Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manamarina ny olona ka tsy tiany hangaihay na ho very izy, satria mpanota tsy marina. Satria ny tsy marina dia tsy manana anjara amin’ny fanjakan’ny lanitra, ka tsy afaka hiditra ao aminy na handova izany (Apok.22:15). Ny atao hoe ”tsy marina” dia izay rehetra tsy manoa ny sitrapon’Andriamanitra, fa manao izay mifanohitra amin’izany, dia ny sitrapon’ny tenany, ka mandeha araka ny nofo, sy manao ny sitrapon’ny devoly izay fahavalo mpikomy tamin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany. Soritiny mazava ny lalan’ny fahamarinany ho an’ny olona manao hoe:”Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy” Isa.55:7. Fa hoy Izy: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, mba ho velona izy” Ezek.33:11b. Ny fahatanterahan’ny fahamarinan’ny olona mpanota dia ny hananganan’Andriamanitra azy ho zanany, koa ”raha zanaka, dia mpandova an’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy koa” Rom.8:17. Ary satria tsy haintsika sady tsy vitantsika ny fanamarinana ny tenantsika, dia nomeny antsika ny Zanany Lahitokana hanavotra antsika,dia Jesosy Kristy maty hisolo antsika araka ny voasoratra hoe: ”fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” Rom.3:23-24. Andriamanitra manamarina ny mpanota, dia Izy manao antsika ho marina, ho afaka amin’ny fanamelohana noho ny fahadisoantsika, ary ho voavela heloka noho ny fahotantsika. Mahagaga
indrindra tokoa ny famindrampon’Andriamanitra, fa ”fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8, dia Izy nividy antsika
tamin’ny rany masina sarobidy indrindra (1 Pet.1:19). Rehefa izany, dia ambaran’ny Soratra Masina hoe: ”Fa tsy misy fanamelohana ho an’izay ao
amin’i Kristy Jesosy” Rom.8:1. Fa Jesosy no ”natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” Rom.4:25.
Alatsinainy 02: Ny fahasoavan’Andriamanitra no manamarina ny olona.
“Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy” 1 Kor.15:10.
Vakiteny 1: Sal.23:1-6. Vakiteny 2: 1 Kor.15:1-10.Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.15:10.
Fitarihan-kevitra: “Ny fahasoavan’Andriamanitra” dia ny famindrampony izay mamela ny heloky ny mpanota. Notanterahany
amintsika izany noho ny asa fanavotana vitan’i Jesosy, tamin’ Izy nividy antsika tamin’ny rany ho an’Andriamanitra (1 Pet.1:19).
Hoy Paoly Apostoly: “Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy” Rom.8:33. Fa
voasoratra hoe: “Fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8. Fahasoavana lehibe indrindra izany.
Talata 03: Andriamanitra manamarina izay miaiky ny fahotany.
“Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota” Lio.18:13.
Vakiteny 1: Isa.55:6-7. Vakiteny 2: Lio.18:9-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.18:13.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia mahari-po sady be famindram-po ka tsy mamaly araka ny ratsy natao (Isa.55:7b), fa tia sy
vonona ny hamela heloka ny mpanota izay mahatsiaro ny fahadisoany ka mibebaka ny amin’izany. Azo antoka ny tenin’i Jaona ilay
“Apostolin’ny fitiavan’Andriamanitra” noho izy nahalala akaiky ny fon’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha miaiky ny fahotantsika isika,
dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra” 1 Jao.1 :9.
Raiso sy ivelomy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra, ary “aza manota intsony” Jao.8 :11. Izay no fanamarinana omeny.
Alarobia 04: Andriamanitra manamarina izay mino Azy.
“Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany – Gen.15:6” Rom.4:3.
Vakiteny 1: Mat.9:1-8. Vakiteny 2: Rom.4:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Asa.4:1-3.
Fitarihan-kevitra: Izay velona amin’ny finoana no hamarinin’Andriamanitra. Hoy Tompo: “Ny oloko marina dia ho velon’ny
finoana” Heb.10:38a. Izany dia ny fitokisana ny asam-panavotana nataony tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Koa dia “Minoa
an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao…” Asa.16:31a. Fa “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36.
Alakamisy 05: Andriamanitra manamarina izay manao ny sitrapony.
“Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah” 2 Sam.22:21.
Vakiteny 1: Apok.22:10-13. Vakiteny 2: 2 Sam.22:21-29.Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Sam.22:21.
Fitarihan-kevitra: Ankasitrahan’Andriamanitra tokoa izay manao ny sitrapony sy mandeha araka ny lalany ary manoa ny didiny.
Mariky ny fitiavana an’Andriamanitra izany, fa hoy Jesosy: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” Jao.14:15. Ataony ho
ny tsy manan-tsiny izay manao toy izany, fa “ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna” Rom.13:10, ary hahazoana sitraka eo
imasony. Tsy fomba ivelany izany, fa fandresen-dahatry ny fo. Hoy Paoly: “Ny fitiavan’i Kristy no manery anay” 2 Kor.5:14a.
Zoma 06: Andriamanitra miantso ny mpanota mba hohamarininy.
“Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota” Mat.9:13.
Vakiteny 1: 2 Pet.3:8-10. Vakiteny 2: Mat.9:9-13. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.9:13.
Fitarihan-kevitra: Mitady sy miantso ny mpanota tokoa Jesosy satria sarobidy amin’Andriamanitra ny fanahy iray ka tsy tiany ny
hahavery azy. Fa hoy Izy raha nanao fanoharana: “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy
mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo
an-tsorony, ka dia faly izy” Lio.15:4-5. Meteza ho hitan’Andriamanitra mba hanamarinany anao.
Sabotsy 07: Jesosy mifona ho an’ny mpanota mba hahamarina azy.
“Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” 1 Jao.2:1b.
Vakiteny 1: Rom.8:33-37. Vakiteny 2: 1 Jao.2:1- 6. Toriteny 1(safidy). Toriteny 2: 1 Jao.2:1-2.
Fitarihan-kevitra: Satria tsy haintsika ny mifona amin’Andriamanitra, dia mifona ho antsika Jesosy Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra
nitondra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao.1:30), ary henoin’ny Ray ny fitarainany ho antsika satria Marina sy Masina Izy. Fa Izy no
“Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona” Heb.2:17.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy FB
“Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet
Misaotra indrindra tompoko fa tena velona ny fanantenana hiatrika ny asa fanompoana