Alahady Pentekosta I & II 10-15 Jona 2019 “Tonga ny Pentekosta”

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahady Pentekosta I & II 10-15 Jona 2019
“Tonga ny Pentekosta”
*

Fitarihan-kevitra: Andro Pentekosa: tonga ny fotoana ahatanterahan’ny teny fikasana nomen’ny Ray. Fa hoy Jesosy ”Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo” Lio.24:49. Fito lehibe no asan’ny Fanahy Masina: – Vavolombelona Mpanambara an’i Jesosy Izy: Fa hoy Jesosy: ””Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26. – Mpanavao ny olona: ka miteraka azy indray ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Jao.3:6). Mitaona ny olona hino an’i Jesosy ”Fa izay rehetra nandray Azy da nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra”Jao.1:12. Koa ”Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao Izy” 2 Kor.5:17. – Mpampionona Izy: Hoy Jesosy: ”Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]” Jao.14:16. – Mpisorona: dia Izy mivavaka ho antsika, fa ”Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” Rom.8:26.- Mpampahery Izy: ”Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” Asa.1:8,”Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery..” 2 Tim.1:7.- Mpampianatra Izy; ”Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” Jao.14:26.- Mpananatra Izy: Fa Izy no mpamerina ny olona ho amin’ny fahamarinana, dia ny hahatonga ny olona hahalala Ilay Marina ho famonjena, dia Jesosy izay niteny hoe: ”Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” Jao.14:6.Ny adidintsika: Mandray ny
Fanahy Masina (Jao.20:22), Manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina (Rom.8:14), Manaiky hanjakan’ny Fanahy Masina (Efes.5:18).

Alatsinainy 10: Tanteraka ny teny fikasana.
“Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho” Joe.3:1a.
Vakiteny 1: Lio.24:36-49. Vakiteny 2: Joe.3:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Joe.3:1.
Fitarihan-kevitra: Toy ny niandrasana ny fiavian’ny Mesia izay nampanantenaina hatry ny ela ka niseho ho Nofo ary nonina
tamintsika (Jao.1:14) mba hitondra fanavotana ny olona mpanota, dia toy izany koa no anantenana ny fahatongavan’ny Fanahy
Masina izay “mamonjy ny fahalementsika” Rom.8:26. Fa ny Fanahy dia ny Tompo amintsika ary momba antsika (2 Kor.3:17).

Talata 11: Ny Fanahy Masina miteraka ny olona ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.
“Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” Jao.3:5.
Vakiteny 1: Asa.10:42-48. Vakiteny 2: Jao.3:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.3:5.
Fitarihan-kevitra:Ny hoe miteraka ny olona ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia ny fanavaozana azy ho olom-baovao (2
Kor.5:17) sy ny fananganana azy ho zanak’Andriamanitra (Jao.1:12) “sady mandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i
Kristy koa” Rom.8:17. Izany dia amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ny Fanahy Masina. Fa voasoratra hoe:
“Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo,
ary hianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina” Asa.2:38.

Alarobia 12: Feno ny fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy.
“Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra” Asa.2:4a.
Vakiteny 1: Jao.3:16-21. Vakiteny 2: Asa.2:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.2:4.
Fitarihan-kevitra: Ny mpino tsirairay dia voatendrin’Andriamanitra ho samy feno ny Fanahy Masina.Ny fahafenoan’ny
Fanahy dia amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana, dia ny fahafoizana ny ota syny asan’ny nofo rehetra. Hoy Paoly
Apostoly: “Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo. Ary aza ho mamon-divay
hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy” (Efes.5:17-18).

Alakamisy 13: Ny Fanahy Masina mamehy ny faneken’Andriamanitra.
“Izaho ho Andriamaniny ary izy ho oloko » Jer.31:33d.
Vakiteny 1: Jao.15:1-11. Vakiteny 2: Jer.31:31-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.31:33.
Fitarihan-kevitra: Fanekena lalim-paka no ataon’Andriamanitra amin’ny olony, dia “fanekena voasoratra ao am-po amin’ny
alalan’ny Fanahy Masina” (Jer.32:40), “Fanahin’ny fahamarinana” (Jao.16:13). Izany no ifamatoran’ny olona amin’ny Tompo
ka hanatanterahany ho azy ny teny fikasana. Koa dia ”hazòny ny fanekena, ary mandehana araka ny Fanahy” (Gal.5:16).

Zoma 14: Ny asan’ny Fanahy Masina miorina amin’ny tenin’Andriamanitra.
“Raha mbola nilaza izany teny izany Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina” Asa.10:44.
Vakiteny 1: Mat.1:18-25. Vakiteny 2: Asa.10:42-48. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.10:42-44.
Fitarihan-kevitra:Tsy misaraka ny Teny sy ny Fanahy. Fa tamin’ny alalan’ny teny fikasana no nanendren’Andriamanitra ny
hahatongavan’ny FanahyMasina amintsika. Fa hoy Jesosy: “Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho
anareo” Lio.24:48a. Fa ny tenin’Andriamanitra no manorina ny asan’ny Fanahy Masina, ary ny Fanahy Masina no
manatanteraka izay lazain’ny tenin’Andriamanitra.“Fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa,…; fa
handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo” Jao.16:13b,14b.

Sabotsy 15: Ny Fanahy Masina mampijoro ho vavolombelona.
“Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina” Asa.1:8 a.
Vakiteny 1: 2 Tim.1:6-9. Vakiteny 2: Asa.1:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.1:8.
Fitarihan-kevitra: Fanahy mahery tokoa ny Fanahy Masina satria Fanahin’Andriamanitra izay nahariana izao rehetra manana
aina izao (Gen.1:3). Nalaza ho nahery ireo lehilahin’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha, satria ny “Fanahin’i
Jehovah Tompo” no tao aminy (Isa.61:1). Izany no natafy ireo Apostoly sy ny mpino hijoro vavolombelona hiteny toa an’i
Paoly: “Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy” 2 Kor.10:4.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org
sy FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *