Alahadin’ny Sampan-drofia 15-20 Avrily 2019 “Kristy Paska ho antsika”

Fiangonana Loterana Malagasy

Hira & Filazantsara

Alahadin’ny Sampan-drofia 15-20 Avrily 2019

“Kristy Paska ho antsika

*

Fitarihan-kevitra: Satria ”tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy” Heb.10:4, dia ”voavono Kristy, Paska ho antsika” 1 Kor.5:7.

1/ Jesosy Kristy « Paska ho antsika »: Fanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika izany, ”fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8, dia Izy manao fanavotana amin’ny famelana ny fahadisoantsika araka ny haren’ny fahasoavany (Efes.1:7), fanafahana antsika amin’ny ziogan’ny ota araka ny fahafenoan’ny fahefany (Jao.8:36), ary fampihavanana antsika amin’ny Ray hahatonga antsika ho mpandova ny fanjakany (Rom.8:17). Fa ny fanavotany antsika dia ny fividianan’i Jesosy antsika tamin’ny rany ho an’Andriamanitra Ray.

2/  Nanolotra ny tenany aman-drany ho antsika Izy ho fanamarinana antsika. “Fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:22b. Latsaka tokoa ny ran’i Jesosy ho fanavotana antsika, fa ”Izy no  avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa ” 1 Jao.2:2. Koa amin’izany, ”Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:33-34. Fa ny asam-panavotana nataon’i Jesosy tamin’ny nanolorany tena aman-drany dia tsy misaraka amin’ny asam-pisoronana am-bavaka izay ady varotra ataony amin’ny Ray mba hahazoantsika ny famindrampony ho famelana ny helotsika. ”Koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” Heb.7:25.

3/  Mahery sady tsy manam-paharoa ary azo antoka indrindra ny fanavotana nataon’i Jesosy. Fa Resy Satana mpaka fanahy sy mpiampanga  ary mpanameloka (Gen.3:6,Apok.12:10), fa nandohalika nivavaka Jesosy manao fifonana ho antsika (Heb.7:25).”Koa amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” Rom.8:1. Resy koa ny herin’ny ota, fanindronan’ny fahafatesana,  ka andraisantsika tokin’aina avy amin’ny tenin’i Jesosy manao hoe :”Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19d.

Alatsinainy 15: Ny olon’Andriamanitra mifaly amin’ny fiavian’ny Mpanavotra azy.

“Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy, … Indro ny Mpanjakanao avy ho anao” Zak.9:9a.

Vakiteny 1: Jao.1:22-31.  Vakiteny 2: Zak.9:9-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Zak.9:9.

Fitarihan-kevitra: Naniry mafy  ny hiverenan’ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny voninahiny ho aminy ny Isiraely rehefa voanatry ny Tompo izay tezitra  taminy noho ny fivadihany taminy. Fa “Tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny mba tsy handre” Zak.7:11-12a. Andriamanitra kosa tsy mba to fo amin’ny olony, koa dia naniraka ny Zanany Lahitokana Izy hitady sy hamonjy ny very” (Lio.19:10). Tonga Jesosy Mpanjaka mitondra fanavotana, dia famelan-keloka ho fanamarinana sy fampihavanana amin’Andriamanitra. Mifalia!

Talata 16: Kristy nandray ny fietrentsika tamin’ny tenany.

“Rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana” Fil.2:8.

Vakiteny 1: Isa.53:7-9. Vakiteny 2: Fil.2:5-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fil.2:7-8.

Fitarihan-kevitra: Fandavan-tena tsy tratry ny saina sady tsy vitan’olombelona no nataon’i Jesosy. Fa naka ny endriky ny mpanota Izy ary nanaiky ho tsaraina sy ho melohina toy ny mpanota, mba hahavotra ny mpanota amin’ny fitsaran’Andriamanitra, dia ny fanamelohany mandrakizay! Fa voasoratra hoe: “Ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana” Kol.2:14. Tanteraka ny fanavotana nataon’Andriamanitra, fa hoy Izy: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1b.

Alarobia 17: Antsoy ny Mpanavotra fa tonga ho anao Izy.

“Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!” Mat.21:9a.

Vakiteny 1: Sal.50:1-15. Vakiteny 2: Mat.21:1-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.21:9.

Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Hosana” dia adika hoe ”vonjeo re!”. Noho ny fahafantarana araka ny fitarihan’ny Fanahy Masina fa tonga hamonjy izao tontolo izao sy ny mpanota tokoa Jesosy, dia tsy nihambahamba ireo jamba roa lahy niantsoantso nanao tamin’i Jesosy hoe: “Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!” Mat.9:27 . Tanteraka izany araka ny voasoratra hoe:  “dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. Dia nahiratra ny masony” Mat.9:29-30. “Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena – Joe.3:5” Rom.10:13.

Alakamisy Masina 18: Ny fanavotana, fehezina amin’ny ran’ny fanekena.

“Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo” Lio.22:20b.

Vakiteny 1: 1 Kor.11:23-29. Vakiteny 2: Lio.22:14-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.22:20.

Fitarihan-kevitra: Vidin’aina ny famelan-keloka azon’ny mpanota ho fanavotana azy, dia ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentipentina” 1 Pet.1:19. Fa hoy ny Tompo raha nanomana ny Paska ny Isiraely: “Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izy” Eks.12:5. Hoy Jaona mpanao batisa raha nanondro an’i Jesosy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” Jao.1:29.

Zoma Masina 19: Kristy nanaiky hiaritra ho fanavotana ny mpanota.

“Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?” Jao.18:11 b.

Vakiteny 1: Isa.50:6-9.  Vakiteny 2: Jao.18:1-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.18:10-11.

Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy, Zanaky ny fankatoavana ny Ray. Raha niankohoka nivavaka Izy tao Getsemane, dia nanao hoe:  “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” Mat.26:39.

Fa hoy Izy: Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” Jao.6:38.

Asabotsy 20: Andro Fanginana. Fibanjinana an’i Jesosy maty ho antsika. Fiandrandrana koa ny fitsanganany ho antsika.

Vakiteny: Mat.27:27-50/ Jao.20:1-20/ Heb.5:1-10/ Heb.12:1-2.

 Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy FB Hira sy Filazantsara”. Henoy “hifiradio.org”  FB 24/24 ora, 7/7 andro.                                                © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *