Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V mialoha ny Paska 09-14 Marsa 2020 « Andriamanitra tia mamonjy ny olona » *

Ny hafatra: Andriamanitra tia mamonjy ny olona, satria tsy tiany ny hahavery azy. Misy dikany sy lanjany manokana izany, indrindra amin’izao fotoan’andro sarotra diavintsika izao, izay voalaza ho ”Andro mahory” (2 Tim.3:1), dia ny fahavoazana mahazo ny olona noho ny fiatahany amin’Andriamanitra Velona sy Mpamonjy azy. Fa eo koa ny fizahan’Andriamanitra toetra ny safidin’ny olona manoloana ny lalam-pamonjena izay omen’Andriamanitraazy maimaimpoana noho ny fitiavany. Izany lalana izany dia ny finoana an’i Jesosy Kristy Zanany izay nirahiny ”hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” Jao.1:29. Koa hoy Izy: ”Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany” Apok.3:10. Ho an’izay tsy afaka handray Azy kosa dia voasoratra hoe : ”Satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina” 2 Tes.2:10b-11. Fa efa niteny ny Tompo manao hoe: ”Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy” Deo.30:19. Hoy Jesosy: ”Izaho ny Fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” Jao.8:12. Koa ”Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao” Asa.16:31. Fa ”izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay” Jao.3:36a.

Alatsinainy 09: Andriamanitra mitaona ny olona rehetra ho vonjena.
« Mijere Ahy, dia ho voavonjy hianareo, ry vazan-tany rehetra” Isa.45:22a.
Vakiteny 1:Asa.3:1-10. Vakiteny 2: Isa.45:20-25. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2:Isa.45:22.
Fitarihan-kevitra: Antso avo lehibe ataon’Andriamanitra amin’ny olona sy ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao ny hitodihany hijery Azy. Fihaonana amin’Andriamanitra no hevitr’izany mbahandraisantsika ny famonjeny. Fa hoy Jesosy : ”Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy” Jao.3:14-15.

Talata 10: Jesosy Kristy,Mpanompon’i Jehovah mamonjy izao tontolo izao.
 » Izaho Jehovah efa niantso Anao … Ho fanazavana ny jentilisa” Isa.42:6.
Vakiteny 1: Jao.8:1-12. Vakiteny 2: Isa.42:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Isa.42:6-7.
Fitarihan-kevitra: Ny Mpanompon’i Jehovah dia taratr’i Jesosy Kristy Ilay « Mpamonjy sady Fahavazan’izao tontolo izao” (Jao.4:42; 8:12). ”Fanekem-panavotana” izay ataon’Andriamanitra ho an’ny olona Izy, dia ireo nitoetra tao amin’ny haizin’ny tsy fahalalana an’Andriamanitra, ka diso sy very lalana ary reraka am-po. Fa hoy Jesosy: « Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra – Hos.6-6; fa tsy tonga Aho hiantso ny marina, fa ny mpanota”Mat.9:13.Ireo no ”volotara torotoro izay tsy hotapahiny, ary lahin-jiro manetona izay tsy hovonoiny”Mat.12:20 dia olona izay navotany tamin’ny rany (1 Pet.1:18-19).

Alarobia 11: Ny famelan-keloka, fototry ny famonjena ny olona
« Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: Voavela ny helokao”Lio.7:48.
Vakiteny 1: Isa.44:10-23. Vakiteny 2: Lio.7:36-50.Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2:Lio.7:47-48.
Fitarihan-kevitra: Ny atao hoe « famonjena” dia tsy mihanina amin’ny fanafahana ny mpanota amin’ny zava-tsarotra mahazo azy ihany, fa ny hananany firaisana antoka amin’Andriamanitra izay miantra sy mamindra fo aminy. Fa raha ny heloka no efitra nampisaraka taminy (Isa.59:2), dia ny famelan-keloka kosa no famitranan’Andriamanitra ny fihavanany aminy, izay anaovany fanekena sy anorenany ny fanjakam-pahasoavany. Hoy ny tso-drano omeny antsika: »Anaka, matokia voavela ny helokao, raiso ny Fanahy Masina, ho aminao ny fiadanana”, dia fanamarinana (Rom.8:34), fananganana (Jao.1:12), fampandovàna (Rom;8:15).

Alakamisy 12: Andriamanitra mamonjy izay mitalaho Aminy.
« Niandry dia niandry an’i Jehovah aho;ary nitsinjo ahy Izy ka nihaino ny fitarainako” Sal.40:1
Vakiteny 1:Lio.18:1-7. Vakiteny 2:Sal.40:1-4. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2: Sal.40:1.
Fitarihan-kevitra: Tsy kely amin’ny fon’Andriamanitra ny fitahalahoan’ny olona ny famonjeny. Hoy Izy tamin’i Mosesy rahananohina ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely Izy: « Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony” Eks.3:7. Fa tsy tian’Andriamanitra ho ory ny olony, indrindra noho ny tsy fahamarinana, ka dia mamaly ny fitarainany Izy. Hoy Jesosy: « Lazaiko aminareo fa omeny rariny faingana izy” Lio.18:7b.

Zoma 13: Andriamanitra mamonjy izay matoky ny famonjeny.
« Ravehivavy lehibe ny finoanao, tongava aminao araka izay irinao” Mat.15:28a.
Vakiteny 1: Gen.32:23-31. Vakiteny 2: Mat.15:21-28. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2:Mat.15:28.
Fitarihan-kevitra: Hoy ny tenin’ny Tompo: « Ny oloko marina dia ho velon’ny finoana; Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko. Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy” Heb.10:38-39. Matokia ny famonjen’Andriamanitra, fa maneho ny voninahiny amin’izay matoky Azy Izy ka mamonjy azy. Hoy Jesosy tamin’i Marta: « Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” Jao.11:40.

Sabotsy 14: Raiso ny famonjen’Andriamanitra.
« Anio, raha hihaino ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo” Heb.3:7-8a.
Vakiteny 1: Efes.6:10-17. Vakiteny 2: Heb.3:7-12. Toriteny 1 (safidy).Toriteny 2:Heb.3:7-9.
Fitarihan-kevitra: Misy ny tsy mandray ny famonjen’Andriamanitra satria mbola miraiki-pitia amin’ny andriamani-tsi-izy, dia ny devoly sy ny sampy ary ny sitrapon’ny nofony. Fantaro fa tsy mitaredretra ny famonjen’Andriamanitra (Lio.18:7), fa ny ”anio” dia ”anio” fa tsy ”ampitso”. Hoy Izy: ”Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro” Zak.1:3. ”Misy fetra ny fotoana azo amindrana fo” Faha-358:2 Fihirana FFPM .

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi-madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *