Alahady IX alohan’ny Paska 18-23 Fevrie 2019 “Andriamanitra maniraka ny olony”

HIRA SY FILAZANTSARA

Alahady IX alohan’ny Paska 18-23 Fevrie 2019

“Andriamanitra maniraka ny olony

*

Fitarihan-kevitra: ”Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16, ary satria fitiavana Izy, dia tia ny olona rehetra ho vonjena. Hoy ny teniny; ”Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy” Ezek.33:11. Fibebahana no hevitr’izany, dia fiverenena amin’Andriamanitra sy fihavanana Aminy. Fa hoy Jesosy:  ”Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry” Jao.10:16. Ho amin’izany, dia maniraka ny olony izay efa nandray ny famonjeny Izy mba hizara izany, ka mibaiko manao hoe: ”Efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana” Mat.10:8,  ”koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Mat.28:19. Adidin’ny mpino tsirairay ny mizara ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy izay andraisan’ny olona ny famonjena amin’ny finoana (Rom.1:16). Fa voasoratra hoe: ”Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena (Joe.3.5). Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? araka ny voasoratra hoe: Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly! – Isa.52: 7”. Hoy ny Tompo: ”Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Isa.6:8a.

 

Alatsinainy 18: Andriamanitra maniraka.

Handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao” Jer.1:7b.

Vakiteny 1 : Mat.10:16-20. Vakiteny 2 : Jer.1:4-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Jer.1:7. Teny manampy:

“Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra” Mat.9:38.

“Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona” Jao.15:16.

 

Talata 19: Jesosy no Tompo mibaiko ny iraka.

“Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho?” Mat.20:15.

Vakiteny 1:  Jao.15:9-18.  Vakiteny 2: Mat.20:1-16 . Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.20:1-16. Teny manampy:

“Ary nataon’i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian’i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason’i Farao sy teo imason’ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily” Eks.7:20.

“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy” Jao.13:16.

 

Alarobia 20: Ny iraka velomin’ny tenin’Andriamanitra.

“Fa ireo teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ny faharetana” Lio.4:15.

Vakiteny 1:  Apok.22:12-21. Vakiteny 2: Lio.8:4-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.4:15. Teny manampy:

“Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao” Sal.119:11.

“Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko” Jer.1:8-9.

Alakamisy 21: Ny iraka mahatoky.

 “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra” 2 Tim.2:15a.

Vakiteny 1: Jer.26:4-15. Vakiteny 2: 2 Tim.2:11-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Tim.2:15. Teny manampy:

“Ary ireo telo lahy mahery namaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina ka nanovo rano tamin’ny fantsakana tao Betlehema, izay teo anilan’ny vavahady, dia nentiny ho any amin’i Davida.” 1 Mpan.23:16.

“Misaotra an’i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana” 1 Tim.1:12.

 Zoma 22 Ny iraka manao asa matotra.

“Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa” 1 Kor.9:26a.

Vakiteny 1:  Mat.25:14-23. Vakiteny 2: 1 Kor.9:24-10:5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.9:26.  Teny manampy:

“Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy” Efes.2:10.

“Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany. Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan’Andriamanitro” Apok.3:1-3.

 Sabotsy 23: Andriamanitra miantoka ny iraka irahiny.

Indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20b.

Vakiteny 1: Asa.18:1-11. Vakiteny 2: Mat.28:16-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.28:19-20..  Teny manampy:

“Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho” Jos.1:5.

“Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?…Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy” Rom.8:31,33.

 

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook Hira sy Filazantsara”.

   © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *