Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady I manaraka ny Trinite 24-29 Jona 2019 “Andriamanitra mamaly”

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra mamaly, satria Azy ny famaliana. Hoy ny teniny: ”Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah – Deo.32:35”
Rom.12:19b. Izy tokoa no mamaly, satria Mpitsara Marina Izy, ary mamaly na ny soa na ny ratsy mety ataon’ny olona. Fa tsy misy takona izay tsy
ho hita eo imasony ny ataontsika sy ny fiainantsika olombelona. Fa voasoratra hoe: ”Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i
Jehovah sy mihevitra ny anarany. Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy
Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo
an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy” Mal.3:16-18, izay midika ihany koa ho ”ny manao ny sitrapony sy ny tsy manao izany”. Araka izany, dia
miezaha manao ny tsara sy ny marina, fa izany no sitrapon’Andriamanitra (Rom.12:2), ary aoka tsy ho sasatra ny manao soa, fa misy valiny lehibe
omen’Andriamanitra amin’izany (Heb.10:35). Koa dia ”Miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria
fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” 1 Kor.15:58. Ny mino Azy dia matoky ny fitondrany sy ny famaliany
amin’ny zavatra rehetra, ary dia miaro ny tenany tsy halaim-panahy hamaly bontana na ho tezitra foana, na koa ho himenomenona
amin’Andriamanitra sy hitsaratsara ny namana toy ny nataon’i Jona tamin’ny tanànan’i Ninive (Jona 4:1-11). Fa mamaly tokoa ny ataon’ny olona
rehetra tsy an-kanavaka Izy, ary ”Ho avy Izy ka tsy hitaredretra” Heb.1:37. Hoy Jesosy: ”Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako,
mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany” Apok.22:12. Matokia ny toky omen’ny tenin’Andriamanitra ”Fa izay miandry an’i Jehovah dia
mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka” Isa.40:31.

Alatsinainy 24 : Andriamanitra mamaly ny olona rehetra.
“Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra sy ny tsy voafora koa” Jer.9:24.
Vakiteny 1: Heb.10:26-31. Vakiteny 2: Jer.9:23-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.9:23.
Fitarihan-kevitra: Ny lohateny eto dia manambara fa Andriamanitra raha mamaly ny olona dia satria Masina sy Marina ary
Mpitsara izay tsy manavaka olona. Koa dia mampitandrina antsika ny teniny manao hoe: “Aza mety hofitahina hianareo;
Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany” Gal.6:7. Satria fotoan’andron’ny Trinite izao, dia
nomeny antsika “ny Fanahy mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no
mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” Rom.8:26. Izany no hahazoantsika fahamarinana sy rariny amin’Andriamanitra.

Talata 25 : Izay manam-pitiavana ataon’Andriamanitra tsy manan-tsiny.
“Izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy” 1 Jao.4:16b.
Vakiteny 1: Lio.7:36-48. Vakiteny 2: 1 Jao.4:16-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.4:16.
Fitarihan-kevitra: Antoka lehibe ny manana an’Andriamanitra Fitiavana (1 Jao.4:16) Izay amintsika (Mat.1:23), ary te hitoetra
ato anatintsika (Jao.14:23). Izy no fahamarinantsika sy fahavelomantsika ary fahatanterahantsika. Fa Izy no manova ny fo
vatontsika ho tonga fo nofo (Ezek.36:26), hahazoantsika mitia Azy ary mitia ny namantsika (Lev.19:8). Fa ”ny fitiavana no
fahatanterahana ny lalàna [lalàn’Andriamanitra]” Rom.13:10.

Alarobia 26: Andriamanitra mananatra ny tia tena.
“Anaka, tsarovy fa hianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin’ny andro niainanao” Lio.16:25a.
Vakiteny 1: Jak.2:5-12. Vakiteny 2: Lio.16:19-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.16:24-25.
Fitarihan-kevitra: Fahoriana no anjaran’ny olona tia tena, fa sambatra kosa ny olona manana fitiavana ka afaka manome sy
mizara izany amin’ny namany ory sy mahantra. Fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”Asa.20:35. Hoy
Jesosy aminy: “Mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”, “Araka izay efa
nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko” Mat.28,35,40.

Alakamisy 27: Andriamanitra mamaly ny fitarainan’ny olony.
“Ho tonga Ilay ho avy, ka tsy hitaredretra” Heb.10:37b.
Vakiteny 1: Lio.18:1-8. Vakiteny 2: Heb.10:35-39. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2: Heb.10:37-38.
Fitarihan-kevitra: Fo antra ny olona mpanota ny fon’Andriamanitra, “Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ny
fahorian’ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy” Sal.22:24. Hitany
sy fantany ny fahantrany ary ny anton’ny ilàny ny famonjeny. Dia tonga Jesosy manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo
rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28.

Zoma 28 : Andriamanitra mamaly araka ny safidin’ny olona.
“Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina” Mar.16:16.
Vakiteny 1: Heb.3:12-19. Vakiteny 2: Mar.16:12-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.16:16.
Fitarihan-kevitra: Malalaka ny safidy apetrak’Andriamanitra amin’ny olona, ary manaja izany tokoa Izy. Kanefa tsy tiany ny
hahafaty ny ratsy fanahy (Ezek.33:11), ka dia hoy Izy: “Indro, efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary
ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao” Deo.30:19.

Asabotsy 29 : Antsoy Andriamanitra, fa Izy mamaly izay miantso Azy.
“Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena” Rom.10:13.
Vakiteny 1: Sal.50:7-15. Vakiteny 2: Rom.10:10-9-15. Toriteny 1 (safidy)/ Toriten y2: Rom.10:11-13.
Fitarihan-kevitra: Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana ny Tompo (Sal.46:1). Koa amin’ny olona izay mandia ady
sarotra ary latsaka an-katerena, dia hoy Izy: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome
voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15. Hoy Jesosy, Sakaizan’ny ory: ”Fiadanana ho anao. Izaho momba anao”.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifimadanet.
org sy FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *