Alahadin’ny Trinite 17-22 Jona 2019 “Ny fiainam-baovao”

Fiangonana Loterana Malagasy
Hira & Filazantsara
Alahadin’ny Trinite 17-22 Jona 2019
“Ny fiainam-baovao”
*

Fitarihan-kevitra: Alahadin’ny Trinite, feno ny fanehoana an’Andriamanitra, dia ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina. Fa Andriamanitra fitiavana no anton’ny zavatra rehetra (Jak.1:17), Jesosy Kristy Teny tonga nofo (Jao.1:14) no nomena ho fanavatona antsika (Efes.1:7), ary ny Fanahy Masina nirahina ho Mpanambara an’i Jesosy (Jao.15:26) sy ny fahamarinana, dia ny sitrapon’Andriamanitra izay mitarika antsika handeha araka ny lalana mahavelona ho fiainana mandrakizay (Sal.23:3/Mat.19:29). Mankalaza ny Trinite tokoa ny fiangonana sy ny olona masina rehetra, satria tanteraka amin’ny fahafenoana ny fanambarana an’Andriamanitra sy ny fampahafantarana antsika ny fikasany, dia araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy” (Jao.14:23). Ny fisehoan’Andriamanitra amin’ny fahafenoany no hamenoana ny fiorenan’ny ny finoantsika mba handraisantsika feno ny fahasoavan’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: ”Fa tamin’ny fahafenony no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana” (Jao.1:16). Ny fahasoavana dia Andriamanitra tonga amintsika mitondra Fiainam-baovao ho antsika. Fa efa niteny hatry ny ela ny Tompo nanao hoe: ”Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza” (Isa.65:17). Ary dia mandidy no sady manome toky Izy ka manao hoe: ”[Lazao] amin’ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin’izay ao amin’ny maizina hoe: Misehoa” Isa.49:9a. Fa indro: ”Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava” (Isa.9:1). Koa dia fidio ny Mazava, Mialà amin’ny fiainan’ota, Raiso ny Fiainam-baovaAlatsinainy 17: Mihavaoza amin’ny fo.

 

Alatsinainy 17: Mihavaoza amin’ny fo.
“Manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo” Ezek.18:31b.
Vakiteny 1: Efes.4:20-32. Vakiteny 2: Ezek.18:30-32. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Ezek.18:31.
Fitarihan-kevitra: Ny famangian’Andriamanitra antsika? Fisantarana pejim-piainana vaovao miaraka amin’Andriamanitra mba
hahatanteraka ny tenin’i Jesosy manao hoe “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra” Apok.21:5. Izy tokoa no mahay sy mahavita
izany, “Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy” 2 Kor.5:18a., Minoa an’ i Jesosy fa ”Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy” (2 Kor.5:17). Ilaozy ny haizin’izao tontolo izao; ka ”miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina” (Rom.12:2). NyTrinite, Fiainam-baovao ho antsika.

Talata 18: Tsy maintsy hateraka indray.
“Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra” Jao.3:3.
Vakiteny 1: Rom.6:1-11. Vakiteny 2: Jao.3:1-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.3:1-3.
Fitarihan-kevitra: Isika dia teraka tao amin’ny ota, koa dia ilaintsika ny havaozina mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’ny lanitra,
sy handova ny fiainana mandrakizay. Fa voasoratra hoe: “Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra, ary
ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalòvana” 1 Kor.15:50. Toky no omena antsika: “Izay nandray Azy dia nomeny hery ho tonga
zanak’Andriamanitra” Jao.1:12, ary “raha zanaka, dia mandova an’Andriamanitra sady mpiray lova amin’i Kristy” Rom.8:17.

Alarobia 19: Mibebaha mba ho velona.
“Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana…” Asa.3:19.
Vakiteny 1: Mat.4:12-17. Vakiteny 2 : Asa.3:14-20. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.3:19.
Fitarihan-kevitra: Ny fo mpanota no havaozin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana ho famelan-keloka. Fa “Sambatra ny
olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany”Sal.32:1. Asan’ny Fanahy Masina miasa mahery no mahatonga ny
fibebahan’ny olona mpanota, ary handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana mba hahavelona azy. Hoy ny Tompo: “Ary ny Fanahiko no
hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy” Ezek.36:27.

Alakamisy 20: Mibebaha sy minoa.
“Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?” Rom.11:34.
Vakiteny 1: Isa.45:9-13. Vakiteny 2: Rom.11:33-36. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.11:33-34.
Fitarihan-kevitra: Tsy ny fanaovana ady hevitra no nahavonjy na oviana na oviana, fa ny finoana. Fa ny ady hevitra sy ny
fanamarinan-tena dia tsy mahavonjy ny olona. Hoy indrindra Jaona Apostoly: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy
marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9. Ny mibebaka
miaiky ny fahadisoana no ahazoana famelan-keloka ho famonjena.

Zoma 21: Jesosy Kristy no fiainam-baovao.
“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy” 2 Kor.5:17a.
Vakiteny 1: Lio.19:1-10. Vakiteny 2: 2 Kor.5:14-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.5:17.
Fitarihan-kevitra: Ny fihavaozana no toe-piainan’ny olon’Andriamanitra rehetra dia ny hoe ”Raha misy olona tsy ateraky ny rano
sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy” Jao.3:5. Manjary “olom-baovao” tokoa izy satria Jesosy
Izay inoany dia efa maty noho ny ota, nandresy ny fahafatesana. Ny fihavaozana dia ny fifindrana avy amin’ny fahafatesana ho
amin’ny fiainana. Hoy Jesosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no
manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina [gr. hotsaraina]; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy”
Jao.5:24.

Sabotsy 22: Fo vaovao no fiainam-baovao.
“Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko” Sal.51:10.
Vakiteny 1: Jao.12:24-26. Vakiteny 2: Sal.51:1-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.51:10.
Fitarihan-kevitra: Fo vaovao no ankasitrahan’Andriamanitra, dia ny fo itarafana ny famelan-keloka ho fanamarinana izay nomeny sy
ny asan’ny Fanahy Masina izay manova ny toetra sy ny toe-piainan’ny olona. Fa voasoratra hoe: « Manompo amin’ny havaozampanahy
isika, fa tsy amin’ny hahelan-tsoratra » Rom.7:6b. Ho amin’izany no iantsoan’Andriamanitra ny olona handray ny
fanavaozana araka ny teniny manao hoe: “Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary
hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo” Ezek.36:26.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org
sy FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *