Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady III manaraka ny Paska 13-18 Mey 2019
“Ny mino, olon’ny fanantenana”
*
Fitarihan-kevitra: ”Ny mino dia olon’ny fanantenana”, satria matoky ny fahatanterahan’ny zavatra ho avy izy, araka ny tenin’ny Soratra Masina, dia ny tenin’i Kristy (Rom.10:17), izay ”Tompon’ny finoana sy Mpanefa azy” Heb.12:2. Fa ny tenin’Andriamanitra no fototra iorenan’ny finoana sy antoka hahatò ny fanantenana. Ny olon’ny finoana dia olon”ny fanantenana ka tsy milavo lefona manoloana ny ady sarotra sy ny fizahan-toetra sedrainy. Hoy indrindra Paoly, Apostolin’ny jentilisa: ”Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo” 2 Kor.4:8, izay midika fa na mafy toy inona aza ny fahoriana atrehiny, dia jiro mirehitra ao anatiny ny fanantenana izay tsy voasaron’ny haizin’ny fitsapana andalovany. Fa ny toky tao aminy dia ny hoe: mandalo izao fiainana izao (1 Jao.2:17a), ary dia toy izany koa ny fahoriana mihatra. Fa ny fanantenana tao aminy no hery izay nampionona sy nampijoro azy hiteny hanao hoe: ”Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay” 2 Kor.4:17. Ny maharitra mandrakizay dia ny tenin’Andriamanitra (Mat.24:35) sy Jesosy Kristy izay tsy miova (Heb.13:5), dia Tompo manam-pahefana feno hahatantaterka ny teny izay inoan’ny olony sy anantenany ny zavatra rehetra ao amin’Andriamanitra. Fa voasoratra hoe: ”Ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ny fony, mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an’i Kristy rahateo” Efes.1:11-12. Tsy foana ny fanantenan’ny mino satria Andriamanitra no miantoka izany ary manatanteraka izany. Fa hoy ny Soratra Masina: ”Ary ny fanantenana
dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” Rom.5:5. Hoy ny Soratra Masina: ”Miantombena tsara miandry an’i Jehovah hianao ka manantenà Azy” Sal.37:7a.
Alatsinainy 13: Andriamanitra, fanantenan’ny mino.
“Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy” Fit.Jer.3:25.
Vakiteny 1: Kol.1:24-29. Vakiteny 2: Fit.Jer.3:18-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fit.Jer.3:25.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Tsara Jehovah” dia manambara ny fahatsaram-panahin’Andriamanitra Izay mahari-po sady be
famindrampo amin’izay rehetra manantena ny famonjeny. Tsy manosi-bohon-tanana ny fitarainan’ny olony ory sy manana ady Izy,
fa miantra azy indrindra. Dia hoy ny tenin’Andriamanitra: “Miantombena tsara miandry an’i Jehovah hianao ka manantenà Azy”
Sal.37 :7a. Eny, “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” Isa.55:6. Fa ny Tompo dia
mamaly izay rehetra miantso ny Anarany (Joe.3:5), dia izay miandrandra sy manantena ny famonjeny (Sal.17:6).
Talata 14: Ny Tompo tsy mandao izay manantena Azy.
“Miantombena tsara miandry an’i Jehovah hianao ka manantenà Azy” Sal.37:7a.
Vakiteny 1: 1 Pet.2:11-20. Vakiteny 2: Sal.37:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.37:7.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra tsy mivadika amin’ny teniny, fa “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona”
hoy Jesosy, Mat.24:35. Tokim-panantenana lehibe izany ho an’izay rehetra mino sy maharitra amin’izany. Hoy tenin’i Jesosy: “Fa
izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena” Mat.24:13, dia izay mihazona ny anton’ny fanantenany.
Alarobia 15: Jesosy no tokim-panantenana ho an’ny mino.
“Hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo” Jao.16:22b.
Vakiteny 1: Eks.14:10-25. Vakiteny 2: Jao.16:16-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.16:22.
Fitarihan-kevitra: Tokim-panantenana ho an’ny mino tokoa Jesosy, dia izay mino ny fahatanterahan’ny teny fikasana omeny. Antoka
lehibe no omen’i Jesosy izay manantena Azy. Fa hoy Izy: “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia
angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany”Jao.15:7.
Alakamisy 16: Ny fanantenana, tokim-pitahiana ny mino.
“Izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany” Hab.3:18a.
Vakiteny 1: Rom.5:1-5. Vakiteny 2: Hab.3:12-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Hab.3:17-18.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra, ary mahay mampifaly indrindra ny olony amin’ny fitahiany azy. Hoy
Joela mpaminany: ”Ary hianareo, ry zanak’i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny
loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo…” Joela 2:3, dia ny ranonoram-pitahiana izany
(Deo.28:12). Hoy Jesosy : ”Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” Lio.16:24.
Zoma 17: Jesosy manandratra izay manantena Azy.
“Kristy ao anatinareo, fanantenana ny voninahitra” Kol.1:27b.
Vakiteny 1: Isa.25:1-5. Vakiteny 2: Kol.1:24-29. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Kol.1:27b-28.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia manandratra tokoa izay manantena Azy, ka manome voninahitra Azy. Mihaino ny vavak’izay
manantena Azy Izy; ka ho afaka hiteny tahaka an’i Hana renin’i Samoela nanao hoe: ”Ny foko ravoravo amin’i Jehovah, Ny tandroko
voasandratra amin’i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho” 1 Sam.2:1. Koa
amin’izany: ”Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be” Sal.130:7.
Sabotsy 18: Hazòny tsara ny fanantenana.
« Isika no tranony raha hazonintsika mafy hatramin’ny farany ny… firavoravoana momba ny fanantenana » Heb.3:6b.
Vakiteny 1: Jer.29:4-11. Vakiteny 2: Heb.3:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Heb.3:5-6.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Hazòny tsara ny fanantenana” dia azo adika hoe ”tandremo tsy ho very toky”. Fa izay mino sy manana
firaisana amin’i Jesosy dia ”manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra” 1 Kor.1:7b, sady asandratr’Andriamanitra
(Jao.12:26b). Fanomezana sarobidy indrindra izany, izay nahatonga ny mpanao Salamo hihira hanao hoe: “Iza no ahy any andanitra?
ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra” Sal.73:25-26. Dia tokim-panantenana tsy miova ho amin’ny fiainana manontolo izany.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org sy FB “Hira sy Filazantsara”. H²enoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet