Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady XXV manaraka ny Trinite 25-30 Novambra 2019 “Andriamanitra tsy mandao ny olony” *

Hevitry ny Lohateny: Ny hoe ”Andriamanitra tsy mandao ny olony” dia milaza ny firaisana antoka sy fanekena nataon’Andriamanitra
amin’ny olony, dia izay mino ny Anarany ka noraisiny ho an’ny tenany (1 Pet.2:9b). Ireo no nitenenany fahizay hoe: ”Fa ankehitriny, ry
Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho;
Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao” Isa.43:1, dia toy ny ”silaky ny aina” izany. Tandrify ny maha-Ray Mpiahy an’Andriamanitra ity
lohateny ity, Izay niseho tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany Izay nanambara hoe: ”Izaho no Mpiandry Tsara, ny Mpiandry Tsara
manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Jao.10:11. Fifaningoran’aina no mahatonga an’Andriamanitra tsy handao ny olony, fa hoy Izy: ”Ny
zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany” Isa.45:11b. Tsy hay vahana izany, toy ny nanambaran’i Jesosy hoe: ”izay
nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona” Mat.19:6b. Fa toy izany koa no nataony tamin’ireo mpianany nanao hoe: ”Tsy
hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho” Jao.14:18. Lalina indrindra ny firaisam-pon’Andriamanitra amin’ny olony, fa hoy
Izy: ”Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” Heb.13:5. Rehefa izany, dia tsaroana ny teny vavolombelona nataon’i Paoly:
”Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa
sabatra?”, ”Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, n a
hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny
fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” Jao.8:35,38-39. Ho an’izay mety misamboaravoara noho ny adin’ny
finoana, dia hoy ny Tompo: ”Hianao, ry ory izay afotofoton’ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny
vatonao amin’ny antimony..” Isa.54:11, izay vato mafy itarafana an’i Kristy Ilay Vato voafidy ho fiorenan’ny finoana (Mat.21:42). Tsy
mandao ny olony tokoa Izy na mamela azy hiady irery fa niteny nanao hoe: ”Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambarapahatongan’ny
fahataperan’izao tontolo izao” Mat.28:20.

Alatsinainy 25: Andriamanitra tsy mandao ny olony.
“Izaho kosa tsy mba manadino anao” Isa.49:15b.
Vakiteny 1: Jao.14:18-21. Vakiteny 2: Isa.49:15-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.49:15.
Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia tsy mandao ny olony satria “Andriamanitry ny fahatsiarovana rehetra” Izy. Fa ”fitiavana mandrakizay no nitiavany ny Azy” Jer.31:3, ka tsy hanadinoany azy. Fa voasoratra hoe: “Ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay
matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany” Mal.3:16b. Dia fifalian’Andriamanitra indrindra ny miahy ny olony, izay mihoatra lavitra
aza noho ny fanambaran’ny mpanao salamo ny firaketam-pony tamin’i Jerosalema, manao hoe: ”Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô,
Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino. Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ny lanilaniko” Sal.137:5-6a.

Talata 26: Andriamanitra tsy mandao ny olony ka manamarina azy.
”Izay nantsoiny no nohamarininy koa” Rom.8:30.
Vakiteny 1: Zak.2:1-5. Vakiteny 2: Rom.8:26-30. Toriteny 1: (safidy). Toriteny 2: Rom.8:30.
Fitarihan-kevitra: Satria Masina sy Marina ny Tompo, dia tsy tia heloka ary tsy manaiky ota hitoetra eo imasony. Koa dia hamarininy ny olony
amin’ny alalan’ny famelan-keloka izay nividianany azy tamin’ny rany, “fa raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka” Heb.9:22.
Fa amin’izany: ”Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” Rom.5:8.
”Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany” Rom.14:8.

Alarobia 27: Andriamanitra tsy mandao ny olony satria efa nanao fanekena taminy.
“Ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy” 2 Kor.6:18.
Vakiteny 1: Jao.6:47-58. Vakiteny 2: 2 Kor.6:14-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Kor.6:17-18.
Fitarihan-kevitra: Masina ny fanekena izay nataon’Andriamanitra amin’ny olony, dia fanekena tsy mihozongozona fa mitoetra mandrakizay.
Izany dia firaisana ainan’Andriamanitra amin’ny olony sady fanorenany ny fanjakany, ka nanangany taranaka izay nanaovany asampanavotana
tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay mitondra ny ”ran’ny fanekena mandrakizay” (Heb.13:20). Fa hoy Jesosy: “Izay mihinana ny
nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay” Jao.6:54a.

Alakamisy 28: Andriamanitra tsy mandao ny olony amin’ny androm-pahoriany.
« Noho ny olom-boafidy dia nohafohezina izany andro izany» Mat.24:22b.
Vakiteny 1: Sal.46:1-7. Vakiteny 2: Mat.24:15-28. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.24:21-22.
Fitarihan-kevitra: Tsy sitrak’Andriamanitra ny hampahory ny olony ka hahavery azy sanatria (Fit.3:33). Fa ny fahoriana dia nataony ho
fizahan-toetra ny finoan’ny olona sy ho fanavahana azy. Toky no omeny ny olony izay tsy foiny: ”Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny
faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra
izay monina ambonin’ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao” Apok.3:10-11.

Zoma 29: Andriamanitra tsy mandao ny olony ka mitaona azy hiverina Aminy.
“Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho” Isa.44:22b.
Vakiteny 1: Lio.1:8-17. Vakiteny 2: Isa.44: 21-23. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.42:22.
Fitarihan-kevitra: Fon’ny Ray tokoa ny tsy mahafoy ny zanany naterany, ka manina azy, eny, na dia mety misintaka aza izy noho ny ditry ny
fony sy ny fakam-panahy ataon’ny devoly azy (Lio.15:12-13). Tsy miova ny fitiavany, fa hoy Izy: “Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo ampelatanako
hianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva” Isa.49:16. Ary noho izany, dia hoy Izy: “Hositraniko ny fiodinany,
ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako” Hos.14:5.

Sabotsy 30: Andriamanitra mampitoetra ny olony ao amin’ny fanjakany.
“Ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” 1 Tes.4:17b.
Vakiteny 1: Jao.14:1-4. Vakiteny 2: 1 Tes.4:13-18. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 1 Tes.4:16-17.
Fitarihan-kevitra: Izay olona noraisin’ny Tompo ho Azy dia natsangany ho an’Andriamanitra (Jao.1:12). Ary rehefa izany, dia notendreny
mba handova ny fanjakany ka hitoetra ao Aminy. Fa hoy Jesosy: “Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva; fa ny zanaka no
mitoetra mandrakariva [gr. mandrakizay]” Jao.8:35. Toky lehibe no omeny azy manao hoe: ”Izay itoerako no hitoeranareo koa” Jao.14:3b.
Ary dia hoy hafany: ”Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo” Jao.15:9.

Nota: Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy
FB“Hira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org” FB 24/24 ora, 7/7 andro. © Madanet Hi&Fi

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *