Fiangonana Loterana Malagasy

Hira & Filazantsara

Alahady XVII manaraka ny Trinite 14-19 Oktobra 2019

“Andriamanitra manome rariny ny olony”

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra manome rariny ny olony, satria tia rariny Izy sady tia ny olony. Fa mitaky rariny ny olona satria iharan’ny ”tsy rariny”, dia ny tsy fahamarinana. Ny rariny omen’Andriamanitra ny olony dia Izy manamarina ny finoany, ka manatanteraka ny teny fikasana izay omeny. Koa na dia mety ho mafy aza ny fitsapana iaretan’ny olon’Andriamanitra noho ny tsy fahamarinana, Andriamanitra manome rariny azy ka manamarina azy, satria Andriamanitra Marina Izy (Apok.19:1) sady Andriamanitra Fitiavana (1 Jao.4:16). Fa voasoratra hoe: ”Fa Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina” Sal.37:28a. Ny ”olony” dia izay rehetra mandala ny sitrapony sy manao ny asany ary miankina Aminy. Fahasaro-piaron’Andriamanitra no anomezany rariny ny olony, dia Izy momba azy, miandany aminy, ary mampahery sy mampandresy azy amin’ny adiny rehetra. Fa manana ady avokoa ny
olon’Andriamanitra, dia ny ”adin’ny finoana”; saingy mahery izy noho Andriamanitra miady ny adiny (Isa.49:25b), ary mahery ny finoana satria Izy no ”Tompony sy Mpanefa azy” Heb.12:2. Koa dia tsy misy mahasakana ny asan’ny finoana, fa mandresy ny zavatra rehetra izy, dia ny ota (1 Jao.3:9), ny devoly sy ny asa ratsiny (Lio.10:19), izao tontolo izao sy ny fombany (1 Jao.5:4). Araka izany, dia toky feno no omeny ny olony manao hoe: ”Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho sady mamonjy anao; Eny, mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao. … Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tananao ankavanana, dia ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy
anao” Isa.41:10-12, izany hoe ”hanome rariny anao”. Teny raisina amin’ny finoana izany, satria ny olon’Andriamanitra dia velon’ny finoana (Heb.10:38) ary miady sy mandresy amin’ny finoana (Heb.11:6). Amin’ny andron’ady indrindra no anomezan’ny Tompo rariny ny olony; fa hoy Jesosy: ”Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33b.

Alatsinainy 14: Andriamanitra manome rariny ny olony.
“Izy hanandratra ny tandroky ny voahosony” 1 Sam.2:10d.
Vakiteny 1: 1 Kor.1:26-31. Vakiteny 2: 1 Sam.2:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Sam.2:10.
Fitarihan-kevitra: Noho ny Anarany sy ny fahasaro-piarony, ny Tompo dia tsy mamela ny olom-boafidiny hangaihay, fa manao famaliana
ho azy mba hanomezany rariny azy. Fa tsy foana tsy akory ny fikelezanain’izay manompo Azy (1 Kor.15:58). Fa efa niteny Izy manao hoe:
“Ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy”, “Ary hiposaka
aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tanany…” Mal.3:18,20.

Talata 15: Andriamanitra manome rariny ny mpandefitra.
“Mandeha amin’ny fahari-po mifandefitra amin’ny fitiavana” Efes.4:1,2.
Vakiteny 1: Sal.10:10-18. Vakiteny 2: Efes.4:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Efes.4:1-2.
Fitarihan-kevitra: Hoy ny mpanao Salamo: “Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana”
Sal.37:11. Ny mpandefitra dia izay malemy fanahy ka tsy mamaly ratsy ny ratsy na manozona olona, fa mametraka ny adiny amin’Andriamanitra Tompon’ny famaliana izay mitsara sy manapaka ny zavatra rehetra. Mampahery ny olony izay iharan’ny tsy rariny Izy ka mampiteny ny mpanao Salamo manao hoe: “Ankino amin’i Jehovah ny lalanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka. Ary hampiseho ny
fahamarinanao tahaka ny mazava Izy, ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana” Sal.37:5-6.

Alarobia 16: Andriamanitra manome rariny izay manetry tena.
“Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra” Lio.14:11.
Vakiteny 1: Joba 42:1-10. Vakiteny 2: Lio.14:1-11. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.14:11.
Fitarihan-kevitra: Toetra ankasitrahan’Andriamanitra indrindra ny fanetren-tena. Hoy Paoly Apostoly ny amin’i Jesosy: ”Fa nofoanany ny
tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanomposy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona” Fil.2:7. Omen’Andriamanitra
rariny sy asandrany tokoa izay manetry tena ka manome voninahitra Azy. Fa hoy indrindra ny Apostoly Petera: ”Koa amin’izany manetre
tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro” 1 Pet.5:6.

Alakamisy 17: Andriamanitra manome rariny ny olony mitaraina Aminy.
“Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina Aminy?” Lio.18:7a.
Vakiteny 1: Isa.62:6-12. Vakiteny 2: Lio.18:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.18:7.
Fitarihan-kevitra: Tsy zavatra kely amin’Andriamanitra ny fitarainan’ny olony. Hoy ny teniny tamin’i Mosesy fahizay: “Ary ankehitriny,
indro, ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ny Egyptiana azy. Koa avia
ankehitriny hianao hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta” Eks.3:9-10. Toky no efa
nomen’ny mpanao Salamo: “Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy” Sal.145:19. Fa efa niteny Izy
nanao hoe: “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao” Sal.50:15.

Zoma 19: Jesosy Kristy, rariny ho an’ny mino.
“Fa Kristy no faran’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino” Rom.10:4.
Vakiteny 1: Heb.7:20-25. Vakiteny 2: Rom.10:1-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.10:1-4.
Fitarihan-kevitra: Satria mpanota avokoa isika olombelona dia “tsy misy marina na dia iray akory aza” Rom.3:10. Koa dia nanao
fahamarinana ho antsika Andriamanitra Ray amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy Zanany Izy mba hahazoantsika rariny eo imasony
(Rom.3:38), dia isika afaka mandova ny fanjakany (Rom.8:17). Koa amin’izany, dia “ Iza no hiampanga ny olom-boafidin’Andriamanitra?
Andriamanitra no manamarina azy. Iza no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo
amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika” Rom.8:33-34.

Sabotsy 20: Andriamanitra manome rariny izay miandry Azy.
“Izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany” Sal.37:9b.
Vakiteny 1: Jao.16:23-33. Vakiteny 2: Sal.37:1-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.37:8-9.
Fitarihan-kevitra: Ny hoe “miandry an’i Jehovah”, dia ny matoky Azy, matoky ny famaliany. Toky lehibe no efa nomeny fa tsy hangaihay
izay mino sy manantena Azy (1 Pet.2:6). Tsy ho resy na hilofika izy, satria voasoratra hoe: “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso
hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka” Isa.40:31.
Hoy Jesosy: “Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako”Apok.22:10. Omeny rariny tokoa izay mino Azy.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB“Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet Hi&Fi

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *