HIRA SY FILAZANTSARA
Alahady VII alohan’ny Paska 04-09 Marsa 2019
“Andriamanitra mamonjy”
*
Fitarihan-kevitra: Ny dikan’ny hoe ”Andriamanitra mamonjy” dia Izy manafaka amin’izay mety ho fahaterena sy famiravirana ny aina, dia
izay mety mahatonga fahavoazana sy fahafatesana. Fomba maro samihafa no mety isehoan’izany: aretina, loza, fahasimbana,
faharatrana, fahasahiranana ara-pivelomana, fampihorohoroana ataon’ny fahavalo sy ny tsy tia. Tsy voafetra ny fiaintraikan’ny zavamanjo
ny olona, fa mety mahakasika ny lafim-piainan’ny tsirairay, ny tokantrano, ny ankohonana, ny fiaraha-monina, ny firenena, ny
fifandraisana ara-pirenena. Kanefa koa tsy voafetra ny famonjen’Andriamanitra; fa nirahiny ny Zanany Lahitokana hitondra famonjena,
ary famonjena feno ho an’izao tontolo izao. Fa hoy Jesosy: ”Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo”
Jao.8:37, izay azo adika hoe: ”Raha ny Zanaka no hamonjy anareo, dia ho voavonjy tokoa hianareo”. Nataon’Andriamanitra ho an’ny
olona rehetra tokoa ny famonjena, satria tsy tiany hisy ho very na dia ray aza (Ezek.33:11a); saingy ny fahatanterahan’izany kosa dia
miankina amin’ny safidin’ny olona sy ny finoany. Fa voasoratra hoe: ”Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny
Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. Toky no omen’ny
tenin’Andriamanitra manao hoe: ”Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy – Isa. 28.16” Rom.10:11, ”Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny
Tompo no hovonjena – Joe.3.5” Rom.10:13. Koa ”Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” Isa.55:6. Fa Izy mihitsy aza no miantso sy
mitaona manao hoe: ”Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15.
Alatsinainy 04: Andriamanitra manome tokim-pamonjena ny olony.
“Lazao amin’izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo » Isa.35:4.
Vakiteny 1: Heb.12:1-6. Vakiteny 2: Isa.35:3-7. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Isa.35:4.
Fitarihan-kevitra: Maro ny adin’ny olona izay ilany famonjena, indrindra noho ny ota izay mampahory sy mampahantra
azy. Saingy izay tsy hain’ny olona dia hain’Andriamanitra (Mar.10:27). Tonga Jesosy manome tokim-pamonjena ka manao
hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33b.
Talata 05: Andriamanitra tia mamonjy ny olona.
“Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy” Sal.46:1b.
Vakiteny 1: Mar.10:46-52. Vakiteny 2: Sal.46:1-7. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Sal.46:1-3.
Fitarihan-kevitra: Ny planina izay imasoan’Andriamanitra dia ny hamonjy ny olona izay nohariany hanana ny voninahiny
(Gen.1:26) sy izao tontolo izao izay taratry ny fahatsarany (Gen.1:31). Koa dia nampahafantariny fa tsy lavitra izay mitady
Azy Izy ary tsy manentsin-tadìny amin’ny fitarainany. Hoy Izy: “Antsoy Aho, dia hovaliako hianao” Jer.33:3.
Alarobia 06: Jesosy Kristy maty hamonjy ny mpanota.
« Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina » 1 Pet.3:18a.
Vakiteny 1: Jao.10:7-16. Vakiteny 2: 1 Pet.3:18-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.3:18.
Fitarihan-kevitra: Fahoriana ny fisarahana amin’Andriamanitra, dia fahaverezana. Fa hoy ny Tompo: ”Ny helokareo no
efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy
mihaino Izy” Isa.59:2. Tonga kosa Jesosy hamonjy antsika, fa ”Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika
ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:2.
Alakamisy 07: Jesosy Kristy, vavahadin’ny famonjena.
“Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako » Mat.3:17.
Vakiteny 1: Gen.28:10-17. Vakiteny 2: Mat.3:13-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.3:17.
Fitarihan-kevitra: Foana tsy misy intsony ny efitra mampisaraka antsika olombelona amin’Andriamanitra noho ny
fanavotana vitan’i Jesosy, ary dia tanteraka indray ny fihavanantsika amin’Andriamanitra Mpahary antsika. Kristy
amintsika: lanitra misokatra mandrakizay. Hoy Jesosy: ”Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy misy
mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6.
Zoma 08: Azo antoka ny famonjen’Andriamanitra.
“Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy” Heb.7:25a.
Vakiteny 1: Jao.14:1-7. Vakiteny 2: Heb.7:23-28. Toriteny 1(sfidy). Toriteny 2: Heb.7:24-25.
Fitarihan-kevitra: Ny ”Mesia” [arameana], na ”Kristy” [grika] dia Ilay voahosotr’Andriamanitra hitondra famonjena.
Manondro an’i Jesosy indrindra izany. Mahatoky ny famonjena entiny. Fa voasoratra hoe: “Ary ny Anarany ataonao hoe
Jesosy, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” Mat.1:21. Fa Izy no “Mpisoronabe mamindra fo sy
mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona” Heb.2:17.
Asabotsy 09: Antsoy Jesosy, famonjena anao.
”Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” Rom.10:13.
Vakiteny 1: Mat.20:29-34. Vakiteny 2: Rom.10:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.10:13.
Fitarihan-kevitra: Voasoratra hoe: ”Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota” Jao.9:31a, kanefa dia toky lehibe kosa no
omen’i Jesosy antsika dia ny hahazoantsika miantso Azy ka mandray ny famonjeny. Fa malemy fanahy sady tsy miavona
am-po Izy ka manao hoe: ”Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no
hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28. Ny fitsaharana dia fiadanana izay vokatry ny famonjena, dia isika voavela heloka
ka vita fihavanana indray amin’Andriamanitra Raintsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, Mpamonjy antsika.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site
www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. © Madanet