Alahady V manaraka ny Paska 27 Mey – 01 Jona 2019 “Mahereza mivavaka”

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady V manaraka ny Paska 27 Mey – 01 Jona 2019
“Mahereza mivavaka”
*

Ny hoe ”Mahereza mivavaka” dia midika hoe: ”Mazotoa, ary mitandrema tsy ho tra-pahalainana na fahakiviana, fa misikìna ka mivavaha”. Ny vavaka no nanovozan’ny mino sy ny olon’Andriamanitra rehetra ny heriny, ny fanavaozana ny sainy, ny fitarihan’ny Fanahy Masina ka
nanatotontosany ny asany, indrindra ny fanompoana napetraky ny Tompo taminy. Tanteraka indrindra izany teo amin’i Jesosy Kristy izay, na dia Zanak’Andriamanitra aza, dia nazoto nitokana nivavaka tany an’efitra (Mar.1:35/Lio.5:16) ka nanatanterahany ny asany lehibe izay nisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra, dia asa maro mahagaga sady feno fahasoavana tamin’ny alalan’ny fitoriana tamin-kery sy fahefana ary famantarana ny Filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra ”hery ho famonjena izay rehetra mino” Rom.1:16. Ary dia nitenenany hoe: ”Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko” Jao.17:4. Ary dia voasoratra hoe: ”Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra” Mar.7:37. Ary satria miatrika ady ny mino, ary mety ho be ny zavatra erehany izay mamiravira ny finoany sy manakantsankana ny fifandraisany amin’Andriamanitra, dia mitaona sy mampahery azy ny tenin’Andriamanitra ka manao hoe: ”Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15, ”Mangataha dia omena hianareo” Mat.7:7a, ”Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo” Lio.21:36a, ”Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo” 1 Pet.5:7. Ary amin’izany dia irahin’nyTompo tokoa ny Fanahy Masina hitarika sy hampahery ny mino mba hivavaka, fa ” ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” Rom.8:26. Misy fototra iorenany ny Vavaka, toy izao manaraka izao: – Andriamanitra dia mihaino ny vavaka ary mamaly izany (1 Mpanj.18:37-38). – Mahery ny vavaka marina, dia izay atao amin’ny finoana (Mat.21:22), miray amin’i Jesosy sy mihazona ny tenin’Andriamanitra (Jao.15:7.), manao ny sitrapony sy manatanteraka ny asany (1 Jao.5:14-15). – Mahasokatra ny lanitra (Deo.28:12) ny ”fo torotoro sy mangorakoraka, izay tsy ataon’Andriamanitra tsinontsinona” (Sal.51:17). Sambatra izay mitoetra amin’ny finoana sy maharitra amin’ny vavaka: tafaorina ao aminy ny fanjakan’Andriamanitra, ho fitahiana mandrakizay (Sal.21:6). Mifahara. Mahereza mivavaka !

Alatsinainy 27: Mahereza, Andriamanitra mihaino vavaka.
“Ary hiantso Ahy hianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho” Jer.29:12.
Vakiteny 1: Mat.6:5-6. Vakiteny 2: Jer.29:11-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.29:12.
Fitarihan-kevitra: Mahereza mivavaka, fa Andriamanitra dia tsy manosi-bohon-tanana ny mpanota izay mitady Azy sy mitalaho ny
famonjeny marina. Hoy Davida raha nifona tamin’Andriamanitra: ”Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo
torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17.

Talata 28: Mahereza, mampahery ny mivavaka.
“Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo” Lio.21:36a.
Ny Vavaka dia heverin’izay tsy mahalala an’Andriamanitra ho fahadalana sy fotoana very, fa tombon-dahiny lehibe kosa ho an’izay
mino Azy. Ny Vavaka no nataon’Andriamanitra ho fomba sy lalana ahazoan’ny mino mifandray tsy tapaka Aminy. Tsy fombafomba
ivelany izy fa tena fiainan’ny mino, ka amporisihan’i Jesosy manao hoe: “Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery
hianareo” Lio.21:36a. Raha nitolona nivavaka tao Getsemane Jesosy, dia tonga nampahery azy ny anjelin’Andriamanitra (Lio.22:43).
Ny herin’ny Vavaka dia Andriamanitra mihaino sy mamaly izany. Koa mahereza mivavaka!

Alarobia 29: Mahereza maharitra mivavaka.
“Mahareta amin’ny fivavahana” Rom.12:12d.
Vakiteny 1: Lio.18:1-8. Vakiteny 2: Rom.12:9-12. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.12:12.
Fitarihan-kevitra: Misy tombony lehibe ny miaritra mivavaka. Hoy Paoly Apostoly: “Raha miaritra isika, dia miara-manjaka
Aminy” 2 Tim.2:12a. Tsarovy Hana izay naharitra nitalaho mba hahazo zanaka, ka nomen’ny Tompo an’i Samoela (1 Sam.1:12); toy
izany koa ilay vehivavy Kananita niady varotra tamin’i Jesosy mba hanafahany ny zanany vavy nampahorian’ny devoly (Mat.15:22),
ary teo indrindra ireo Apostoly sy vehivavy naharitra nivavaka niandry ny filatsahan’ny Fanahy Masina, ka dia tanteraka izany
(Asa.1:14;2:3).

Alakamisy 30: Andro Fiakarana. Mahereza miray fisoronana amin’i Jesosy.
“Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo” Asa.1:9.
Vakiteny 1: Isa.57:15. Vakiteny 2: Rom.8:28-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.1:1-11.
Fitarihan-kevitra: Raha niakatra any ambony Jesosy, dia tsy niverina irery Izy, fa ”nitondra babo ho an’Andriamanitra” (Sal.68:18),
ary indrindra manao asam-pisoronana lehibe mivavaka ho an’ny olom-bonjena rehetra araka ny voasoratra hoe: “mitoetra eo amin’ny
tanana ankavanan’Andriamanitra ka mifona ho antsika” Rom.8:34b. Toky lehibe ho an’ny mino, miray fisoronana Aminy izany.

Zoma 30: Mahereza, tanteraho ny asa vokatry ny fivavahana.
“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena
amin’ny fahoriany” Jak.1:27a.
Vakiteny 1: Lio.16:19-31. Vakiteny 2: Jak.1:22-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jak.1:27a.
Fitarihan-kevitra: Tsy ny fivavahana amin’ny teny tsara lahatra sy lavareny no ankasitrahan’Andriamanitra araka ny Mat.6:5-6, fa ny
fivavahana miseho amin’ny asan’ny fitiavana sy ny fiantrana ny namana ory sy tsy manana. Fa foana sy maty ny fivavahana tsy
arahin’asa. Hoy Jesosy: “Izay mino Ahy, – dia izay mivavaka Amiko- ny asa ataoko no hataony koa” Jao.14:12a.

Sabotsy 01: Jesosy mamporisika hivavaka.
“Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” Jao.16:24b.
Vakiteny 1: Zak.10:1-7. Vakiteny 2: Jao.16:23-28. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.16:24.
Fitarihan-kevitra: Jesosy mamporisika hivavaka, ary manome toky hoe: “Mangataha dia homena hianareo; fa izay rehetra
mangataka no mahazo” Mat.7:7a,8a. Fa hoy Izy : “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny Anarako, dia hataoko izany,
mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka” Jao.14:13, fa Izy dia tia ka mamaly vavaka.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org sy FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro.

© Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *