Fitarihan-kevitra: Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra no mampiseho ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany dia araka ny tenin’i’ Jesosy manao hoe: ”Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko” Jao.14:15. Ho an’izay tia an’Andriamanitra, dia fifaliany indrindra, fa tsy zioga tsy ataony ho tsy antonona azy, ny mitandrina ny didin’Andriamanitra. Hoy Jaona Apostoly manantitra izany manao hoe: ”Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny” 1 Jao.5:3. Hevitra roa lehibe mifameno no fonosin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, dia ny fankatoavana Azy sy ny firaisana antoka Aminy ao amin’ny fanjakany. Fa tsy misy fanjakana raha tsy misy ny didy sy ny lalàna natao ho tandremana. Araka izany, ny fitandremana ny didy dia mariky ny fanekena lalina izay ifanaovan’ny olona amin’Andriamanitra, araka ny teniny manao hoe: ”Hataoko ato an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony” Jer.31:33a. Koa izay mitandrina ny didy no anaovan’Andriamanitra fanekena manao hoe: ”Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko” Jer.31:33b. Araka izany, dia loharanom-pitahiana lehibe ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, ”izay mahavelona ny olona mankatò azy” Neh.9:29. Koa ny atao hoe finoana dia fatokiana an’Andriamanitra Izay inoana sy fankatoavana ny teniny, araka ny voasoratra hoe: ”Ny marina amin’ny finoana no ho velona” Hab.2:4. Loharanom-pitahiana tretrika sy maharitra ny fitandremana ny didin’Andriamanitra; fa hoy ny Tompo: ”Raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany hianao;
ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deo.28:1-2. Dia hoy Jesosy: ”Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany”
Jao.15:7; fa hoy Izy: ”Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka” Mat.5:17.
Alatsinainy 29: Tandremo ny didim-pitiavana an’Andriamanitra.
“Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” Eks.20:3.
Vakiteny 1: Mat.6:24-34. Vakiteny 2: Eks.20:1-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Eks.20:3.
Fitarihan-kevitra: Tiava an’Andriamanitra, ary Izy Irery Ihany. Fa halan’Andriamanitra ny miroroa saina, fa toy ny fivadihana izany.
Ny olona manao fivavahana manao tan-droa, dia“izay miankohoka sy mianiana ho an’i Jehovah sady mianiana amin’i Malkama”
Zef.1 :4. Hoy Jakoba Apostoly : “Aoka hangataka amin’ny finoana ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alondranomasina
entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa
saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra” Jak.1:4-5.
Talata 30: Aza manota, fa tiava an’Andriamanitra.
“Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy” Rom.6:11.
Vakiteny 1: Sal.4:1-5. Vakiteny 2: Rom.6:3-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.6:11.
Fitarihan-kevitra: Misy tombony sy hahazoana fahasoavana va ny manompo ny ota? Sanatria izany. Hoy Paoly: “Fa Kristy no
anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony” Fil.1:21. Ary noho izany, dia hoy izy: “Voahombo miaraka
amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20.
Alarobia 31: Tandremo ny fahamarinana.
“Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra
mihitsy hianareo” Mat.5:20.
Vakiteny 1: 1 Jao.3:14-18. Vakiteny 2: Mat.5:20-26.Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: Mat.5:20.
Fitarihan-kevitra: Hoy ny Soratra Masina: “Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany
masina? Izay madio tanana sy mahitsy fo” Sal.24:3. Hoy Jesosy: “Mmitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo
sy ny Sadoseo” Mat.16:6, dia ny fihatsaram-belatsihy, fa ”sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra” Mat.5:8.
Alakamisy 01: Ny fitandremana ny didy, antoka hahatonga fitahiana.
“Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo
imasony isika” 1 Jao.3:22.
Vakiteny 1: Deo.28:1-12. Vakiteny 2: 1 Jao.3:19-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.3:22.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manorina ny fanjakàm-pahasoavany amin’ny alalan’ny fitandremana ny teniny. Raiso sy ankatoavy
ny tenin’ Andriamanitra ary tehirizo ao am-po tahaka ny mpanao Salamo nanao hoe: “Ato am-poko no iraketako ny teninao mba tsy
hanotako Aminao” Sal.119:11, “fa aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra” Oha.4:22.
Zoma 02: Ny fitandremana ny didy, antoky ny firaisana amin’Andriamanitra
“Izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy” 1 Jao.3:24a.
Vakiteny 1: Jao.14:15-21. Vakiteny 2: 1 Jao.3:21-24. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: : 1 Jao.3:24.
Fitarihan-kevitra: Ny olon’ny fanjakan’ny lanitra dia miray antoka amin’Andriamanitra ka manaraka ny didiny izay mifehy ny
fanjakany sady fototra iorenany rahateo. Didim-pitiavana ny didin’Andriamanitra, satria “Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16. Fa
“ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” Rom.13:10. Hoy Jesosy: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny
fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” Jao.15:10.
Sabotsy 03: Jesosy Kristy, modelin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra.
“Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” Mat.26:39b.
Vakiteny 1: Sal.40:6-10. Vakiteny 2: Mat.26:36-46. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: : Mat.26:39.
Fitarihan-kevitra: Ankasitrahan’Andriamanitra indrindra ny mitandrina ny didiny. Tanteraka izany teo amin’i Jesosy, ka hoy ny Ray
“Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” Mat.17:5. Ny zanak’Andriamanitra rehetra izay mino Azy dia tia sy mitandrina
ny teniny (Jao.14:15). Hoy Izy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” Jao.10:27.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet