Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV mialoha ny Paska 16-21 Marsa 2020 « Andriamanitra Mpamonjy Mahery » *

Ny hafatra: Ny hoe ”Andriamanitra Mpamonjy Mahery” dia maneho ny maha-Andriamanitra Azy indrindra, dia Izy Fitiavana (1 Jao.4:16) ka tia mamonjy ny olom-bery; fa hoy Jesosy: ”Fa efa tonga ny Zanak’oloka hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10; ary koa Izy Tompon’ny hery rehetra ka afaka manatanteraka ny asam-pamonjena feno ny mpanota. Fa tsy misy toa Azy amin’ny fahafenon’ny heriny sy ny fahatanterahan’ny fitiavany, dia Izy nanao asa fanavotana tamin’ny nanolorany ny ainy ho an’ny mpanota, araka ny fiaretan’i Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana. Fa hoy Izy: ”Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany” Jao.15:13, dia ny mpanota izany. Fa Izy dia ”Lehibe amin’ny fisainana ary mahery indrindra amin’ny atao” (Jer.32:19), ka mahagaga eo imasontsika (Sal.118:23). Ny zavamahagaga indrindra amin’ny ataony, ary mampiavaka Azy amin’ny olombelona sy izay rehetra mety ataon’ny olona ho andriamanitra, dia Izy mahay ny zavatra rehetra (Mat.19:26), ka mahavita asa tsy takatry ny saina, izay mihoatra sy mifanohitra amin’izay heverintsika aza (1 Kor.2:9). Fa raha ny olona maniry hitovy amin’Andriamanitra (Gen.3;5), Izy kosa nanetry tena ka nandray ny endrika maha-olombelona antsika (Jao.1:14), ary tsy mamaly antsika araka ny ratsy nataontsika fa manarona ny fahotantsika amin’ny fitiavany (Oha.10:12b), ary maneho ny famindrampony ka mizara tsy mitsahatra ny fahasoavany amintsika (Jao.1:16). Sambatra ny olona izay vita fihavanana Aminy ary manaiky ny hiray antoka Aminy, ka tsy iafenany intsony fa isehoany, ary afaka miteny mifanatrika Aminy manao hoe: ”Tompoko sy Andriamanitro!” Jao.20:28. Dia fantaro tsara ny Mpamonjinao, fa tokim-pamonjena lehibe no omeny, dia ny hoe: ”Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy” Zef.3:17. Koa, ambonin’ny zavatra rehetra, dia mangataha ny hahafantatra Azy; eny ”Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy; Miantsoa azy dieny mbola akaiky Izy” Isa.55:6. Fa ”izay mitady no mahita” Mat.7:8b, ary ”izay rehetra miantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena” Rom.10:13.

Alatsinainy 16: Andriamanitra Mpamonjy Mahery momba ny olony. “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy” 2 Sam.22:2. Vakiteny 1: 1 Pet.2:1-6. Vakiteny 2: 2 Sam.22:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: 2 Sam.22:2-3. Fitarihan-kevitra: Ny hoe “Andriamanitra momba ny olony” dia midika fa miandany aminy Izy. Ary satria Andriamanitra Mahery Izy, dia manafy hery ny olony mba hahazoany mijoro ka tsy ho lavo, toy ny nitenenan’i Jesosy ny mpianany manao hoe: “Fa hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany” Asa.1:8. Mahery ny mino satria mahery Jesosy “Tompon’ny finoany sy Mpanefa azy”.

Talata 17: Andriamanitra Mpamonjy Mahery amin’ny teniny. “Noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany” Lio.4:39a. Vakiteny 1: Gen.1:1-5. Vakiteny 2: Lio.4:31-39. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Lio.4:38-39. Fitarihan-kevitra: Andriamanitra dia mahery amin’ny teniny, ary dia araka izany ny asa rehetra nataony. Fa ny herin’ny teniny no nanehoany ny voninahiny sy nanatanterahany ny asam-pamonjeny: famelan-keloka ny mpanota, fanasitranana ny aretina sy rofy ara-batana sy ara-panahy. Sambatra izay mandray ny teniny, fa hoy Jesosy: “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” Jao.5:24.

Alarobia 18: Andriamanitra Mpamonjy Mahery manome toky ny olony. “Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy” Zef.3:17a. Vakiteny 1: Rom.8:28-32. Vakiteny 2: Zef.3:14-17. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Zef.3:17. Fitarihan-kevitra: Tsy mpampitahotra Andriamanitra fa mpanome toky izay mitady Azy, fa ”famindram-po no sitrako” hoy Izy (Hos.6:6), indrindra ho an’ireo manana ady sy mitolona anatin’ny fahoriana. Fa hoy Izy amin’ny olony: ”Izaho tsy handao anao na hahafoy anao akory” Heb.13:5. Ary dia nampahery ny mpianany Jesosy ka nanao taminy hoe: “Aty amin’izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana, nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao” Jao.16:33.

Alakamisy 19: Andriamanitra maneho ny heriny amin’izay mino Azy. “Raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra” Jao.11:40. Vakiteny 1: Rom.4:13-22. Vakiteny 2: Jao.11:32-44. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Jao.11:40-41a. Fitarihan-kevitra: Amin’ny finoana no ifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra sy andraisany ny fahasoavany. Fa voasoratra hoe: “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” Heb.11:6. Ny Tompo tsy mandiso fanantenana ny mino Azy ka manao hoe: “Ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo” Mat.21:22.

Zoma 20: Andriamanitra Mpamonjy Mahery mampandova ny fanjakany. “Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra” Apok.2:7b. Vakiteny 1: Mat;25:31-34. Vakiteny 2: Apok.2:1-7. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Apok.2:7. Fitarihan-kevitra: Be ny ady atrehin’ny zanak’olombelona, izay misakana ny fidirany ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Misy ny ”ady anaty”, dia izay momba ny olona tsirairay: ady amin’ny toetra maha-mpanota, dia ny sitrapo, ny filan’ny nofo, ny fitiavantena. Misy koa ny “ady ivelany”, dia ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiam-panahin’ny hafa, ny fakana fanahy ataon’devoly. Mahery kosa ny fitiavan’Andriamanitra, ka mbola iantsoan’i Jesosy manao hoe: “Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” Mat.25:34.

Sabotsy 21: Antsoy ny Tompo fa Mahery Izy hamonjy. “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho ka hanome voninahitra Ahy hianao.” Sal.50:15. Vakiteny 1: Rom.10:4-13. Vakiteny 2: Sal.50:7-15. Toriteny 1 (safidy). Toriteny 2: Sal.50:15. Fitarihan-kevitra: Jesosy Kristy Tompo no Mpiandry Tsara tonga hitady ny ondriny ka nanolotra ny ainy hamonjy azy (Jao.10:11) ary manaiky antsoina sy mandray ny olona; fa ”malemy fanahy sady tsy miavona am-po Izy” Mat.11:29. Mbola vonona ny hihaino sy hamaly Izy; fa hoy Davida: “Miantso an’i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko” 2 Sam.22:4, fa “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany” Sal.34:15.

Ity perikopa ity dia mivoaka amin’ny teny malagasy, frantsay, anglisy ary alemà, ary azo jerena ao amin’ny Site www.hifi- madanet.org ary Facebook “Hira sy Filazantsara”. Henoy ny hifiradio.org 24 ora/7 andro: fampianarana, hira, … © Madanet

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *