INONA NO ILAIN’NY FIRENENA ?

Inona no ilain’ny firenena mba hampiadana azy sy hahasambatra azy? Dia ny mba hitsahatra ny fahoriany sy ny fanaintainany ary ny fangaihaizany noho ny fahantrany, ary izy hijoro ho firenena manan-jo aman-kasina, tsy ho resy tondro-maso eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena manerantany.

Inona tokoa no ilain’ny firenena ho amin’izany? Tahirim-bolamena be izay hiantoka ny tanjaky ny ariary volam-pirenena? Harena be an-kibon’ny tany sy ivelan’ny tany? Tany malalaka azony hambolena sy hanorenana? Masoandro mibaliaka sy rivotra mitsoka ary rano mikoriana andavantaona,
loharanon’angovo sy herin’aratra? Sisin-tany mitomandavana hanaovana fakan-drivotra sy hivelaran’ny fizahan-tany? Ranomasina midadasika mirakitra harena tsy hita pesipesenina? Olona manam-pahaizana isan-tsokajiny tsy latsa-danja noho ny an’ireo firenena mandroso? Mponina maro tanora afaka miasa sy mamokatra? Sns …

Tsy efa misy ao aminy sy tena ananany maro tokoa ve ireny? Raha ny marina, dia tsy misy antony tokony hampahory sy hampitolefika ity firenena ity. Kanefa, kanefa, …. Mila antoka ny amin’ny
ananany fahaizana amam-pahendrena hitantana ny harenany izy mba hahasoa sy hampiadana ny vahoaka eo aminy, ka mba hampitraka azy haingana sy hamelom-panantenana marim-pototra ao aminy, satria zony maha-olona rahateo izany sady voninahitry ny firenena.

Inona no ilain’ny firenena ? Hoy ny tonon-kira [namboarina] “Na manan-karena aza hianao, ka tsy ao aminao ny fanahy, dia ankoso-bolamena mamitaka jerena”. Hoy koa ny Evanjely na Filazantsara manamarina izany : “Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny fanahiny? Fa inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?” Mar.8:36-37. Ny ntaolo Malagasy dia niteny tamim-pahendrena nanao hoe : “Ny fanahy no maha-olona”, izay azontsika adika hoe “NY FANAHY NO MAHA-FIRENENA”. Koa ny laharam-pahamehana amin’izay ilain’ny firenena dia ny ananany fanahin’ny fahendrena sy fahazavan-tsaina, izay antoka amin’ny hijoroany, hivelarany ary handrosoany ka hahasambatra azy.

INONA NO ILAIN’NY FIRENENA ?

Ny miverina amin’Andriamanitra Andriananahary Tompon’ny fanahy sy ny nofo rehetra, sady Tompon’ny tany sy ny harena rehetra ao aminy. Hoy ny teniny “Katsaho ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo ny zavatra rehetra” Mat.6:33, dia fitahiana, fanambinana,
fahombiazana, fanasitranana, hery sy fahasalamana, fahamendrehana, fisandratana, voninahitra. “Ary hianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo” Mal.3:12.

Dia ho tanteraka tokoa anie ny faniriana voalazan’ny tononkiram-pirenena manao hoe : ”He! Sambatra tokoa izahay!”.


© D.Bruno Rabarihoela 06.02.19
Sociologue – Anthropologue politique

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *