Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady fiomanana ho amin’ny Pentekosta 03-08 Jona 2019
“Miomàna handray ny Fanahy Masina”
*
Fitarihan-kevitra: Fanomezan’Andriamanitra sarobidy indrindra ny Fanahy Masina, dia ny Tompo eto amintsika (2 Kor.3:17) ary ato amintsika (Jao.14:17b). Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mino dia ny hanova azy ho zanak’Andriamanitra mandova ny fanjakany (Rom.8:17), sy ny hanangana azy ho vavolombelon’i Kristy. Fa hoy i Jaona Apostoly : ”Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” Jao.1:12. Hoy koa Jesosy: ”Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” Asa.1:8. Milaza izany fa tsy voafetra ny fiasan’ny Fanahy Masina, dia araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray” Jao.14:12. Ny asa lehibe, dia ny asan’ny Fanahy Masina manorina ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, izay nahatonga an’i Jesosy nibaiko ny mpianany manao hoe: ”koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra” Mat.28:18-19.Tsy hoe asa mora tanterahina izany, fa tena adin’ny finoana, mba ”hahatonga fanekena ny finoana” (Rom.16:26), araka ny tenin’ny Apostoly Paoly manao hoe: ”(fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy); fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy” 2 Kor.10:4-5. Satria ady tsy mora atao izany, dia ilaina ny fiomanana am-panahy ,dia ny fisikinana am-bavaka sy ny fifaharana amin’ny finoana. Fa hoy Jesosy: ”Miambena [miareta tory] ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo” Lio.21:36a. Nataon’ny mpianany izany, ka ”Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin’ny vehivavy sy Maria, renin’i Jesosy, ary ny rahalahiny” Asa.1:14. Ary dia nomen’ny Tompo tokoa ny Fanahy Masina (Asa.2:1-2), Fanahin’ny faherezana, Fanahin’ny vavolombelona, Fanahin’ny fandresena. ”Raiso ny Fanahy Masina!” Jao.20:22.
Alatsinainy 03: Ny teny fikasana.
“Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo” Ezek.36:27a.
Vakiteny 1: Rom.8:12-17. Vakiteny 2: Ezek.36:25-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.36:27.
Fitarihan-kevitra: Fanavaozana tanteraka, toy ny fiterahana indray (Jao.3:5) no tanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
fanomezany ny Fanahy Masina. Arovany amin’ny fahasaro-piaro indrindra anefa ny Fanahy (Jak.4:5), ka hoy Jesosy: “Tsy misy
manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba ny
siny hoditra; fa ny siny hoditra vaovao no asian’ny olona divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa” Mat.9:17. Izay voadion’ny
ran’i Kristy no afaka mandray ny Fanahy Masina.
Talata 04: Miomàna handray ny teny fikasana.
“Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra ; koa hendre ka mahonòna tena amin’ny fivavahana” 1 Pet.4:7.
Vakiteny 1: Asa.1:9-14. Vakiteny 2: 1 Pet.4:7-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.4:7.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe “mahonon-tena ho amin’ny fivavahana” dia ny manokan-tena ho an’Andriamanitra. Fepetra lehibe
apetraky ny Tompo ho an’izay rehetra te-handray ny Fanahy Masina. Fa voasoratra hoe: “Izay tsy manam-pahamasinana dia tsy
hahita ny Tompo” Heb.12:14b. Mitaky fahafoizana ny ota ny mandray ny Fanahy Masina.
Alarobia 11: Ny Fanahy Masina Vavolombelon’i Jesosy.
“Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26d.
Vakiteny 1: Isa.11:1-5. Vakiteny 2: Jao.15:16-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:26.
Fitarihan-kevitra: Ny “vavolombelona” dia ny olona izay nahita sy mahafantatra ka afaka manambara ny fahamarinan’izay efa hitany
sy fantany (1 Jao.1:3). Ny Fanahy Masina no Vavolombelona azo antoka indrindra amin’ny fanambarana sy fampahafantarana an’i
Jesosy. Fa hoy Jesosy ny Aminy: “ Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo” Jao.16:14.
Alakamisy 12: Ny Fanahy Masina mitarika ho amin’ny fahamarinana.
“Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra” Jao.16:13.
Vakiteny 1: 1 Kor.2:6-10. Vakiteny 2: Jao.16:5-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.16:13.
Fitarihan-kevitra: Sarobidy sady iankinan’ny aina indrindra ny mahalala ny fahamarinana. Hoy Jesosy: “Raha maharitra amin’ny
teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” Jao.8:31-32.
Ny marina araka an’Andriamanitra dia ny mino Ilay nirahiny (Jao.6:29), dia Jesosy Kristy Zanany. Hoy ny Ray ny Aminy: “Izy no
henoy” Mat.17:5.
Zoma 13: Ny Fanahy Masina mampionona ny mino.
“Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay” Jao.14:16b.
Vakiteny 1: Sal.27:7-10. Vakiteny 2: Jao.14:15-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.14:16.
Fitarihan-kevitra: Nomena antsika ny Fanahy Masina ho Mpananatra sy Mpampionona. Fa Izy no mananatra ny tsy finoana, izay
fototry ny fahorian’ny olona, dia ny fisarahany amin’Andriamanitra Mpahary sy Mpiahy azy. Tombony lehibe sy tsy misy takalo ho
an’izay vita fihavanana amin’Andriamanitra kosa ny fananana ny Fanahy Masina. Fa Izy no manitsy ho amin’ny fahamarinana sy
mampiorina ny tokim-pandresena mandrakizay omeny. Fa hoy Jesosy: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa
matokia Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33b.
Asabotsy 14: Raiso ny Fanahy Masina.
“Raiso ny Fanahy Masina” Jao.20:22.
Vakiteny 1: Asa.2:32-39. Vakiteny 2: Jao.20:21-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.20:22.
Fitarihan-kevitra: Amin’ny finoana no andraisana ny Fanahy Masina. Fa voasoratra hoe: “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy
azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay
mazoto mitady Azy” Heb.11:6. Izay mino Azy no omeny ny Fanahy Masina hahafantatra an’i Jesosy ho Mpamonjiny. Ny finoana dia
ny fatokiana an’Andriamanitra sy ny fanoavana ny sitrapony araka izay lazain’ny tenin’Andriamanitra.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org
sy FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet