Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXIII manaraka ny Trinite 11-16 Novambra 2019 “Ny olon’Andriamanitra, mpanompo ny fahamarinana” *

Hevitry ny Lohateny: Andriamanitra dia marina sy tia fahamarinana ka mankahala ny ratsy (Sal.11:7), ary tiany ny olony ho tahaka Azy (Sal.34:15-16). Hoy Jaona Apostoly: ”Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako” 3 Jao.4. Izany no toetra maha-zanak’Andriamanitra, dia ny maha-mpanompon’ny fahamarinana, dia ny sitrapon’Andriamanitra (Rom.12:2). Toe-panahy araka an’Andriamanitra izay nateraka ny Fanahy Masina ny ho tia sy manompo ny fahamarinana, satria Izy no ”Fanahin’ny fahamarinana” araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra” Jao.16:13. Fa ny olon’ny fahamarinana dia naterak’Andriamanitra tokoa araka ny tenin’i Jesosy manao hoe: ”Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy” Jao.3:6, dia izay mino ka manao ny asan’Andriamanitra (Jao.14:12). Fa amin’izay tsy tia fahamarinana kosa dia hoy Jesosy: ”Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao” Jao.8:44. Araka izany, ny hoe ”ny olon’Andriamanitra, mpanompo ny fahamarinana” dia ny mino izay nandray an’i Jesosy Kristy ka ”nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” Jao.1:12, dia izy afaka amin’ny famatoran’ny ota, ka tonga ”mpanompon’ny fahamarinana” (Rom.6:18). Tanteraka aminy araka ny voasoratra hoe: ”Raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vavovao ireo..” 2 Kor.5:17. Ny zavatra taloha dia ny asan’ny maizina sy ny tsy fahamarinana rehetra vokatry ny asan’ny devoly sy ny fanapahan’ny ota, ny vaovao kosa dia ny fiainana sy ny asa hanjakan’ny fahamarinan’Andriamanitra. Manentana ny mino ny Apostoly Paoly ka manao hoe: ”fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana” Rom.6:19. Ary satria ny mandala ny fahamarinana no mahafaka ny olona, dia hoy Jesosy: ”Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny
marina hahafaka anareo tsy ho andevo” Jao.8:31-32.

Alatsinainy 11: Ny fahamarinana no sitrak’Andriamanitra.
« Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka  » Isa.32:1a.
Vakiteny 1: Sal.106:1-5. Vakiteny 2: Isa.32:1-8. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.32:1.
Fitarihan-kevitra: Raha ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ka mampaharitra ny fanjakany, dia izany koa no manandratra ny firenena
(Oha.14:34).. Fanomezana voninahitra an’Andriamanitra ny fandalana ny fahamarinana, ary tena fototra anorenana ny fanjakany araka ny
voasoratra hoe: ”Rariny sy fitsarana no fanorenan’ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao” Sal.89:14.
Rehefa izany, dia hoy Izy: ”Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy
ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena” Mika 6:8.

Talata 12: Jesosy mananatra ny tsy fahamarinan’ny olona.
« Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo, ry mpihatsaravelatsihy? » Mat.22:18.
Vakiteny 1: Deo.6:10-18. Vakiteny 2: Mat.22:15-22. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.22:17-18.
Fitarihan-kevitra: Mety ho maro ny endrika isehoan’ny tsy fahamarinana, toy ny fanambakana, ny fivadihana, ny halatra sy ny hafa koa,
saingy nisongadina manokana ny tsy fahazakan’Andriamanitra ny fihatsarambelatsihy, dia ny fomba izay isehoana ho marina mba hanafenana ny tsy fahamarinana atao. Im-pito miantaona ny teny nananaran’i Jesosy ireo mpitondra fivavahana jiosy raha hoy Izy taminy: ”Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy” Mat.23:13,15,16,23,25,27,29. Ary dia nampitandrina ny mpianany Izy manao hoe: ”Mihevera, ka mitandrema hianareo, fandrao azon’ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo” Mat.16:6, dia ny fihatsarambelatsihy.

Alarobia 13: Tahafo ny ohatry ny fahamarinana.
« Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy hianareo » Fil.3:17a.
Vakiteny 1: Jao.15:9-14. Vakiteny 2: Fil.3:17-21. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Fil.3:17.
Fitarihan-kevitra: Hentitra indrindra ny fanavahana ataon’i Paoly raha hoy izy: ”Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala (Satana) ?” 2
Kor.6:15a. Noho ny fitomboan’ireo mpitarika misandoka ny fahamarinana no nanafaran’ny Apostoly Paoly an’i Timoty mba hanalavirany ireo
olona ”manana ny endriky toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny” 2 Tim.3:5. Fa izy ireny dia ”Apostoly sandoka, mpiasa
mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’i Kristy” 2 Kor.11:13, ary amin’ny ”teny malefaka sady tsara lahatra no
amitahany ny fon’ny tsy ary saina” Rom.16:18, dia ireo tsy mahalala sy mbola marefo ara-pinoana.

Alakamisy 14: Ny mpanompo ny fahamarinana ambinin’Andriamanitra.
« Tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany » Sal.1:3a.
Vakiteny 1: Deo.28:1-2. Vakiteny 2: Sal.1:1-6. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.1:3.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra no manambina ny olona izay mandala ny fahamarinana, fa ”Ny marina hamololona tahaka ny rofia”
Sal.92:12a. Hoy Jesosy: ”Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana” Mat.5:6. Ny mino dia mifaly tokoa
amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, dia ny tenin’Andriamanitra (Jao.17:17), ary mihoby midera Azy manao hoe: ”Impito isan’andro no
iderako Anao noho ny fitsipikao marina” Sal.119:164.

Zoma 15: Adidin’ny mino ny mampiposaka ny fahamarinan’Andriamanitra.
“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo” Mat.5:16.
Vakiteny 1: Efes.5:8-17. Vakiteny 2: Mat.5:14-16. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.5:16.
Fitarihan-kevitra: Efa nanangana ny olony izay mino Azy ny Tompo ho ”vavolombelon’ny fahamarinany” ka tsy mahazo mangina izy ireny
(Lio.19:40), fa mivantana aminy indrindra ny baikon’ny tenin’Andriamanitra manao hoe: ”Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana” 2 Tim.4:4. Hoy ny tononkira: ”Misy maro ao an-tsaha mitaraina, ka ento ny jiro mba hankao…” Fihirana FFPM faha-310.

Sabotsy 16: Manolora tena ho amin’ny fahamarinana.
“Atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra” Rom.6:13b.
Vakiteny 1: Deo.6:10-19. Vakiteny 2: Rom.6:7-14. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Rom.6:13.
Fitarihan-kevitra: Teny tandrify indrindra ny mino kristiana izany, dia izay rehetra nanapa-kevitra hiala amin’ny ota sy ny fanompoana ny tsy
fahamarinana (Rom.6:13), ka nisafidy ny hanompo an’i Kristy ”ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra”. Famindrampo lehibe izay
hanavaozan’Andriamanitra ny mpanota izany, dia izy ho tonga ”mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana” Rom.6:9b. Fa
”izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa” Rom.8:30.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB“Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet Hi&Fi

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *