Hira & Filazantsara Alahady XIV manaraka ny Trinite 23-28 Septambra 2019
“Ny mino velon’ny finoana”
Fitarihan-kevitra: ”Ny mino velon’ny finoana”. Teny fanorenana nataon’ny Tompo izany, araka ny voasoratra hoe: ”Ary ny oloko marina [ny marina] dia ho velon’ny finoana; Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab.2:3,4). Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy” Heb.10:38-39. ”Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” Heb.11:6, izay midika fa tsy misy ahazoana mifandray amin’Andriamanitra raha tsy amin’ny finoana, na koa raha tsy misy ny finoana. Fa ”Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” Heb.11:1; fa ”izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Heb.11:6b. Koa ny hoe ”mahazo sitraka amin’Andriamanitra” dia ny ”mahazo fitia eo imasony” ary dia mahazo toky fa tsy ailik’Andriamanitra, na ho laviny. Fa sitrak’Andriamanitra tokoa isika hino Azy, ary dia izay no mampahalalaka ny fony handray antsika, ka anokafany ny varavaran’ny fanjakan’ny lanitra mba hidirantsika sy handraisantsika ny fahasoavany ary handovantsika ny fiainana mandrakizay. Izay no nahasahian’i Jaona Apostoly niteny nanao hoe : “Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika” 1 Jao.3:22. Ny ankasitrahany dia isika mino Azy; isika matoky izay lazainy ary manankina ny fiainantsika sy izay rehetra ataontsika Aminy, toy ny zanaka tsy mandia lalana samy irery fa matoky ny rainy izay mitantana azy, ka miaro sy miahy azy ary manome izay ilainy araka ny tenin’ny
mpanao Salamo (Sal.37:5). Fa misy tokoa mantsy ny atao hoe ”fahavalon’ny finoana” dia ny sitrapon’ny nofo, ny ota, ny devoly mpaka fanahy, ny fomban’izao tontolo izao manompo filana, fieremana, rehaka (1 Jao.2:16), izay antony mahatonga ny ”tsy finoana”, dia ny fanoherana an’Andriamanitra, ny tsy fankatoavana ny teniny, ny fankahalana izay masina. Mahitsy ny tenin’i Jesosy mamaly izany manao hoe: ”Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina” Mar.16:16. Araka izany, ”aza ho isan’izay tsy mino fa minoa” Jao.20:27d, fa ”ny marina ho velon’ny finoany” Hab.2:4b.
Alatsinainy 23: Ny mino velon’ny finoana.
“Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao” Lio.17:19.
Vakiteny 1: Heb.11:8-19. Vakiteny 2: Lio.17:11-19. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.17:19.
Fitarihan-kevitra: Amin’ny finoana no andraisana ny famonjen’Andriamanitra, ary mbola amin’ny finoana ihany koa no anolorana tena ho Azy sy hanompoana Azy ka hamaliana ny antsony hanao hoe: “Inty aho, iraho aho” Ia.6:8b. Fa voasoratra hoe: “Fa raha tsy
amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” Heb.11:6a. Koa amin’izany, dia “Finoana no andehanantsika, fa tsy
fahitana” 2 Kor.5:7. Fa hoy ny Tompo: “Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana” Heb.10:38a.
Talata 24:Ny mino mifaly amin’Andriamanitra
“Fa Hianao no fiderako” Jer.17:14d.
Vakiteny 1: 1 Tes.5: 16-24. Vakiteny 2: Jer.17:13-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.17: 14.
Fitarihan-kevitra: Ny mino mifaly amin’Andriamanitra ary midera Azy, satria ambonin’ny anarana rehetra Izy, ary ekeny ho
Tompony sy Mpamonjiny; fa Izy no momba sy miahy azy (Isa.46:4). Zava-dehibe sy laharam-pahamehana aminy ny manao izany, na
amin’ny mora na amin’ny sarotra, na amin’ny fifaliana na amin’ny fahoriana (1 Tes.5:18), ary matoky sy mahafantatra izy “Fa ny
zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo” Rom.8:28.
Alarobia 25: Ny mino manaiky ho tarihin’ny Fanahy.
“Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo” Gal.5:16.
Vakiteny 1 : Jao.21:18-22.Vakiteny 2 : Gal.5:16-24.Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Gal.5:16.
Fitarihan-kevitra: Ny mino te-hivelona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy hanao ny sitrapony, dia manaiky ho tarihin’ny
Fanahy Masina, satria nateraky ny Fanahy izy (Jao.3:5). “Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra” Rom.8:4. Fa ny Fanahy no mitarika ho amin’ny fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra dia “izay tsara sady ankasitrahana no marina”
(Rom.12:2b) .
Alakamisy 26: Ny mino mandresy amin’ny finoana.
“Ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika” 1 Jao.5:4b.
Vakiteny 1: Heb.11:30-34 . Vakiteny 2: 1 Jao.5:1-5. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Jao.5:4-5.
Fitarihan-kevitra: Antoka ataon’Andriamanitra ny hanamarina ny teniny ho an’izay rehetra mino izany, araka ny tenin’i Jesosy
tamin’ilay kapiteny nangataka ny hanasitranany ny ankizilahiny nararin’ny paralysisa manao hoe: “Tongava aminao araka izay
inoanao” Mat.8:13. Fa ny “mino” dia ny matoky an’Andriamanitra sy ny teniny (Lio.1:37), izay velona sy mahery (Heb.4:12).
Zoma 27: Ny mino mivavaka amin’ny finoana.
“Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo” Mat.21:22.
Vakiteny 1: 1 Sam.1:9-17. Vakiteny 2: Mat.21:18-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.21:21-22.
Fitarihan-kevitra: Ny mivavaka amin’ny finoana no ankasitrahan’Andriamanitra ary hamarininy. Mahazo sitraka eo imasony ny olona, na dia mpanota aza, kanefa mino Azy ary matoky fa tsy hanosi-bohon-tanana ny vavaka ataony. Toy izany no nataon’ ilay
vehivavy kananita izay nanana zanaka-vavy nampahorin’ny demonia ka nitalaho tamin’i Jesosy ary nahazo ny famonjeny (Mat.15:21-
28). Fa hoy Jesosy: “Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany…” Jao.14:13.
Sabotsy 28: Ny mino mihazona ny tenin’Andriamanitra.
“Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao” Sal.119:11.
Vakiteny 1: Mat.7:24-27. Vakiteny 2: Sal.119:9-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.119:9-11.
Fitarihan-kevitra: Ny mino izay mihazona ny tenin’Andriamanitra dia hazonin’ny tanan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ny
teniny. Tokim-pamonjena lehibe sady antoka hahatonga fitahiana ho azy tokoa izany. Fa mandalo sy miovaova izao rehetra izao, fa
izay mihazona ny tenin’Andriamanitra kosa no manana fiainana (Jao.1:4) ary mitoetra amin’ny firaisana amin’i Jesosy (Jao.15:10).
Hoy Paoly Apostoly: “Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra” Rom.14:22.
Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet Hi&Fi