa.61:1-3. Vakiteny 2 : Gal.5:1-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Gal.5:1. Teny manampy:
– “Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ny Kaldeana; torio amin’ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony” Isa.48:20.
– “Koa mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo” 2 Kor.6:17.

Alarobia 26: Tian’Andriamanitra ny olona ho afaka handova ny fanjakany.
“Raha tsy miova hianareo…, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo” Mat.18:3.
Vakiteny 1: Efes.4:17-24. Vakiteny 2: Mat.18:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.18:3. Teny manampy:
– “Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34.
– “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay” 2 Tim.4:7-8.

Alakamisy 27: Ao amin’Andriamanitra no itoeran’ny fahafahan’ny olony.
“Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala” Efes.5:1.
Vakiteny 1: Mat.5:42-48. Vakiteny 2: Efes.5:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.5:1. Teny manampy
– “Tomoera amin’ny fitiavako hianareo” Jao.15:9.
– “Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20.

Zoma 28 :
Fahafahana feno no omen’Andriamanitra.
“Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36.
Vakiteny 1: Apok.7:13-17. Vakiteny 2: Jao.8:31-38. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.8:36. Teny manampy:
– “Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, … Dia famonjena antsika amin’ny fahavalontsika, sy amin’ny tànan’izay rehetra mankahala antsika” Lio.1:68-71.
– Hoy Izy: “Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny Filazantsara » Mat.11:5b.

Asabotsy 29 : Tandrovy ny fahafahana efa nomen’Andriamanitra.
”Tandremo ny tenanareo” Fil.3:2.
Vakiteny 1 : Heb.10:26-31. Vakiteny 2 : Fil.3:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Fil.3:2. Teny manampy:
– “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” Gal.5:8.
– “Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: « Ny amboa miverina indray amin’ny loany » (Oha. 26. 11), ary: « Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray » 2 Pet.2:21-22.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *