Maro ankehitriny ireo hetsika na hetsiketsika izay mitonona ho « Fifohazana » na « Fifohazam-panahy ». Manoloana izany dia nampahafantarin’ny Fiangonana sy ireo RAR sy Komity tompon’andraikitry ny Fifohazana fa misy foto-piorenana mazava sady azo antoka ary tsy miova na azo ovàna ny Fifohazana.
Ny tiana ambara eto dia misy tokoa mantsy ny atao hoe « Fifohana marina”, na “tena Fifohazana”, ary misy koa ny atao hoe “Tsy Fifohazana marina” fa misandoka ny ho Fifohazana. Fomba ahoana no hamantarana azy ireo sy anavahana azy ?
/ Ny amin’ny fototra ara-pamaritana :
Izany hoe ara-tSoratra Masina, dia anterintsika eto indray fa foto-piorenana sady filamatry ny Fifohazana Tobilehibe Efatra: Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza ary Farihimena ny hoe : “Jesosy sy ny Soratra Masina Irery Ihany”, ary izany dia tamin’ny alalan’ireo Raiamandreny izay notendren’ny Tompo ho angady nananana sy vy nahitana araka ny voasoratra hoe: “19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra,20 natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra
Ny Apostoly dia adika ho “Iraka izay nisehoan’ny Tompo, sady mpaminany rahateo satria nampahafantarin’ny Tomopo ny heviny sy ny fikasany ary nomeny ny hafatra ampitainy eo amin’ny fiangoanan sy ny firenena.
Izy ireo no nisehoan’ny Tompo mivantana sy nametrahany ny asa fananganana ny Fifohazana. Ary dia tsy mifanipaka, sanatria, fa tena mifameno ho iray ny fanambarana sy ny fampianarana omen’izy ireo.
/ Ny asa fananganana ny Fifohazana: dia ny teny fikasana momba ny Fifohazana, lazaina koa hoe “faminaniana”, ary dia mifamatotra amin’izany avy hatrany ny fampianarana izay nataon’ireo RAR ireo ho zava-dehibe sy sarobidy izay maha-saropiaro ny Fifohazana, ka fonosin’izany ny fanomezana ny foto-pahalalana ny Soratra Masina sy ny fifandraisana amin’i Jesosy: ny fahalalana an’Andriamanitra Tompo sy Mpamonjy Azy, ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanita rsy ny fikasany ary ny asany, ny toe-panahy sy toe-piaina maha-“Fifohazana”, sns.
Dia izany no atao ho antom-piofanana ny mpiomana ho mpiandry sy ny fitaizam-panahy mitohy tsy tapaka ho an’ny mpiandry am-perin’asa, izay asa miorina amin’ny fandavan-tena vokatry ny fitiavana an’Andriamanitrra ka anekena ny fitondrany sy ny fitaizany araka ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty manao hoe: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin’]” 2 Tim.2:15.
Azontsika raisina ho modely filamatra amin’izany ny teny sady hafatra nataon’i Paoly ho an’i Timoty ihany manao hoe: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany; fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra” 2 Tim.3:14-17.
Izany rehetra izany dia anterina amin’ny alalan’ny teny anatranatra sy fampitandremana manao hoe: “Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ny teninay, na tamin’ny epistilinay” 2 Tes.2:15. Ary dia fehezina amin’ny hoe: “Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” 1 Kor.15:58.
Ny tanjona sady filamatra dia ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy” Lio.12:37. Ary koa “Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan’ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy” Lio.12:43-44.
Lazaina amin’ny teny hfaa hoe koa: “Mba tsy hanan-tsiny amin’ny andro fiavian’i Jesosy izay Tompon’ny asa”, fa mba hitenenany manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:21,23.
. Koa raha manindry mafy ny amin’ny fihazonana ny foto-panorenana ny Fifohazana, dia satria hita sy miavaka ireo toetra sasantsany ny amin’ny Fifohazana misandoka azy:
/ Ny azo hamantarana sy hamaritana ireo misandoka ny Fifohazana
– Mitomponteny ho Fifohazana marina, na indrindra ho ny Fifohazana tena izy, ho tena lehibe indrindra, sns. Ary manao izay handresana lahatra ny maro tsy mbola mahalala, lazain’i Petera hoe “tsy ary saina”. Dia izany no mahatonga azy hitory ny fahagagna, famantarana samuihafa, hamporisika ny fiteny tsy fantatra sy hanao izay hahataitra sy hanintona ny maso sy ny fo hanaraka azy. Hoy Paoly: “Fa izy ireny tsy mba manompo an’i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon’ny tsy ary saina” Rom.16:18..
/ Mamahan-tena mihinana ny ondrin’Andriamanitra Ezek.34:1-6. Dia mpanararaotra sy manambaka: Hoy Jesosy: “mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa” Mat.15:14. Rehefa izany, dia hoy Petera Apostoly: “Koa ny amin’ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo [na: izay andraikitrareo], mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo,[araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka, amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba hianareo” 1 Pet.5:1-4.
– “Manana ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, kanefa mandà ny heriny” 2 Tim.3:5, dia ny fahefan’ny Soratra Masina izay afaka hananatra sy hanitsy ary hampiorina azy tsra ao amn’ny fahamarinan’Andiramanitra. Ny teny mahalaza izany dia ny fampitandreman’i Paoly ihany manao hoe: “Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema [* Gr. salama]; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano. Fa hianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao” 2 Tim4:3-5.
/ Raha fintiniana
Ny tena Fifohazana dia madio, marina, matahotra an’Andriamanitra, tia an’Jesosy sady tia olona, tia mizara, tia miantra, tia fampianarana, tia miasa, tia manompo, tia fihavanana sy firaisana, tia fanetren-tena sy zatra fandeferena.
Mitoetra fa tsy miovaova, tsy taitranjava-miseho ary tsy tia haitraitra. Mahafantatra tsara izay inoany sy hifikirany. Manana an’i Jesosy ho Tompo, ary manao Azy sy ny asany ho anton’ny ahavelomana ho voninahitr’Andriamanitra
/ Inona no atao?
. Miorena tsara aza mova. Fa ny Tompo tsy miova, na manenian amin’ny faintsoany (Rom.11:29).
. Mifampilazà amin’ny tenin’ny Soratra Masina. “Aoka ny tenin’i Kristy hoetra betska eo amianreo amin’ny fahendrena rehetra” Kol.3:16.
. Mahareta amin’ny fampianarana: Fa “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa” Jao.8 :31.
. Tanteraho ny fanompoana niantsoan ano, hizory ny lalanao, aza miherikerika raha te-hahatratra ny tanjona sy hahazo ny loka. Fa “Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila” 2 Tim.2:4.
. Miambena ka mivavaha, hazony finoana: “Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao” 1 Pet.5:8-9.
Fa Andriamanitra izay niantso anareo, Izy “no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony” Fil.2:13.
Koa dia mahereza: “Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao” Apok.3:11.
Ho voninahitr’Andriamanitra.