Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XVIII manaraka ny Trinite 21-26 Oktobra 2019 “Ny mino velona amin’ny fitiavana” *

Fitarihan-kevitra: ”Ny mino velona amin’ny fitiavana” satria Andriamanitra Izay inoany sy tompoiny dia ”Andriamanitra Fitiavana” (1 Jao.4:16). Koa raha niteny ny Apostoly Paoly manao hoe: ”Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko” Gal.2:20, dia nilaza indrindra izy nanao hoe: ”Ny fitiavan’i Kristy no manery anay” 2 Kor.5:14, dia Kristy izay ivelomany sady anton’ny ahavelomany. Mazàna mantsy, rehefa miresaka ny amin’ny hoe mino”, dia saiky tondroina hatrany ny hoe ny mino mandresy” (Rom.8:35), ny mino mahay ny zavatra rehetra” (Fil.4:13), ny mino mahalala ny zavatra rehetra” (1 Kor.2:10)…. Tsy sanatria fahadisoan-kevitra izany, saingy tsiahivin’ny Perikopa anio fa ”ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana” 1 Kor.13:8, fa ”ny fitiavana no lehibe indrindra” 1 Kor.13:13b. Fa hoy Paoly tamin’ireo Korintiana izay variana tamin’ny fanomezam-pahasoavana nananany (1 Kor.12:7-10): ”Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho. Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Ary na dia omeko hohanin’ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany” 1 Kor.13:1-3. Ny fitiavana no Fanahin’Andriamanitra velona ao amin’ny mino; izay tsy seho ivelany fa tena fiainany sady toetra maha-zanak’Andriamanitra azy.  Ny fiainam-pitiavana no asa vavolombelona mahery indrindran’ny asan’Andriamanitra ao aminy, sady ankasitrahan’Andriamanitra azy. Fa maneho ny ahelony ny Tompo rehefa tsy marina ny fitiavana Azy ka manao hoe: ”Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy” Mat.15:8. Ary dia hoy ny Apostoly Jaona: ”Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” 1 Jao.3:18. Ny ”marina” dia ny fiainantsika sy ny asantsika itarafana ny fitiavana; ”Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo…” hoy Jesosy, Jao.13:35.

Alatsinainy  21:  Ny mino velona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra.

“Inona moa no ilain’i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny ho tia Azy?” Deo.10:12.

Vakiteny 1 : Mat.22:34-38. Vakiteny 2 : Deo.10:12-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Deo.10:12.

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra no fototra sy loharano iavian’ny fitiavana. Fa voasoratra hoe: “Avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra” 1 Jao.4:7. Ataon’Andriamanitra mahita fitia eo imasony izay rehetra tia Azy, fa hoy Izy: “Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, dia hamonjy azy Aho, hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy” Sal.91:14. Ny anarana ilazana an’Andriamanitra? Andriamanitra dia fitiavana” 1 Jao.4:16.

“NY MINO VELONA AMIN’NY FITIAVANA”

Talata 22: Iray ny fitiavan’Andriamanitra mitia.

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao… Tiava ny namanao » Mat.22:37,39.

Vakiteny 1: Rom.13:9-14. Vakiteny 2: Mat.22:34-46. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.22:36-39.Fitarihan-kevitra: Tsy misaraka fa miray ny didim-pitiavan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa” 1 Jao.4:21. Hoy Jaona  Apostoly: “Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy” 1 Jao.3:16-17.

Alarobia 23: Mahasambatra ny mivelona ao amin’ny fitiavana.

“Mifankatiava fatratra amin’ny fo” 1 Pet.1:22.

Vakiteny 1: Jao.13:34-35. Vakiteny 2: Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Pet.1:22-25.

Fitarihan-kevitra: Ny fitiavana no  fanahin’ny fahasoavana izay miasa ao amin’ny mino ka mampiray fo azy ao amin’ny Tompo. Hoy ny mpanao Salamo: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina” Sal.133:1. Antoka hahatonga fitahiana lehibe izany, araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany” Mat.18:19.   

Alakamisy 24:  Asan’ny Fanahy Masina ny mitia.

“Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana” Gal.5:22a.

Vakiteny 1: Jao.10:11-15. Vakiteny 2: Gal.5:16-25. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Gal.5:22a, 25.

Fitarihan-kevitra: Ny fitiavana marina dia ny fitiavan’Andriamanitra. Izany no anjaran’ny mino, izay raisiny amin’ny finoana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.  Fa voasoratra hoe: “Ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pontsika” Rom.5:5b, dia isika izay mino.  Fa ny fitiavana dia aina sy herin’Andriamanitra izay omeny ny minoe,  “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” Jao.1:12, dia ny zanaka mivelona ny fitiavany.

Zoma 25: Ny fitiavana tia manompo.

Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay »  2 Kor.5 :14a.

Vakiteny 1 : Jos.24:14-18. Vakiteny 2 : 2 Kor.5:11-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2 : 2 Kor.5:14-15.

Fitarihan-kevitra: Jesosy na dia Tompo aza dia nanjary toy izay manompo” (Lio.22:27) satria tia ny olona Izy. Ny fanompoana nataony dia vokatry ny fitiavana izay niasa feno tao aminy, araka ny teniny manao hoe: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13. Ho amin’izany dia “nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana” Fil.2:7-8.

Sabotsy 26: Miorena amin’ny fitiavana.

“Izy hampiorina anareo hatramin’ny farany” 1 Kor.1:8a.

Vakiteny 1: Jao.15:9-16. Vakiteny 2: 1 Kor.1:4-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Kor.1:8.

Fitarihan-kevitra: Sambatra izay maharitra amin’ny fitiavana, fa io no santatry ny fiainana mandrakizay sady taratry ny fanjakan’ny lanitra. Hoy Paoly tamin’ny Efesiana: “Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray… ny mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana hianareo” Efes.3:14,17. Izay no sitrapon’Andriamanitra, izay no mahavelona, “fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” 1 Jao.2:17, dia ny mitia.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy FBHira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org”  FB 24/24 ora, 7/7 andro.                                                                        © Madanet Hi&Fi

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *