Alahady II manaraka ny Epifania 14-19 Janoary 2019 “Ny Mesia Mpaminanin’i Jehovah”

HIRA & FILAZANTSARA
Alahady II manaraka ny Epifania 14-19 Janoary 2019
“Ny Mesia Mpaminanin’i Jehovah”
*

Fitarihan-kevitra: Ny Mesia Mpaminanin’i Jehovah dia notendren’’Andriamanitra sy nirahiny hitondra sy hanambara ny hafatry ny
famonjeny izao tontolo izao, dia araka ny fanambaran’ny Filazantsara manao hoe: ”Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo
izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. Nomeny tokoa
izany hafatra izany mba hamelona izay rehetra maty mbola mitoetra ao amin’ny ota sy ny tsy fahalalana an’Andriamanitra, dia hafatra
fampihavanana amin’Andriamanitra Velona. Koa mihavàna amin’Andriamanitra ary minoa an’i Jesosy dia hovonjena hianao!

Alatsinainy 14: Ny Mesia Mpaminany maneho ny voninahitr’Andriamanitra.
“Izany no nataon’i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny” Jao.2:11.
Vakiteny 1: 1 Mpanj.18:36-40. Vakiteny 2: Jao.2:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.2:8-11.
Fitarihan-kevitra: Mazava ny fanambaran’ny mpaminany Isaia momba ny Mesia manao hoe: ” Ny Fanahin’i Jehovah
Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra….. Hanolotra ho
an’ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy hamama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana,
ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka, mba hanaovana Azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’i
Jehovah ho fampisehoam-boninahitra” Isa.61:1-3. Ny voninahitr’Andriamanitra? Ny mamonjy ny mpanota!

Talata 15: Ny Mesia mpaminany, Iraka mahatoky.
”Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray” Jao.5:19a.
Vakiteny 1: Rom.15:14-22. Vakiteny 2: Jao.5:19-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.5:19
Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Ny Mesia Mpaminany, Iraka Mahatoky” dia satria Iraka Voahosotr’Andriamanitra Izy ka tsy
misy fitaka na fivadibadihana ao Aminy, dia Iraka mendrika ny hitokisana tokoa. Ary dia noho izany no nanambaran’ny
Ray ny Aminy manao hoe: ”Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5. Fanambarana mandoaka ny
lanitra izany ary tsy voasakan’ny rahona, izay tian’ny Tompo koa hipaka sy ho tafiditra ao am-pontsika izany mba
hampiorina ny finoantsika, dia Kristy velona ato anatintsika ho fiainana mandrakizay.

Alarobia 16: Ny mpaminanin’Andriamanitra miteny ny tenin’Andriamanitra.
”Mpaminany no hatsangako ho azy … ka hataoko ao am-bavany ny teniko” Deo.18:18.
Vakiteny 1: Jao.3:28-36. Vakiteny 2: Deo.18:15-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Deo.18:18.
Fitarihan-kevitra: Satria ny Fanahin’i Jehovah no mitoetra sy miasa ao amin’izay nohosorany sy nirahiny, dia hoy Jesosy:
”Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko Ary fantatro fa
fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray tamiko” Jao.12:49-50. Dia
manaraka izany koa izay rehetra nirahin’ny Tompo araka ny baiko nomen’i Petera Apostoly ny mino teo amin’ny
fiangonana manao hoe:”Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra” 1 Pet.4:11.

Alakamisy 17: Ny faminaniana marina.
”Raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana” Rom.12:6b.
Vakiteny 1: 1 Jao.3:16-20. Vakiteny 2: Rom.12:6-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.12:6.
Fitarihan-kevitra: Ny fanambarana ny tenin’Andriamanitra dia tsy misaraka amin’ny asa sy ny famantarana izay momba
azy (Mar.16:17). Koa ny mpaminany na mpitory ny tenin’Andriamanitra dia ”mahery amin’ny teny sy mahery amin’ny
asa”. Hoy Jakoba Apostoly: ”Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa”
Jak.2:26. Manantitra izany Jaona Apostoly ka manao hoe: “Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa
amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.

Zoma 18: Minoa ny Mesia Mpaminany.
”Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36
Vakiteny 1: 2 Tan.20:13-21. Vakiteny 2: Jao.3:31-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.3:35-36
Fitarihan-kevitra: Hoy ny fanambaran’ny Soratra Masina: “Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na
zanak’olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?” Nom.23:19.
Andriamanitra izay nanendry ny Mesia Mpaminaniny no miantoka ny aminy ka manao hoe: ”Indro, efa nataoko ao ambavanao
ny teniko” Jer.1:9a. Ary amin’izany “Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary
ambinina amin’izay ampandehanako azy” Isa.55:11. Minoa ny tenin’ny Mesia Zanaka dia ho velona hianao!

Asabotsy 19: Andriamanitra momba ny mpaminaniny.
”Ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy” Ezek.2:5.
Vakiteny 1: Mat.23:29-39. Vakiteny 2: Ezek.2:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.2:4-5.
Fitarihan-kevitra:Ny hoe ”Andriamanitra momba ny mpaminaniny” dia Izy manamarina ny teny izay ampitondrainy sy
ampilazainy azy. Miray antoka tanteraka amin’ny mpaminany izay irahiny ny Tompo ka manamarina izay lazainy ary
miaro azy amin’ny fanakianana sy fanoherana mety ataon’ny tsy mino. Firaisana antoka ataon’Andriamanitra amin’ny
olom-boahosony izany mba hahatanteraka izay voalazan’ny Soratra Masina manao hoe ”Mba hohamarinina amin’ny
teninao Hianao, ary hahery rehefa manana ady- Sal.51:4” Rom.3:4.

Nota: Ity perikopa ity dia azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org.
© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *