Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VIII manaraka ny Trinite 12-17 Aogositra 2019 “Andriamanitra momba ny olony”

Fitarihan-kevitra: Ny hoe ”Andriamanitra momba ny olony” dia manambara fa tia ny Azy indrindra Izy, ka tsy mahafoy azy na mamela azy ho irery, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra mety ho diaviny, toy ny ady, aretina, fahasahiranana ara-piainana, loza sy fahafatesana rahateo. Momba ny olony tokoa Andriamanitra, koa na inona na inona zava-manjo azy, dia tsy miova ny fitiavany azy. Fa teny fanekena lehibe izay miendrika fianianana no nataony tamin’ny olony, toy ny tamin’i Josoa manao hoe: « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory – Jos.1:5)” Heb.13:5. Dia toy izany koa no nanomezan’i Jesosy toky ireo mpianany, nialoha ny fotoan-tsarotra niaretany, manao hoe: ”Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho” Jao.14:18. Milaza izany teny rehetra izany fa Andriamanitra tsy manadino na manary ny olony, sanatria . Fa Izy efa nanaiky ny homba antsika, ary dia miandany amintsika, miray antoka amintsika mba ahafahantsika hiteny mijoro vavolombelona toa an’i Paoly Apostoly hanao hoe: ”Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika” Rom.8:37. Lehibe indrindra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra miantra ny olony, ary tsy latsaka izany koa ny heriny sy ny fahefany hamonjy azy. Ho amin’izany, sy ho amin’ny antony mahakasika ny lafim-piainany rehetra, na asa atao, na iraka tanterahina, na fijoroana volombelona, na ady atrehina, na fiahiana ny ara-pivelomana, dia misy indrindra ireo teny fikasana izay efa nomen’ny Tompo hatry ny ela ireo razana tany aloha sy ireo mpanompony, mba hampiorina tsara ny finoan’ny olony, ka anehoany ny voninahiny sy ny fitiavany azy. Andeha fehezintsika izy ireny amin’ireo fanambarana nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany manao hoe: ”Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33. Ary koa: ”Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20b. Koa minoa fa mahatoky ny Tompo Izay efa niteny hoe: ”Izaho Jehovah no Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely, Mpamonjy anao” Isa.43:3a.

Alatsinainy 12: Andriamanitra momba ny olony.
“Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah” Jer.15:20d.
Vakiteny 1: 2 Tim.3:10-17. Vakiteny 2: Jer.15:19-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.15:20-21.
Fitarihan-kevitra: Sarobidy amin’Andriamanitra ny olony, ka momba azy Izy. Fa natsangany ho vavolombelona mitondra ny Anarany
izy eo anivon’izao tontolo izao izay tsy mahalala an’Andriamanitra. Hoy ny toky nomeny an’i Josoa nandimby an’i Mosesy: ”Koa
mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao” Jos.1:1.

Talata 13: Andriamanitra momba izay manao ny sitrapony.
“Fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra” Mat.7:21.
Vakiteny 1: Jak.2:20-26. Vakiteny 2: Mat.7:15-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.7:21.
Fitarihan-kevitra: Ny sitrapon’ny Ray dia ny zanaka manome voninahitra Azy amin’ny fankatoavana Azy sy ny fanoavana ny teniny.
Fa hoy Izy: “Ny zanaka manaja ny rainy,…; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Mal.1:6. Ny
zanaka tia ny Ray dia mazoto mitandrina ny didiny sy manao ny sitrapony, toa an’i Jesosy nanao hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko anie no
hatao, fa ny Anao” Mat.26:39. Ary dia matoky izy fa malalaka aminy ny fon’ny Ray mamaly ny vavaka ataony (1 Jao.5:14).

Alarobia 14: Andriamanitra momba ny olony, ka manamarina azy.
“Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa” 1 Jao.2:2.
Vakiteny 1: Zak.3:1-5. Vakiteny 2: 1 Jao.1:8-10;2:1-2. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2:1-2.
Fitarihan-kevitra: Voasoratra hoe: “Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo
izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” Jao.3:17. Tsy tonga hanameloka tokoa Jesosy fa ”hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10.
Ho amin’izany, dia “novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany
tamin’ny hazo fijaliana” Kol.2:14. Minoa Azy, fa “Izay mino Azy dia tsy helohina” Jao.3:18.

Alakamisy 15: Andriamanitra momba ny olony, ka mampandresy azy.
“Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?” Rom.8:31b.
Vakiteny 1: Nom.23:19-26. Vakiteny 2: Rom.8:28-32. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:31.
Fitarihan-kevitra: Voalazan’ny Soratra Masina fa nahery an’ady ny Zanak’Isiraely noho ny tanan’Andriamanitra nomba azy. Momba
ny olony tokoa Izy, dia izay manaiky ny hiray antoka Aminy ary mitoetra matoky Azy. Hoy ny teny fikasana nomeny ny Isiraely:
“Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny
fahavalonao rehetra anao Aho” Eks.23:27. “Mioerana tsara, aza miova” 1 Kor.15:58, ny Tompo momba anao.

Zoma 16: Andriamanitra momba ny olony, ka mitahy azy.
“Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao” Nom.6:24.
Vakiteny 1: Sal.23:1-6. Vakiteny 2: Nom.6:22-27. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Nom.6:22-24.
Fitarihan-kevitra: Abrahama dia olon’ny fankatoavana an’Andriamanitra. Ary noho ny nanekeny hanolotra an’Isaka lahitokany ho
fanatitra, dia nasandratr’Andriamanitra izy ka nomeny teny fikasana manao hoe: “Dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia
hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary amin’ny
taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao” Gen.22:17-18.

Sabotsy 17:Andriamanitra momba ny olony, ka mampandova azy ny fanjakany.
“Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” Rom.8:17a.
Vakiteny 1: Mat.25: 31-40. Vakiteny 2: Rom.8:12-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.8:16-17.
Fitarihan-kevitra: Hoy Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka
handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3. Ataony tokoa izany amin’ny olony mahatoky, fa “izay
notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa”
Rom.8:30.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *