Fitarihan-kevitra: Zava-dehibe amin’ny olombelona ny mahazo ny ”fankasitrahan’Andriamanitra”. Ny hevitr’izany dia fanamarinana azy, ny
famaliana soa ny asa tsara nataony, toy ny nitenenan’ity tompo ny mpanompony manao hoe: ”Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky* tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ny fifalian’ny tomponao” Mat.25:21. Mifanjohy amin’izany ny fanambarana nataon’i Paoly Apostoly tamin’i Timoty manao hoe: ”Fa izaho dia efa hatolotra ary efa mba akaiky ny andro fialàko. Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa” 2 Tim.4:6-8. Tsaroana indrindra koa ny fankalazana an’Andriamanitra nataon’ireo anjely manao hoe: ”Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” Lio.2:14. Ary ny tsy kely ao amin’ny tantaran’ny Filazantsara, dia ny nankasitrahan’i Jesosy ireo vehivavy: ny iray dia ilay mpitondra-tena nandrotsaka rakitra ka nitenenany manao hoe: ”Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra… dia ny fivelomany rehetra” Mar.12:43-44; teo koa ny nanosoran’ilay vehivavy Azy ny menaka manitra saro-bidy loatra ka nitenenany manao hoe: ”Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ity filazantsara ity, dia holazaina koa izay nataon-dravehivavy mba ho fahatsiarovana azy” Mat.26:13. Ny fehiny: sarobidy indrindra amin’Andriamanitra ny fahafoizana, satria mariky ny fitiavana, toa an’i Jesosy nahafoy ny ainy hamonjy antsika (Jao.10:11). Mbola mitaona antsika ny tenin’Andrimanitra manao hoe: ”Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany” Rom.12:1.
Alatsinainy 15: Ankasitrahan’Andriamanitra ny manafaka olona.
“Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: dia ny handefa ny ampahorina ho afaka” Isa.58:6.
Vakiteny 1: Lio.3:7-11. Vakiteny 2: Isa.58:6-12. Toriteny (safidy). Toriteny 2: Isa.58:6.
Fitarihan-kevitra: Maro samihafa ny fomba ataon’ny olona mba hahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra: fanaterana fanatitra,
fanaovana asa soa, fanaovana vavaka lavareny toy ireo fariseo, fifadian-kanina, fampijaliana tena, fampietrena tena. Hoy i Paoly ny
amin’izany: “Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny
fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo” Kol.2:23.
Talata 16: Ankasitrahan’Andriamanitra ny miantra ny namana.
“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” Mat.22:39.
Vakiteny 1: Rom.8:18-23. Vakiteny 2: Mat.22:35-40. Toriteny (safidy). Toriteny 2: Mat.22:39.
Fitarihan-kevitra: Ankasitrahan’Andriamanitra ny miantra ny namana satria asan’ny fitiavana. Fananarana lehibe no nataon’i Jesosy
ny amin’ireo olona tsy mba namonjy ny namany tratran’ny jiolahy teny an-dalana, dia ny mpisorona sy ny Levita. Nankasitrahany
kosa ilay Samaritana izay niantra ilay naratra, ka hoy Izy tamin’ilay mpahay lalàna tonga teo aminy: “Mandehana hianao, ka mba
manaova toy izany koa” Lio.10:37b.
Alarobia 17: Ankasitrahan’Andriamanitra ny mamindra fo.
“Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo” Lio.6:36.
Vakiteny 1: Sal.103:8-14. Vakiteny 2: Lio.6:36-42. Toriteny (safidy). Toriteny 2: Lio.6:36.
Fitarihan-kevitra: Ny hevitry ny teny hoe “mamindra fo” dia ny manaiky ny handefitra ny fahatsontsan’ny hafa sy ny tsy
fahatanterahany, ka tsy mitsara hanameloka na hanilika azy. Mampisongadina indrindra izany toetra ankasitrahan’Andriamanitra
izany ny tonom-bavaka nampianarin”i Jesosy ny mpianany manao hoe: “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka
taminay” Mat.6:12. Fa izay mamindra fo no amindrana fo (Mat.18:32-33), ary “izay malemy fanahy no handova ny tany” (Mat.5:5).
Alakamisy 18: Ankasitrahan’Andriamanitra ny fo mibebaka.
“Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” Sal.51:17b.
Vakiteny 1: Lio.18:9-14. Vakiteny 2: Sal.51:10-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.51:16-17.
Fitarihan-kevitra: Teo amin’ny Jiosy ny fiheverana fa ny ezaka fanarahan-dalàna sy ny fombam-pivavahana ary ny fifadian-kanina sy
ny fanaovana asa soa no ankasitrahan’Andriamanitra ary maha-marina ny olona. Ny olona dia mijery ny ivelany, fa Andriamanitra
kosa mandinika sy mahalala ny fo (1 Sam.16:7), ary manambara fa “tsy misy marina na dia iray akory aza” Rom.3:10. Tsy zavatra
omena na fombafomba ivelany no tadiavin’Andriamanitra fa ny fon’ny olona. Hoy Izy: “Anaka, atolory Ahy ny fonao” Oha.23:26.
Zoma 19: Jesosy no fanatitra ankasitrahana indrindra.
“Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13.
Vakiteny 1: Isa.53:7-12. Vakiteny 2: Jao.15:9-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.15:12-13.
Fitarihan-kevitra: Hoy Paoly: “Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” Rom.13:10. Tanteraka teo amin’i Jesosy indrindra izany.
Fa hoy Izy: ”Izaho no Mpiandry Tsara, ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11, “Fa Andriamanitra
mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8.
Sabotsy 20: Fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra ny fahafoizana.
« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » Asa.20:35.
Vakiteny 1: 2 Kor.8:7-12. Vakiteny 2: Asa.20:31-35. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.20:34-35.
Fitarihan-kevitra: Tombony fa tsy fatiantoka ny mahafoy ho an’ny hafa mba hamonjena azy, ary indrindra ny mahafoy ho
an’Andriamanitra mba hanompoana Azy. Hoy Jesosy: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza
no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany” Mat.16:25. Hoy koa ny Apostoly Paoly: “Fa izao no lazaiko: Izay mamafy
kely, dia kely no hojinjany; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany” 2 Kor.6:6. Fa “izay afafin’ny olona no hojinjany” Gal.6:7b.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet