Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II manaraka ny Trinite 01-06 Jolay 2019 “Andriamanitra manasa ny olona”

Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Andriamanitra manasa ny olona” dia maneho indrindra ny fitiavany azy tsy ho irery na ho very (Lio.19:10). Ny foto-kevitra iorenan’ny fiantsoany dia ”Izy ho eo amin’ny olona, ary ny olona hitoetra eo Aminy”, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3b. Koa dia miantso sy mitaona ary mitarika ny olona rehetra Izy hanatona Azy mba hiditra ao amin’ny fanjakany sy ho tonga ankohonany (Efes.2:19). Ny fikendreny dia ny hahatanteraka ny fifaliany amin’ny famonjeny ny olona. Ho amin’izany, dia hoy Jesosy: ”Tomoera amin’ny fitiavako hianareo…, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo” Jao.15:9-11. Ny fanasan’Andriamanitra ny olona dia mety miseho amin’ny endrika sy fomba toy izao: – Fanasana handray fahavelomana: ”Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” Jao.6:5, – Fanasana hisotro rano. Hoy ny Tompo: ”He! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano” Isa.55:1, – Fanasana handray fitsaharana: ”Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:48, – Fanasana hibebaka: Hoy Jesosy: ”Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” Mat.4:17, – Fanasana hihaona sy hihavana amin’Andriamanitra: ”Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy” Isa.55:6, ””Iraka* solon’i Kristy izahay,…ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin’Andriamanitra anie hianareo” 2 Kor.5:20, – Fanasana hanatrika fiarahana misakafo: ”Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana” Lio.14:17b, – Fanasana ho amin’ny fanompoana: ”Ary nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Isa.6:8, – Fanasana hihaona amin’Andriamanitra: ”Miomana hihaona amin’Andriamanitrao, ry Isiraely o!” Amo.4:12b. Raha atontaly ny votoatin-kevitry ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanangana olona ho zanaka mandova ny fanjakan’ny voninahiny (Rom.8:17). Ekeo ny antsony. Valio ny fanasany.

Talata 02: Andriamanitra mandray izay rehetra manohina ny antsony.

“Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” Jao.6:37b.

Vakiteny 1: Jak.4:1-10. Vakiteny 2: Jao.6:33-40. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.6:37.

Fitarihan-kevitra: Ny hoe Andriamanitra manasa ny olona” dia manambara indrindra ny fisokafan’ny fony, izay faly sy malalaka handray ny olona rehetra ao amin’ny fanjakany hiara-misakafo Aminy. Mahereza fa Andriamanitra dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Heb.11:6. Valim-pitia ambony no omeny ny mpanota manatona Azy, fa hoy Izy: “Matokia, anaka, voavela ny helokao, Raiso ny Fanahy Masina, Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao” Mat.9:2/Jao.20:22/Mat.25:21,23.

Alarobia 03: Ny fanasan’Andriamanitra, fanasam-pitiavana.

“Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” 1 Jao.3:16a.

Vakiteny 1: Sal.133:1-3. Vakiteny 2: 1 Jao.3:13-18. Toriteny (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.3:16.

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia Fitiavana (1 Jao.4:16). Nanaiky hanolotra ny ainy tokoa Jesosy Mpiandry Tsara izay tsy mahafoy ny mpanota ho very (Lio.19:10).  “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana  fiainana mandrakizay” Jao.3:16. “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” Jao.3:17.

Alakamisy 04: Ny fahasambaran’ny olona asain’Andriamanitra.

“Sambatra izay nantsoina ho amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry” Apok.19:9a.

Vakiteny 1: 1 Kor.11:23-26. Vakiteny 2: Apok.19:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.19:6-9.

Fitarihan-kevitra: Ny atao hoe olona sambatra” dia izay mahazo antoka fa Andriamanitra tokoa no manasa azy. Fa voasoratra hoe: “Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” Rom.8:30. Sambatra izy fa voavelany ny helony, vita fihavanana Aminy izy ary ataony ho zanany tokoa.

Zoma 05: Andriamanitra miantso mba handraisana ny fiadanana.

“Mankanesa at Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra…, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28.

Vakiteny 1: Isa.55:1-3. Vakiteny 2: Mat.11:27-30. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.11:28. Fitarihan-kevitra: Fiadanana no andrandrain’ny olona mba ho azony sy hameno ny fiainany. Fomba maro sy ezaka samihafa no ataony ho amin’izany, indrindra amin’ny fandaniam-bola be mba hahazoana zavatra maro. Ny an’Andriamanitra kosa dia fanomezana tolobotsotra no ataony dia ny hoe: “Fiadanana ho anareo” Jao.20:19. Ataony izany satria Tompo Izy sady Tia.

Sabotsy 06: Valio ny fanasan’Andriamanitra.

Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana”  Lio.14:17b.

Vakiteny 1: Heb.4:1-7. Vakiteny 2: Lio.14:16-24. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Lio.14:16-17.Fitarihan-kevitra: Manasa ny olona rehetra tokoa Andriamanitra. Saingy misy ny tsy afaka miditra ao, dia ny olona tsy mino sy miavona, fa “raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika” (2 Tim.2:12); ary koa ny olona maloto izay tsy afaka hanome voninahitra ny fanasany, fa “izay tsy manam-pahamasinana tsy hahita an’Andriamanitra” Heb.12:14. Ny antoka omeny izay mino Azy kosa dia ny hoe: “Ny ran’i Kristy no manadio antsika ho afaka amin’ny tsi- fahamarinana rehetra” 1 Jao.1:9.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy FB Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org”  FB 24/24 ora, 7/7 andro.                                  

 © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *