Fitarihan-kevitra: Ny foto-kevibe fonosin’ny lohateny eto manao hoe ”Tompo Andriamanitra” dia midika avy hatrany hoe: ”Fantaro sy ekeo ny maha- Tompo an’Andriamanitra” eny, ”ny maha-TompoTokana Azy”. Fa voalazan’ny didy voalohany ao amin’ny Didy Folo izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy hoe: ”Aza manana Andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:3. Ary amin’izany dia manantena indrindra ny Tompo fa ny olom-boafidiny dia samy hanaiky Azy ka hiteny hoe: ”Jehovah Andriamanitray no hiankohofanay, ary Izy irery ihany no hotompoinay – (Deo.6. 13)” Mat.4:10. Fa nisandoka ny maha-Tompo azy ny devoly raha naka fanahy an’i Jesosy tany an-efitra araka voasoratra hoe: ”Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako hianao” Mat.4:8-9. Maro ny fomba hakan’ny devoly fanahy ny olona, hatramin’ny voalohany tamin’ny andron’i Adama sy Eva ka mandraka ankehitriny: fitiavam-bola, fitsiriritana ny an’ny hafa, fanaovana olona ho Andriamanitra, fitokisana amin’ny tapa-kazo sy ny asan’ny maizina, sns. Sambatra kosa izay afaka hiaiky toa an’i Tomasy izay namindran’i Jesosy fo nahita Azy nitsangana tamin’ny maty, ka nanao hoe: ”Tompo sy Andriamanitro” Jao.20:28, sy toa an’i Petera izay namaly an’i Jesosy manao hoe: ”Hianareo kosa manao Ahy ho Iza?” ka niteny hoe: ”Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” Mat.16:13-15. Fa hoy Jesosy taminy: ”Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra” Mat.15:17. Mila ny Fanahy Masina isika hampahafantatra marina an’i Jesosy amin’ny maha-Tompo sy Mpamonjy Azy. Toky no efa nomeny manao hoe: ”Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26. Ary dia hoy Izy: ”Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana” Apok.2:7.
Alatsinainy 22: Fantaro fa Tompo Andriamanitra.
“Ho fantany fa Jehovah no anarako” Jer.16:21.
Vakiteny 1: Mat.8:23-27. Vakiteny 2: Jer.16:4-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.16:20-21.
Fitarihan-kevitra: Fikendren’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny hahafantaran’ny olona ny maha-Tompo Azy izay mendrika
ny hahazo ny dera sy ny laza ary ny voninahitra (Apok.5:13), ary indrindra ny hitokisana Azy mba hamonjy sy hanafaka amin’ny
antom-pahoriana rehetra. Resy lahatra ny amin’izany ny mpanao Salamo ka nihira hoe : “Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra
no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho” Sal.73:28.
Talata 23: Fantaro ny maha-Tompo an’i Jesosy.
“Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!” Jao.20:28.
Vakiteny 1: Fil.2:5-11. Vakiteny 2: Jao.20:22-31. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.20:22-31.
Fitarihan-kevitra: Ny atao hoe “Tompo” dia izay manana fahefana amin’ny fananany. Hoy ny mpanao Salamo: “An’i Jehovah ny
tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy” S al.24:1. Hoy koa Jesosy rehefa avy nitsangana tamin’ny
maty Izy:“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” Mat.25:18. Izany dia manambara fa Tompo Izy.
Alarobia 24: Hajao ny maha-Tompo an’Andriamanitra.
“Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo” 1 Pet.3:15a.
Vakiteny 1: Mal.1:1-6. Vakiteny 2: 1 Pet.3:8-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.3:14-15.
Fitarihan-kevitra: Masina indrindra Andriamanitra ka tokony homena ny haja sy ny voninahitra tandrify Azy (Isa.6:3). Tsy amin’ny
molotra na ny fomba ivelany anefa no hitakiany izany, fa amin’ny fo. Hoy Jesosy: ”Izy firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa
ny fony kosa lavitra Ahy” Mat.15:8. Hajao ny maha-Tompo Azy, araka ny voasoratra hoe: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao
rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao; Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao” Oha.3:5-6.
Alakamisy 25: Andriamanitra Tompo mampanaiky ny zavatra rehetra.
“Ary rehefa hitan’i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy izy” Lio.5:8a.
Vakiteny 1: 1 Tan.16:23-36. Vakiteny 2: Lio.5:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.5:8.
Fitarihan-kevitra: Tsy misy zavatra tsy hain’Andriamanitra (Mat.19:26), fa Tompo Izy, izay mahay mampanaiky ny zavatra rehetra
amin’ny fahefany (Sal.8:6), ary Andriamanitra Tsitoha Izy ka manamarina ny teny rehetra izay lazainy sy ampilazainy (Lio.1:37 ). Fa
voasoratra hoe: ”Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?” Gen.18:14. Fa hoy Jesosy: “Izay zavatra tsy hain’ny
olona dia hain’Andriamanitra” Lio.18:27. Mety tokoa ny miankohoka eo anatrehany satria Tompo Izy.
Zoma 26: Mankatoava ny tenin’ny Tompo.
“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra” Mat.7:21a.
Vakiteny 1: 1 Sam.15:16-23. Vakiteny 2: Mat.7:13-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.7:21.
Fitarihan-kevitra: Tsy hain’olombelona na iza na iza ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, satria fahefan’ny Tompo irery izany,
”Izay manana ny fanalahidin’i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha” (Apok.3:7). Fa ”Ny Tompo
mahalala ny Azy” (2 Tim.2:19), dia izay rehetra vita fihavanana Aminy ka miantso ny Anarany sy manompo Azy amin’ny fo marina.
Hoy Jaona Apostoly: ”Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18.
Asabotsy 27: Omeo voninahitra ny Tompo Andriamanitra.
“Raha Ray Aho, aiza ary izay hajako ? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy?” Mal.1:6.
Vakiteny 1: Sal.66:1-7. Vakiteny 2: Mal.1:6-9.Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mal.1:6.
Fitarihan-kevitra: Hoy Paoly Apostoly: “Mandoava amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: … tahotra ho an’izay tokony
hatahorana, haja ho an’izay tokony hohajaina” Rom.13:7. Raha ny olombelona aza natao ho sahaza izany, mainka fa Andriamantra?!
Sambatra izay manaiky Azy ho Tompo ka manome voninahitra Azy, fa hoy Izy: “Izay manome voninahitra Ahy no homeko
voninahitra” 1 Sam.2:30d.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet