Alahady IV alohan’ny Paska 25-30 Marsa 2019 “Andriamanitra manafaka ny olona”

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady IV alohan’ny Paska 25-30 Marsa 2019
“Andriamanitra manafaka ny olona”

 

Fitarihan-kevitra: Maro samihafa ny zavatra mamatotra ny olona: ny fahazarany, ny sitrapony, ny fahatokian-tenany, ny fanamarinan-tenany, ny fitiavan-tenany, ny fahadisoany. Eo koa ny fankahalana olona, ny avonavon-kevitra, ny fireharehana, ny voso-dratsy, ny fialonana, ny maso ratsy, ny filana ady sy ny toy izany, izay toetra mampahory azy sady mety manafintohina ny namana. Ambonin’izany ny tebiteby tsy
mitsahatra, ny ahiahim-piainana, ny fangidiana, ny kizitin-dava, ny fahasorenana, ny fisalasalana, ny fahosana, ny tsy finoana. Izany rehetra
izany, raha akapoka, dia samy asan’ny ota izay toetra na natiora nolovana tamin’ny razamben’ny olombelona, dia Adama sy Eva. Isan’ny
kofehy lehibe mamatotra ny olona ankehitriny dia ny fieremana, dia ny fitiavan-karena sy ny fandohalehana amin’ny vola, ary tena
mampanompo ny olona tratr’izany, fa ”izay maharesy ny olona no mahandevo azy” 2 Pet.2:19b, ka mampanao azy zava-pady sy
mamohehatra aza, ”fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” 1 Tim.6:10. Tsy misaraka amin’izany koa, fa manampy trotraka indrindra,
raha azony atao, ny fanangolen’ny devoly, fanahin’ny fahamaizinana sy ny faharatsiana rehetra, izay miezaka ny hambabo ny olona amin’ny
fakam-panahy sy ny famitahana, ka mamatotra azy amin’ny lainga, mba hahatonga azy ho tia lainga sy mpandainga tahaka azy, araka ny
tenin’i Jesosy manao hoe: ”Hianareo manao ny asan’ny rainareo” Jao.8:41. Ambonin’zany, dia fatorany koa ny olona amin’ny fanamelohana
azy, fa ”ny devoly dia mpiampanga ary mpamono olona hatramin’ny voalohany” (Jao.8:44/ Apok.12:10). Ary ny tondroina farany amin’ny
asa ratsiny dia ny fampihorohoroana ny olona amin’ny tahotra ny fahafatesana (Heb.2:16). Amin’izany rehetra izany, dia tonga Jesosy
Mpanafaka ny olona manome toky manao hoe:”Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36. Fa hoy ny
tononkira: ”Maro ny aretinay, nefa samy afakao” Fihirana FFPM 469. Isaorana anie ny Anarany Masina !

Alatsinainy 25: Andriamanitra manafaka ny olony ory.
“Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana hianao” 2 Sam.22:3b.
Vakiteny 1: Sal.50:7-15. Vakiteny 2: 2 Sam.22:1-7. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: 2 Sam.22:3. Teny manampy:
– “Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny” Sal.69:33.
– “Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe: Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa
nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy” Lio.1:67-68.

Talata 26: Andriamanitra manafaka amin’ny haizina.
“Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny” Efes.5:8a.
Vakiteny 1: Jao.1:6-13. Vakiteny 2: Efes.5:1-9. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2: Efes.5:8-9. Teny manampy:
– “Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,… Fa, indro, ny haizina manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona
ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan’ny voninahiny” Isa.60:1-2.
– “Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba
handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12.

Alarobia 27: Andriamanitra manafaka amin’ny herin’ny devoly.
« Ny rantsan-tànan’Andriamanitra no amoahako ny demonia  » Lio.11:20a.
Vakiteny 1: 1 Jao.3:2-8. Vakiteny 2: Lio.11:14:-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.11:20. Teny manampy:
– “Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy”Sal.129:2.
– “ Ary Jesosy niteny tamin’ilay kapiteny hoe: Mandehana; tongava aminao araka ny ninoanao. Dia sitrana tamin’izany ora
izany ilay ankizilahy” Mat.8:13.

Alakamisy 28: Jesosy manafaka tanteraka ny olona.
“Raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo” Jao.8:36.
Vakiteny 1: Eks.3:1-12. Vakiteny 2: Jao.8: 25-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.8:34-36. Teny manampy:
– “Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy”Mar.1:42.
– “Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana”
Rom.8:2.

Zoma 29: Andriamanitra miantso ho amin’ny fahafahana.
“Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika” Gal.5:1a.
Vakiteny 1: Mat.11:25-30. Vakiteny 2: Gal.5:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gal.5:1. Teny manampy:
– “[Ny hanafahana an’i Jerosalema amin’ny fahandevozana sy ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô;
tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, … fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto” Isa.52:1.
“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”
Mat.11:28.

Sabotsy 30: Ny olona afaka, midera an’Andriamanitra.
“Ary ny vahoaka rehetra nahita azy mitsangantsangana sy midera an’Andriamanitra” Asa.3:9.
Vakiteny 1: Sal.145:1-9. Vakiteny 2: Asa.3:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.3:8-9. Teny manampy:
– “Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ny longoa nianjerany. Aoka hidera an’i Jehovah ireo
noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona!” Sal.117:20-21.
– “Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra
afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?” Lio.17:17-18.

 

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site
www.hifi-madanet.org sy Fb “Hira sy Filazantsara”. Henoy “hifiradio.org” Fb 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *