Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XII manaraka ny Trinite 09-14 Septambra 2019 ”Andriamanitra mampifaly ny olona”

Fitarihan-kevitra: Ny fikendren’Andriamanitra hatramin’ny naharian’izao zavatra ary rehetra izao dia ny hampifaly ny olona. Ho amin’izany, dia naneho ny hatsaran’ny asan’ny tanany Izy araka ny voasoratra hoe: ”Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” Gen.1:31. Izany koa no noventesin’ny mpanao Salamo manao hoe: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany” Sal.104:24. Koa mba hahatanteraka ny fifalian’ny olombelona, dia nandidy Izy ka nanao taminy hoe: “Ary Andriamanitra nitsodrano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany” Gen.1:28. Ary dia toy izany koa ny amin’ny zavatra hafa sisa rehetra: ny anana manintsam-boa rehetra, ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa ary ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan’aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany (Gen.1:29-30). Fa ny fahafenoan’ny fifalian’Andriamanitra ny amin’ny olombelona, ary tiany hifaliantsika
koa, dia ny ahitany ny mpanota very miverina Aminy, araka ny voasoratra hoe: “Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very” Lio.15:5-6. Dia toy izany koa ny nifalian’ny rainy ny amin’ilay zanaka adala niverina taminy (Lio.15:22-24). Maro samihafa ny antony hampifalian’Andriamanitra ny olona: avelany heloka izy ka atsangany ho zanaka mandova ny haren’ny fanjakany; ankoatra izany azy ny fanomezany ny zava-mahasoa ilainy: fahasalamana,
fanasitranana, fanambinana amin’ny atao, taranaka vanona, sy ny sisa tsy tambo isaina. Vonona ny Tompo hampifaly azy, fa hoy Jesosy: ”Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” Jao.16:24b. Ary noho izany, dia manantitra ny Apostoly Paoly, na dia tanatin’ny figadrana aza nanao hoe: ”Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia” Fil.4:4. Ny mifaly amin’ny Tompo? Fanomezana voninahitra an’Andriamanitra!

Alatsinainy 09: Tian’Andriamanitra ny mampifaly ny olona.
“Ny malahelo ao amin’ny olona hifaly amin’ny Iray Masin’ny Isiraely” Isa.29:19b.
Vakiteny 1 : Fil.4:4-7. Vakiteny 2 : Isa.29:18-19. Toriteny 1 (safidin’ny mpitory). Toriteny 2 : Isa.29:19.
Fitarihan-kevitra: Fampiononana lehibe sy fampaherezana ny olona raha Andriamanitra mampifaly azy. Izany no mamelona ny finoany sy
manohana ny fanantenany ka mampitraka ny fiainany, dia antoky ny fahasalamany sy ny fahavelomany ary endriky ny fandreseny amin’ny
adiny rehetra. Fa ny Tompo maneho ny voninahiny aminy, ary manome toky fa momba azy (Rom.8:37). Sambatra izay mino Azy sy mifaly
manao ny asany “fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra” 2 Kor.7:9b. Mahaiza mifaly amin’Andriamanitra, fa Izy vonona
hampifaly ny olony. Ho amin’izany dia hoy Jesosy: “Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” Jao.16:24b.

Talata 10: Ny mino mifaly amin’ny asan’ny Fanahy Masina.
“Tsy mainka hisy voninahitra ny fanompoana omban’ny Fanahy” 2 Kor.3:8.
Vakiteny 1 : 1 Pet.4:14-19. Vakiteny 2 : 2 Kor.3:4-9. Toriteny 1 (safidin’ny mpitory). Toriteny 2 : 2 Kor.3:7-8.
Fitarihan-kevitra: Tanteraka izany teo amin’ireo Apostoly, araka ny voasoratra hoe: “Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo
eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana izay nomba azy. Amena” Mar.16:20. Fa ny Fanahy
Masina dia ny Tompo eo amin’ny olona (2 Kor.3:17). Fa hoy Jesosy: “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy
amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” Jao.15:26.

Alarobia 11: Mifalia amin’Andriamanitra fa tsara ny asany.
“Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana” Mar.7:37.
Vakiteny 1 : Gen.1:26-31. Vakiteny 2 : Mar.7:31-37. Toriteny 1 (safidin’ny mpitory). Toriteny 2 : Mar.7:37.
Fitarihan-kevitra: Tsara ny nanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, dia asa feno sy tanteraka. Koa dia midera sy mihira Azy avokoa ny
asan’ny tanany, satria endriky fahatsaran’Andriamanitra Mpanao azy izany. Manentana ho amin’izany ny tononkiran’ny mpanao Salamo
manao hoe: “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia” Sal.150:6. Ny fahatsaran’ny asan’Andriamanitra dia
vavolombelon’ny fahavelomany, fa “Andriamanitra tsy an’ny maty fa an’ny velona” Mat.22:32b. Izany dia araka ny voasoratra hoe: “Fa tsy
misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana, any amin’ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?” Sal.6:5. “Miderà an’i Jehovah, fa
tsara Izy” Sal.118 :29a. Mifalia Aminy !

Alakamisy 12: Andriamanitra mampifaly ny olona amin’ny famelana ny helony. “Mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony” Isa.40:2a.
Vakiteny 1 : Mat.9:1-8. Vakiteny 2 : Isa.40:1-5. Toriteny 1 (safidin’ny mpitory). Toriteny : Isa.40:2.
Fitarihan-kevitra: Tanteraka ny fifalian’ny olona voavela heloka, fa voasoratra hoe: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy
voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny” Sal.32:1-2. Izany dia noho izy
afaka amin’ny fanamelohana noho ny ota (Rom.8:1) sy ny fiampangan’ny devoly ary ny faningoran’ny eritretriny (Zak.4:3). Fa faly izy fa
nohamarinin’Andriamanitra, nataony ho tsy manan-tsiny tahaka Azy, afaka mandova ny fanjakany (Sal.24:3-6).

Zoma 13: Andriamanitra mampifaly ny olona amin’ny fihaonana Aminy.
“Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo” Jao.20:20.
Vakiteny 1 : Sal.27:7-13. Vakiteny 2: Jao.20:11-20. Toriteny 1 (safidin’ny mpitory). Toriteny : Jao.20:19-20.
Fitarihan-kevitra: Ny fihaonana amin’Andriamanitra dia ny fanatrehana Azy. Hoy ny mpanao Salamo: “Sambatra izay mitoetra ao antranonao;
hidera Anao mandrakariva izy. Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ny
tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy” Sal.84:4-10. Hoy Jaona Apostoly: “Fantatsika
fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” 1 Jao.3:2b.

Sabotsy 14: Ny mino faly amin’ny asan’Andriamanitra.
“Minoa Ahy noho ny asa ihany aza” Jao.14:11b.
Vakiteny 1 : Joba 42:1-6. Vakiteny 2 : Jao.14:8-11. Toriteny 1 (safidin’ny mpitory).Toriteny 2 : Jao.14:11.
Fitarihan-kevitra: Ny mino mifaly amin’ny asan’Andriamanitra satria izany no anehoana ny voninahiny eo aminy. Tanteraka aminy ny
tenin’i Jesosy tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy sady rahavavin’i Maria, manao hoe: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho
hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40. Fa hoy Jesosy: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny” Jao.6:29.
Ny tenin’i Jesosy dia Teny tonga nofo (Jao.1:14). Faly izay mino izany fa ho velona (Jao.5:24).

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy FB
“Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *