Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III manaraka ny Epifania 27 Janoary – 01 Febroary 2020 “Andriamanitra miseho amin’ny Teniny” *

Ny hafatra: Andriamanitra miseho amin’ny alalan’ny teniny, ary mampitondra izany ny mpanompony izay irahiny mba hinoana Azy. Fa Teny Fahamarinana ny tenin’Andriamanitra araka ny voasoratra hoe: ”Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra” 2 Kor.1:20. Feno dia feno ny asan’ny Tenin’Andriamanitra, satria feno ny fahefana ananany, fa tamin’ny alalany no nahariana izao rehetra izao, Izy no mampitoetra izao rehetra izao, Izy no manavao izao rehetra zao, ary Izy koa no  hahalevona izao rehetra izao. Fa hoy Jesosy: ”Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35. Fototra manorina indrindra ny toetrany sy ny fahefany ny fanambaran’i Jaona Apostoly manao hoe: ”Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.  Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona” Jao.1:1-4. Koa tsy misy tsy vitan’ny Tenin’Andriamanitra, fa hoy ny anjely Gabriela: ”Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” Lio.1:37,dia fanomezan-dehibe ho antsika tokoa izany. Tsy misy koa tsy fantatry ny tenin’Andriamanitra, fa ”Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo” Heb.4:12.Fa ny zava-dehibe sady mahagaga indrindra dia ny Tenin’Andriamanitra mitondra famonjena ho antsika olombelona mpanota. Fa Izy no nanome famelan-keloka ho fanavotana antsika, ary fatokiana ny fitiavany mba ho famonjena antsika. Tanteraka izany tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mesian’Andriamanitra izay naka ny endritsika olombelona ka niseho tamintsika, dia Teny tonga nofo ka nonina tamintsika (Jao.1:14). Izy koa no antoky ny fanatanterahana antsika, dia Mpisoronabe mivavaka ho antsika manao hoe: ”Manamasìna azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana” Jao.17:17. Maneho an’Andriamanitra ny Teniny; koa minoa ny Teniny, teny fiainana mandrakizay (Jao.5:24).

Alatsinainy 27: Andriamanitra miseho, manatanteraka ny teniny.

“Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy” Jer.33:6.

Vakiteny 1: Mat.11:1-6. Vakiteny 2: Jer.33:6-9. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jer.33:6.

Fitarihan-kevitra: Ny fisehoan’Andriamanitra no antoka sy famantarana ny amin’ny fahatanterahan’ny teniny.  Tanteraka indrindra izany tamin’ny fahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, nitondra fanasitranana ny rofy sy ny aretina ary ny ratram-piainan’ny olona  (Mat.8:16), izay vokatry ny ota sy ny asan’ny maizina. Mbola miteny amintsika Izy manao hoe: “Inona  no tianao hataoko aminao?” Mar.10:51. Fa “na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka” Jao.14:13.

Talata 28: Jesosy miseho, miteny ny tenin’Andriamanitra.

“Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy” Mar.1:22a.

Vakiteny 1: Asa.4:5-12. Vakiteny 2 : Mar.1:21-26. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.1:21-22.Fitarian-kevitra: Niteny ary mbola miteny toy izay manana fahefana tokoa Jesosy, satria Tenin’Andriamanitra avy any ambony no teneniny (Jao.3:31), izay tenin’ny fahamarinana (Jao.17:17), dia teny natao mba hinoana sy hankatoavina. Manam-pahefana ny teniny satria efa voahosotra hitory izany Izy araka ny teniny manao hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato Amiko,  satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra – Isa.61:1aLio.4:18a. Mahatoky ny teniny satria ny Fanahin’ny fahamarinana” no tao Aminy (Jao.16:13).

Alarobia 29:  Jesosy miseho, manasitrana amin’ny teniny.

“Ary hoy Izy taminy: … mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ny aretinao” Mar.5:34.

Vakiteny 1: Isa.53:4-6.. Vakiteny 2: Mar.5:25-34. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mar.5:34.

Fitarihan-kevitra: Toy ny ananan’i Jesosy fahefana feno handidy ny  famelan-heloka ny mpanota (Mat.9:2b), dia toy izany koa no ananany fahefana feno hanasitrana ny marary amin’ny rofiny sy ny aretiny ary ny fahoriany rehetra. Famonjena ”feno” no entin’ny teniny, koa aza mitahiry aretina, na mety ho taizan-drofy, na ho fatoran’ny ota sy  ampahorian’ny demonia. Hoy Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” Mat.11:28, dia ny fanasitranana feno izany.

Alakamisy 30: Jesosy miseho, manangana ny maty amin’ny teniny.

“Hoy Izaho aminao: mitsangàna” Mar.5:41b.

Vakiteny 1: Jao.11/17-27. Vakiteny 2: Mar.5:35-43. Triteny 1 (safidy). Toriteny 2 : Mar.5:41-42.

Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia Andriamanitry ny velona fa tsy an’ny maty (Mat.22:32). Raha tonga tetỳ an-tany Jesosy, dia ny hitondra sy hanome fiainana, ary fiainana be dia be (Jao.10:10), dia “onin’ny rano velona izay hiboiboika avy ao an-kibony” Jao.7:38.  Mpanome fiainana sy tia mizara izany tokoa Izy, ka hoy ny teniny tamin’ny mpianany sy izay rehetra mino Azy “Satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo” Jao.14:19b. Velona mandrakizay Izy (Apok.1:18), ka manao hoe: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.6:33.

Zoma 31: Jesosy miseho,  mitory famonjena ho an’izao tontolo izao.

“Ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” Jao.4:42.

Vakiteny 1: Isa.49:5-6. Vakiteny: Jao.4:27-42. Toriteny 1 (safidy). Toriteny2: Jao.4:40-42.

Fitarihan-kevitra: Ny nahatongavan’i Jesosy sy nisehoany teto amin’izao tontolo izao ary anton’ny asa nataony rehetra, dia ny hitory ny famonjena ny olona rehetra. Izany koa no mbola nanirahany ny Fanahiny Masina sy ny mpanompony rehetra ho vavolombelona haneho Azy sy hanao ny asany. Fa hoy Jesosy: “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany” Jao.15:26-27.

Sabotsy 01: Jesosy miteny, raisina amin’ny finoana.

“Mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko” Mat.8:8b.

Vakiteny 1: Heb.11:1-10. Vakiteny 2 : Mat.8:5-10. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Mat.8:7-8.

Fitarihan-kevitra: ”Velona sy mahery” ny tenin’Andriamanitra (Heb.4:12), ary dia miasa manan-kery rehefa raisina amin’ny finoana, ”Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” Heb.11:6a. Izany no handovana ny fiainana manrakizay. Hoy Petera Apostoly: “Fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lò, fa tamin’ny tsy mety ho lò, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” 1 Pet.1:23. Fa hoy tokoa Jesosy: “Ny lanitra sy ny tany ho levona,  fa ny teniko tsy mba ho levona” Mat.24:35.

Ny perikopa dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy, alemà. Azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org sy FBHira sy Filazantsara”. Henoy ny “hifiradio.org”  FB 24/24 ora, 7/7 andro.                                                                                             © Madanet Hi&Fi

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *