ATSANGANO NY FIRENENA

 

Tsy misy fananganana raha tsy misy fanasitranana. Tsy afaka mitsangana ny firenena, tsy afaka mijoro, tsy afaka mandeha, raha tsy efa sitrana izy aloha. Fa maro ny aretiny, be ny ratrany, ary mbola mandindona azy ny aloky ny fahafatesana.

Mazava ny baiko omen’ny Tompo: “Sitrano ny marary, Atsangano ny maty” Mat.10:8.

Ilain’ny firenena ny lalana ho vita soa mba hifamezivezeny, ny vahoaka mba hampifalifaly azy, ny kibo noana mba omena sombin-kanina hampitony hanohanana (eritreritra ?) azy, sns. Fa ny voalohany dia: Atsangano ny fanahin’ny firenena, fa «ny Fanahy no mahavelona» ary ny fanahy no maha-olona.

Omeo toeram-pahamehana ny zo aman-kasin’ny olom-pirenena sy ny vahoaka eo aminy. Omeo azy ny sakafon’ny fahamarinana hamelona ny fitokisany sy ny fanantenany, ary hanandratra ny firenena. Omeo azy indrindra Andriamanitry ny fiadanana, Mpahary sady Tompon’ny aina mba hamelona azy. Fa hoy Izy: « Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo » Jao.14:19.

Hoy ny teniny: “Mitsangàna, betao ny entanao, ka mandehana” Mar.2:9.

© DRB – HiFi -GESC

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *